출애굽기 19장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 출애굽기 (Exodus) · 25절
- 1 Tamin’ ny volana fahatelo taorian’ ny nialan’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny tany Egypta, dia tamin’ izany andro izany no nahatongavany tany an-efitr’ i Sinay.
- 2 Ary rehefa nifindra niala teo Refidima izy ka tonga tany amin’ ny efitr’ i Sinay, dia nitoby teo amin’ ny efitra; dia tandrifin’ ny tendrombohitra no nitobian’ ny Isiraely teo.
- 3 Ary Mosesy niakatra ho ao amin’ Andriamanitra, dia niantso azy Jehovah tao an-tendrombohitra ka nanao hoe: Izao no holazainao amin’ ny taranak’ i Jakoba sy hambaranao amin’ ny Zanak’ Isiraely:
- 4 Hianareo efa nahita izay nataoko tamin’ ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin’ ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho atỳ amiko.
- 5 Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
- 6 Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masìna ho Ahy ianareo. Ireo teny ireo no holazainao amin’ ny Zanak’ Isiraely.
- 7 Dia nandeha Mosesy ka nampaka ny loholon’ ny vahoaka, dia nalahany teo anatrehany ireo teny rehetra ireo, izay nandidian’ i Jehovah azy.
- 8 Dia namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Izay teny rehetra nolazain’ i Jehovah dia hataonay. Ary dia nentin’ i Mosesy tao amin’ i Jehovah kosa ny tenin’ ny olona.
- 9 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anatin’ ny rahona maizina, mba ho ren’ ny olona raha miteny aminao Aho, ka dia hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran’ i Mosesy tamin’ i Jehovah ny tenin’ ny olona.
- 10 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mandehana ho eny amin’ ny olona, ka manamasìna azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy:
- 11 ary aoka samy hiomana ho amin’ ny andro fahatelo izy; fa amin’ ny andro fahatelo no hidinan’ i Jehovah ho eo imason’ ny olona rehetra eo an-tampon’ ny tendrombohitra Sinay.
- 12 Dia hanisy fefy manodidina ho an’ ny olona ianao ka hanao hoe: Mitandrema ianareo mba tsy hiakatra ao amin’ ny tendrombohitra, na hikasika ny sisiny akory aza; fa na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hatao maty tokoa;
- 13 tsy hisy tanana hikasika azy, fa hotoraham-bato tokoa izy, na hotifirina tokoa, na biby na olona, tsy mba hovelomina izy; fa raha manao feo lavareny ny anjomara, dia vao hiakatra ho ao amin’ ny tendrombohitra izy.
- 14 Dia nidina avy tao amin’ ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin’ ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany.
- 15 Ary hoy izy tamin’ ny olona: Miomàna ianareo ho amin’ ny andro fahatelo; aza manakaiky vehivavy akory.
- 16 Ary nony tamin’ ny marain’ ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin’ ny tendrombohitra, ary nisy feon’ anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby.
- 17 Ary Mosesy nitondra ny olona nivoaka avy teo an-toby mba hihaona amin’ Andriamanitra; dia nijanona teo am-bodin’ ny tendrombohitra izy.
- 18 Ary ny tendrombohitra Sinay nivoa-tsetroka avokoa, satria Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo; dia niakatra ny setroka tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay rehetra.
- 19 Ary rehefa notsofina ny anjomara ka nidradradradra, dia niteny Mosesy, ary Andriamanitra namaly feo azy.
- 20 Ary Jehovah nidina nankeo an-tendrombohitra Sinay, dia teo an-tampon’ ny tendrombohitra; ary Jehovah niantso an’ i Mosesy hankeo an-tampon’ ny tendrombohitra; dia niakatra Mosesy.
- 21 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Midìna, ka pepero ny olona, fandrao hisisika hankao amin’ i Jehovah izy mba hijery ka hahafatesana maro.
- 22 Ary aoka ny mpisorona koa, izay manakaiky an’ i Jehovah, hanamasina ny tenany, fandrao himaona hamely azy Jehovah.
- 23 Ary hoy Mosesy tamin’ i Jehovah: Tsy mahazo miakatra ho eto amin’ ny tendrombohitra Sinay ny olona; fa Hianao nandidy anay ka nanao hoe: Fefeo ny tendrombohitra, ka hamasino izy.
- 24 Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana midìna, nefa miakara ianao, ka ento hiaraka aminao Arona; fa ny mpisorona sy ny olona dia aza avela hisisika hiakatra ho ao amin’ i Jehovah, fandrao haringana izy.
- 25 Ary Mosesy dia nidina nankeny amin’ ny olona ka niteny taminy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗