히브리서 13장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 히브리서 (Hebrews) · 25절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy. | Let brotherly love continue. |
| 2 | Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin’ izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany. | Be not forgetful to entertain strangers: for thereby some have entertained angels unawares. |
| 3 | Tsarovy izay mifatotra, ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo, ary izay ampahorina, satria mbola eo amin’ ny tena koa ianareo. | Remember them that are in bonds, as bound with them; and them which suffer adversity, as being yourselves also in the body. |
| 4 | Aoka hanan-kaja amin’ ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’ olona dia hohelohin’ Andriamanitra. | Marriage is honourable in all, and the bed undefiled: but whoremongers and adulterers God will judge. |
| 5 | Aoka tsy ho amin’ ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin’ izay anananareo; fa hoy Izy: “Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory”. | Let your conversation be without covetousness; and be content with such things as ye have: for he hath said, I will never leave thee, nor forsake thee. |
| 6 | Ka dia sahy manao hoe isika: “Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; Inona no azon’ ny olona atao amiko?”. | So that we may boldly say, The Lord is my helper, and I will not fear what man shall do unto me. |
| 7 | Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin’ Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran’ ny fiainany, ka araho ny finoany. | Remember them which have the rule over you, who have spoken unto you the word of God: whose faith follow, considering the end of their conversation. |
| 8 | Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. | Jesus Christ the same yesterday, and to day, and for ever. |
| 9 | Aza mety havilin’ izay fampianarana maro hafahafa ianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin’ ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin’ ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy. | Be not carried about with divers and strange doctrines. For it is a good thing that the heart be established with grace; not with meats, which have not profited them that have been occupied therein. |
| 10 | Isika manana alitara, izay tsy ananan’ ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana. | We have an altar, whereof they have no right to eat which serve the tabernacle. |
| 11 | Fa rehefa nentin’ ny mpisoronabe niditra ho ao amin’ ny fitoerana masìna ho fanatitra noho ny ota ny ran’ ny biby, dia nodorana teny ivelan’ ny toby ny fatiny. | For the bodies of those beasts, whose blood is brought into the sanctuary by the high priest for sin, are burned without the camp. |
| 12 | Ary amin’ izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan’ ny vavahady mba hahamasina ny olona amin’ ny ràny. | Wherefore Jesus also, that he might sanctify the people with his own blood, suffered without the gate. |
| 13 | Koa aoka isika hivoaka hankeo aminy eo ivelan’ ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny. | Let us go forth therefore unto him without the camp, bearing his reproach. |
| 14 | Fa etỳ isika tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy. | For here have we no continuing city, but we seek one to come. |
| 15 | Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ ny alalany ho an’ Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany. | By him therefore let us offer the sacrifice of praise to God continually, that is, the fruit of our lips giving thanks to his name. |
| 16 | Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak’ Andriamanitra. | But to do good and to communicate forget not: for with such sacrifices God is well pleased. |
| 17 | Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon’ ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ ny fifaliana, ta tsy amin’ ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany. | Obey them that have the rule over you, and submit yourselves: for they watch for your souls, as they that must give account, that they may do it with joy, and not with grief: for that is unprofitable for you. |
| 18 | Mivavaha ho anay; fa matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te-hitondra tena tsara amin’ ny zavatra rehetra. | Pray for us: for we trust we have a good conscience, in all things willing to live honestly. |
| 19 | Nefa mainka mangataka anareo hanao izany aho, mba hampodina faingampaingana kokoa ho aminareo. | But I beseech you the rather to do this, that I may be restored to you the sooner. |
| 20 | Ary Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra an’ i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin’ ny maty, mitondra ny ran’ ny fanekena mandrakizay, | Now the God of peace, that brought again from the dead our Lord Jesus, that great shepherd of the sheep, through the blood of the everlasting covenant, |
| 21 | Izy anie hahatanteraka anareo amin’ ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. | Make you perfect in every good work to do his will, working in you that which is wellpleasing in his sight, through Jesus Christ; to whom be glory for ever and ever. Amen. |
| 22 | Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, zakao ny teny fananarana; fa efa nanoratra epistily fohifohy ihany ho aminareo aho. | And I beseech you, brethren, suffer the word of exhortation: for I have written a letter unto you in few words. |
| 23 | Aoka ho fantatrareo fa efa afaka Timoty rahalahintsika; koa raha tàhiny handeha faingana izy, dia hiaraka aminy hamangy anareo aho. | Know ye that our brother Timothy is set at liberty; with whom, if he come shortly, I will see you. |
| 24 | Manaova veloma amin’ izay rehetra mpitondra anareo sy ny olona masìna rehetra. Izay an’ Italia dia manao veloma anareo. | Salute all them that have the rule over you, and all the saints. They of Italy salute you. |
| 25 | Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana. Amena. | Grace be with you all. Amen. Written to the Hebrews from Italy by Timothy. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL