호세아 9장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 호세아 (Hosea) · 17절
- 1 Aza dia fatra-pifaly loatra, toy ny firenena hafa, ry Isiraely; Fa ianao efa nijangajanga niala tamin’ Andriamanitrao sady efa tia tangy teny am-pamoloana rehetra;
- 2 Ny famoloana sy ny fanantazana tsy hahavelona azy, ary hahadiso fanantenana azy ny ranom-boaloboka.
- 3 Tsy honina ao amin’ ny tanin’ i Jehovah izy; Fa Efraima hiverina ho any Egypta ary hihinana zava-padina any Asyria.
- 4 Tsy hanidina divay ho fanatitra ho an’ i Jehovah izy, ary tsy hankasitrahany; Ny zavatra vonoiny hatao fanatitra dia ho toy ny fahan-kanina ho an’ ny mpisaona aminy: Izay rehetra homana izany dia voaloto; Fa ny haniny dia ho an’ ny tenany ihany, fa tsy ho tafiditra ao an-tranon’ i Jehovah.
- 5 Hanao ahoana kosa re ianareo, raha mby amin’ ny fotoam-pivavahana sy amin’ ny andro firavoravoana voatendrin’ i Jehovah?
- 6 Fa he! lasa izy noho ny fandringanana; Egypta no hanangona azy, Memfisa no handevina azy; Ny fana-bolafotsiny mahafinaritra dia ho lasan’ ny amiana, tsilo no ho ao an-dainy.
- 7 Tonga ireo andro famaliana, tonga ireo andro fanodiavana Ho fantatr’ Isiraely fa adala ny mpaminany, ary very saina ny olona tsindriam-panahy noho ny hamaroan’ ny helokao sy ny habetsahan’ ny fanoherana.
- 8 Efraima dia mizaha, nefa tsy avy amin’ Andriamanitro; Ny mpaminany dia fandriky ny mpamandri-borona eny amin’ ny alehany rehetra sy fanoherana ao an-tranon’ Andriamaniny.
- 9 Fatra-panao ratsy toy ny tamin’ ny andro tany Gibea izy; Ka dia hotsarovana ny helony, ary hovaliana ny fahotany.
- 10 Tahaka ny fahitana voaloboka any an-efitra no nahitako ny Isiraely, toy ny fahitana aviavy mialin-taona no nahitako ny razanareo; Nefa ireny dia tonga tany Bala-peora ka nanolo-tena ho amin’ ilay mampahamenatra, ka dia tonga fahavetavetana tahaka an’ ilay tiany ihany izy.
- 11 Ny amin’ i Efraima, hihelina toy ny voro-manidina ny voninahiny, ka tsy hisy hiteraka, na hanan’ anaka, na ho torontoronina.
- 12 Na dia misy mitaiza zanaka aza izy, dia hofoanako ihany ireny, ka tsy hisy miangana; Eny, hahita loza koa izy amin’ ny handaozako azy!
- 13 Efraima, raha araka ny hitako, dia voavoly ao amin’ ny tany mahafinaritra tahaka an’ i Tyro, nefa tsy maintsy mamoaka ny zanany ho amin’ ny mpamono izy.
- 14 Jehovah ô, omeo azy ― inona no homenao azy? Omeo azy ny kibo tsy mahazo zaza sy ny nono ritra.
- 15 Ao Gilgala ny fahotany rehetra, eny, tao no vao nankahalako azy; Noho ny faharatsian’ ny ataony dia horoahiko hiala ao an-tranoko izy; Tsy ho tia azy intsony Aho, mpiodina avokoa ny mpanapaka azy.
- 16 Voaratra Efraima, maina ny fakany, ka tsy hamoa izy; Eny, na dia miteraka aza izy, dia hovonoiko ny zanany mahafinaritra azy.
- 17 Harian’ Andriamanitro izy, satria tsy nihaino Azy; Ka dia ho tonga mpirenireny any amin’ ny jentilisa izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗