히브리서 13장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 히브리서 (Hebrews) · 25절
- 1 Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy.
- 2 Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin’ izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany.
- 3 Tsarovy izay mifatotra, ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo, ary izay ampahorina, satria mbola eo amin’ ny tena koa ianareo.
- 4 Aoka hanan-kaja amin’ ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’ olona dia hohelohin’ Andriamanitra.
- 5 Aoka tsy ho amin’ ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin’ izay anananareo; fa hoy Izy: “Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory”.
- 6 Ka dia sahy manao hoe isika: “Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; Inona no azon’ ny olona atao amiko?”.
- 7 Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin’ Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran’ ny fiainany, ka araho ny finoany.
- 8 Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.
- 9 Aza mety havilin’ izay fampianarana maro hafahafa ianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin’ ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin’ ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy.
- 10 Isika manana alitara, izay tsy ananan’ ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana.
- 11 Fa rehefa nentin’ ny mpisoronabe niditra ho ao amin’ ny fitoerana masìna ho fanatitra noho ny ota ny ran’ ny biby, dia nodorana teny ivelan’ ny toby ny fatiny.
- 12 Ary amin’ izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan’ ny vavahady mba hahamasina ny olona amin’ ny ràny.
- 13 Koa aoka isika hivoaka hankeo aminy eo ivelan’ ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny.
- 14 Fa etỳ isika tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy.
- 15 Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ ny alalany ho an’ Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.
- 16 Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak’ Andriamanitra.
- 17 Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon’ ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ ny fifaliana, ta tsy amin’ ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.
- 18 Mivavaha ho anay; fa matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te-hitondra tena tsara amin’ ny zavatra rehetra.
- 19 Nefa mainka mangataka anareo hanao izany aho, mba hampodina faingampaingana kokoa ho aminareo.
- 20 Ary Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra an’ i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin’ ny maty, mitondra ny ran’ ny fanekena mandrakizay,
- 21 Izy anie hahatanteraka anareo amin’ ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
- 22 Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, zakao ny teny fananarana; fa efa nanoratra epistily fohifohy ihany ho aminareo aho.
- 23 Aoka ho fantatrareo fa efa afaka Timoty rahalahintsika; koa raha tàhiny handeha faingana izy, dia hiaraka aminy hamangy anareo aho.
- 24 Manaova veloma amin’ izay rehetra mpitondra anareo sy ny olona masìna rehetra. Izay an’ Italia dia manao veloma anareo.
- 25 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana. Amena.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗