호세아 14장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 호세아 (Hosea) · 10절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Hovaliana Samaria noho ny helony, Fa niodina tamin’ Andriamaniny izy; Ho lavon-tsabatra izy, ny zanany madinika hotorotoroina, ary izay bevohoka eo aminy hotatahana. | O Israel, return unto the Lord thy God; for thou hast fallen by thine iniquity. |
| 2 | Ry Isiraely ô, miverena amin’ i Jehovah Andriamanitrao, fa lavon-keloka ianao. | Take with you words, and turn to the Lord: say unto him, Take away all iniquity, and receive us graciously: so will we render the calves of our lips. |
| 3 | Mitondrà teny ianareo, eny, miverena amin’ i Jehovah, ka manaova aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra, ary raiso izay tsara, ka dia haterinay ho fanatitra ny molotray. | Asshur shall not save us; we will not ride upon horses: neither will we say any more to the work of our hands, Ye are our gods: for in thee the fatherless findeth mercy. |
| 4 | Asyria tsy hamonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay sady tsy hiteny amin’ ny asan’ ny tananay intsony hoe: Ry Andriamanitray ô; Fa ao aminao no ahitan’ ny kamboty famindram-po. | I will heal their backsliding, I will love them freely: for mine anger is turned away from him. |
| 5 | Hositraniko ny fiodinany, ho tia azy tsy vozonana Aho; Fa efa niala taminy ny fahatezerako. | I will be as the dew unto Israel: he shall grow as the lily, and cast forth his roots as Lebanon. |
| 6 | Ho tahaka ny ando Aho amin’ ny Isiraely; Hamony tahaka ny lilia izy, ary hamaka tahaka an’ i Libanona. | His branches shall spread, and his beauty shall be as the olive tree, and his smell as Lebanon. |
| 7 | Hisandrahaka ny rantsany, ho tahaka ny an’ ny hazo oliva ny hatsaran-tarehiny, ary ho tahaka ny an’ i Libanona ny hanitra avy aminy. | They that dwell under his shadow shall return; they shall revive as the corn, and grow as the vine: the scent thereof shall be as the wine of Lebanon. |
| 8 | Izay mipetraka ao ambanin’ ny alokalony dia hampahavokatra vary indray, ary haniry tahaka ny voaloboka izy; Ny lazany ho tahaka ny an’ ny divay avy any Libanona. | Ephraim shall say, What have I to do any more with idols? I have heard him, and observed him: I am like a green fir tree. From me is thy fruit found. |
| 9 | Ry Efraima ô, hataoko inona intsony izay sampy? Izaho dia efa nihaino ka nitsinjo anao; Tahaka ny hazo kypreso maitso Aho, avy amiko no hahazoana ny vokatrao. | Who is wise, and he shall understand these things? prudent, and he shall know them? for the ways of the Lord are right, and the just shall walk in them: but the transgressors shall fall therein. |
| 10 | Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany? Na manan-tsaina mba hahalala izany? Fa mahitsy ny lalan’ i Jehovah, ary ny marina no mizotra eny aminy; Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL