요엘 1장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 요엘 (Joel) · 20절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ny tenin’ i Jehovah, izay tonga tamin’ i Joela, zanak’ i Petoela. | The word of the Lord that came to Joel the son of Pethuel. |
| 2 | Henoy izao, ry anti-panahy! Ary mandrenesa, ianareo mponina rehetra amin’ ny tany! Moa mba efa nisy tamin’ ny andronareo na tamin’ ny andron’ ny razanareo, va izao? | Hear this, ye old men, and give ear, all ye inhabitants of the land. Hath this been in your days, or even in the days of your fathers? |
| 3 | Lazao amin’ ny zanakareo izao, ary aoka ny zanakareo hilaza amin’ ny zanany kosa, ary ny zanak’ ireo kosa indray amin’ ny taranaka mandimby azy. | Tell ye your children of it, and let your children tell their children, and their children another generation. |
| 4 | Izay sisan’ ny kijeja dia nohanin’ ny koraika; Ary izay sisan’ ny koraika dia nohanin’ ny valalavao: Ary izay sisan’ ny valalavao dia nohanin’ ny sompanga. | That which the palmerworm hath left hath the locust eaten; and that which the locust hath left hath the cankerworm eaten; and that which the cankerworm hath left hath the caterpiller eaten. |
| 5 | Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania, eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka, satria tapaka tsy ho amin’ ny vavanareo izany. | Awake, ye drunkards, and weep; and howl, all ye drinkers of wine, because of the new wine; for it is cut off from your mouth. |
| 6 | Fa misy firenena mahery sady tsy hita isa miakatra hamely ny taniko; Ny nifiny dia nifin-diona, ary ny vazany dia vazan’ ny liom-bavy. | For a nation is come up upon my land, strong, and without number, whose teeth are the teeth of a lion, and he hath the cheek teeth of a great lion. |
| 7 | Nataony simba tokoa ny voaloboko, ary notapatapahiny ny aviaviko; Nataony nakiky tokoa ireny ka nariany, eny, tonga fotsy ny rantsany. | He hath laid my vine waste, and barked my fig tree: he hath made it clean bare, and cast it away; the branches thereof are made white. |
| 8 | Midradradradrà toy ny virijina misikindamba fisaonana noho ny amin’ ny vadin’ ny fahatanorany. | Lament like a virgin girded with sackcloth for the husband of her youth. |
| 9 | Efa tapaka tsy ho ao amin’ ny tranon’ i Jehovah ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina; Mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ i Jehovah. | The meat offering and the drink offering is cut off from the house of the Lord; the priests, the Lord’s ministers, mourn. |
| 10 | Mariry ny saha, misaona ny tany fambolena; Fa simba ny vary, ritra ny ranom-boaloboka, mihena ny diloilo. | The field is wasted, the land mourneth; for the corn is wasted: the new wine is dried up, the oil languisheth. |
| 11 | Aoka ho menatra ianareo mpiasa tany; midradradradrà, ianareo mpamboatra tanim-boaloboka, noho ny vary tritika sy ny vary hordea; Fa majifa ny vokatry ny saha; | Be ye ashamed, O ye husbandmen; howl, O ye vinedressers, for the wheat and for the barley; because the harvest of the field is perished. |
| 12 | Maina ny voaloboka, malazo ny aviavy, ary malazo koa ny ampongabendanitra sy ny rofia ary ny poma aza, dia ny hazo rehetra any an-tsaha; Eny, malazo ny fifalian’ ny zanak’ olombelona. | The vine is dried up, and the fig tree languisheth; the pomegranate tree, the palm tree also, and the apple tree, even all the trees of the field, are withered: because joy is withered away from the sons of men. |
| 13 | Misikìna sy mitomania, ianareo mpisorona; midradradradrà, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ ny alitara; Andeha mandry amin’ ny lamba fisaonana mandritra ny alina, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ Andriamanitro, fa tapaka tsy ho ao amin’ ny tranon’ Andriamanitra ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina. | Gird yourselves, and lament, ye priests: howl, ye ministers of the altar: come, lie all night in sackcloth, ye ministers of my God: for the meat offering and the drink offering is withholden from the house of your God. |
| 14 | Manamasìna andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masìna, angòny ny loholona sy ny mponina rehetra amin’ ny tany ho ao an-tranon’ i Jehovah Andriamanitrareo, koa andeha mitaraina amin’ i Jehovah. | Sanctify ye a fast, call a solemn assembly, gather the elders and all the inhabitants of the land into the house of the Lord your God, and cry unto the Lord, |
| 15 | Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny andron’ i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ ny Tsitoha no fihaviny. | Alas for the day! for the day of the Lord is at hand, and as a destruction from the Almighty shall it come. |
| 16 | Moa tsy efa tapaka teo imasontsika va ny hanina, eny, ny fifaliana sy ny faharavoravoana tsy ho ao an-tranon’ Andriamanitsika? | Is not the meat cut off before our eyes, yea, joy and gladness from the house of our God? |
| 17 | Matimaso ao ambanin’ ny baingan-tany ny vary nafafy, foana ny sompitra, mirodana ny trano fitehirizam-bary; Fa nalazo ny vary. | The seed is rotten under their clods, the garners are laid desolate, the barns are broken down; for the corn is withered. |
| 18 | Indrisy, ny fitoreon’ ny biby! Very hevitra ny omby andiany, satria tsy misy ahitra ho azy; Eny, na dia ny andian’ ny ondry aman’ osy aza dia mijaly noho ny heloka. | How do the beasts groan! the herds of cattle are perplexed, because they have no pasture; yea, the flocks of sheep are made desolate. |
| 19 | Jehovah ô, Hianao no itarainako, fa efa levon’ ny afo ny kijana any an-efitra, ary nisy lelafo efa nandoro ny hazo rehetra any an-tsaha. | O Lord, to thee will I cry: for the fire hath devoured the pastures of the wilderness, and the flame hath burned all the trees of the field. |
| 20 | Na dia ny biby any an-tsaha aza dia mihanahana miandrandra Anao, satria ritra ny renirano, ary efa levon’ ny afo ny kijana any an-efitra. | The beasts of the field cry also unto thee: for the rivers of waters are dried up, and the fire hath devoured the pastures of the wilderness. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL