호세아 7장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 호세아 (Hosea) · 16절
- 1 Raha ta-hanasitrana ny Isiraely Aho, dia miseho ny helok’ i Efraima sy ny faharatsian’ i Samaria, fa manao fitaka izy; Miditra ny mpangalatra, ary ny jiolahy manao andiany dia mandehandeha eny ivelany.
- 2 Ary tsy heveriny ao am-po fa tsarovako ny faharatsiany rehetra; Ankehitriny dia gejan’ ny nataony izy, efa tonga eo anatrehako izany.
- 3 Amin’ ny faharatsiany no ampifaliany ny mpanjaka, ary amin’ ny laingany ny mpanapaka.
- 4 Samy mpaka vadin’ olona avokoa izy rehetra ka toy ny fatana voafanan’ ny mpanendy mofo, izay mitsahatra tsy misorona afo hatramin’ ny ametafetany ny koba ka ambara-pitombony.
- 5 Tamin’ ny andron’ ny mpanjakantsika dia nankarary tena tamin’ ny fanafanan’ ny herin’ ny divay ny mpanapaka; Nifandray tanana tamin’ ny mpaniratsira ny mpanjaka.
- 6 Fa entin’ ireo ho ao am-panotrehana ny fony, toy ny ho ao amin’ ny fatana; Mandritra ny alina dia matory ihany ny mpanendy azy, ary nony maraina dia toy ny lelafo mirehitra ny fatana.
- 7 Samy mahamay toy ny fatana izy rehetra ka mandevona ny andriambaventiny; Efa lavo avokoa, ny mpanjakany, tsy misy miantso Ahy izy rehetra.
- 8 Efraima dia miharoharo amin’ ireo firenena; Efraima dia efa tonga ampempa tsy voavadika.
- 9 Lanin’ ny vahiny ny heriny, nefa tsy fantany akory izany; Eny, efa mipi-bolo ihany izy, saingy tsy fantany.
- 10 Ary ny avonavon’ Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Nefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy miverina amin’ i Jehovah Andriamaniny ihany izy, na mitady Azy.
- 11 Ary Efraima dia efa tonga tahaka ny voromailala adaladala tsy manan-tsaina; Efa miantso an’ i Egypta izy ary efa mankany Asyria.
- 12 Raha vao mandeha izy, dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko, ka hampidiniko ao toy ny voro-manidina izy; Hofaizako izy araka izay efa nambara tamin’ ny fiangonany.
- 13 Lozan’ ireny! satria nandositra Ahy izy, haringana izy! satria niodina tamiko; Izaho ta-hanavotra azy, fa izy kosa dia lainga no entiny milaza Ahy.
- 14 Ary tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, fa midradradradra foana ao am-pandriany; Mitangorona hitady vary sy ranom-boaloboka izy, dia miodina miala amiko.
- 15 Ary Izaho no nampianatra sy nanatanjaka ny sandriny, nefa izy kosa dia misaintsain-dratsy Ahy,
- 16 Miverina ihany izy, nefa tsy ho amin’ ny Avo; Tonga tahaka ny tsipìka manjiona izy; Ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy noho ny firehitry ny lelany; Izany no ho latsany any amin’ ny tany Egypta.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗