출애굽기 18장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 출애굽기 (Exodus) · 27절
- 1 Ary efa ren’ i Jetro, mpisorona tao Midiana, rafozan’ i Mosesy, izay rehetra nataon’ Andriamanitra ho an’ i Mosesy sy ny Isiraely olony, dia ny nitondran’ i Jehovah ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta.
- 2 Dia nentin’ i Jetro, rafozan’ i Mosesy, Zipora, vadin’ i Mosesy, rehefa nampivereniny izy,
- 3 ary ny zanany mirahalahy: Gersoma no anaran’ ny anankiray, fa hoy izy: Efa vahiny atỳ amin’ ny tanin’ ny firenena hafa aho;
- 4 ary Eliezera kosa no anaran’ ny anankiray, fa hoy izy: Andriamanitry ny razako no namonjy ahy ka nahafaka ahy tsy ho voan’ ny sabatr’ i Farao.
- 5 Dia tonga Jetro, rafozan’ i Mosesy, nitondra ny vady aman-janak’ i Mosesy hankany aminy tany an-efitra, izay nitobiany teo anilan’ ny tendrombohitr’ Andriamanitra:
- 6 dia nampilaza tamin’ i Mosesy izy ka nanao hoe: Izaho Jetro rafozanao avy hamangy anao, ary ny vadinao mbamin’ ny zanany roa lahy koa.
- 7 Ary Mosesy nivoaka hitsena ny rafozany, dia niankohoka sady nanoroka azy; ary nifampiarahaba izy mianaka, dia niditra tao an-day.
- 8 Ary nambaran’ i Mosesy tamin’ ny rafozany izay rehetra efa nataon’ i Jehovah tamin’ i Farao sy tamin’ ny Egyptiana noho ny amin’ ny Isiraely, mbamin’ ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dalana, sy ny namonjen’ i Jehovah azy.
- 9 Dia faly Jetro noho ny soa rehetra izay efa nataon’ i Jehovah tamin’ ny Isiraely, izay novonjeny ho afaka tamin’ ny tanan’ ny Egyptiana.
- 10 Ary hoy Jetro: Isaorana anie Jehovah, Izay namonjy anareo ho afaka tamin’ ny tanan’ ny Egyptiana sy tamin’ ny tànan’ i Farao, dia Izay namonjy ny olona tsy hotapahin’ ny Egyptiana.
- 11 Ankehitriny dia fantatro fa lehibe Jehovah mihoatra noho ny andriamanitra rehetra, dia tamin’ izay zavatra nentin’ ny Egyptiana nirehareha tamin’ ireny.
- 12 Ary Jetro, rafozan’ i Mosesy, nitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ho an’ Andriamanitra; dia nankao Arona sy ny loholon’ ny Isiraely rehetra hiara-mihinan-kanina amin’ ny rafozan’ i Mosesy teo anatrehan’ Andriamanitra.
- 13 Ary nony maraina dia nipetraka hitsara ny olona Mosesy; ka dia nijanona teo anatrehan’ i Mosesy ny olona hatramin’ ny maraina ka hatramin’ ny hariva.
- 14 Ary rehefa hitan’ ny rafozan’ i Mosesy izay rehetra nataony tamin’ ny olona, dia hoy izy: Inona izao zavatra ataonao amin’ ny olona izao? Nahoana no ianao irery ihany no mipetraka, fa ny olona rehetra kosa mitsangana eo anatrehanao hatramin’ ny maraina ka hatramin’ ny hariva?
- 15 Ary hoy Mosesy tamin’ ny rafozany: Satria mankaty amiko ny olona hanontany amin’ Andriamanitra.
- 16 Raha misy manana ady izy, dia mankaty amiko, ka mitsara azy roa tonta aho, dia mampahalala azy ny didin’ Andriamanitra sy ny lalàny.
- 17 Ary hoy ny rafozan’ i Mosesy taminy; Tsy tsara izao zavatra ataonao izao.
- 18 Samy ho reraka mihitsy, na ianao na izao olona miaraka aminao izao; fa mavesatra aminao loatra izao zavatra izao, ka tsy ho zakanao irery ny hanao izao.
- 19 Ary ankehitriny, dia maneke ny teniko, fa hanoro hevitra anao aho, ka Andriamanitra anie homba anao: Aoka ianao ho alalan’ ny olona amin’ Andriamanitra mba hitondranao ny teniny amin’ Andriamanitra;
- 20 ary hampianatra azy ny didy sy ny lalàna izay mety halehany sy ny asa izay mety hataony.
- 21 Ary mizaha eo amin’ ny olona rehetra izay lehilahy mahay sy matahotra an’ Andriamanitra, dia lehilahy marina izay tsy tia kolikoly; ka manendre mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo ary mpifehy folo hifehy azy.
- 22 Ary aoka ireo no hitsara ny olona mandrakariva, ka ny ady lehibe rehetra no aoka ho entiny aminao, fa ny ady madinidinika rehetra kosa dia aoka hotsarainy ihany; dia ho maivamaivana kokoa aminao izany, ka dia hiara-mitondra aminao ireo.
- 23 Raha hanao araka izany zavatra izany ianao, ka hilaza izay didy aminao Andriamanitra, dia haharitra ianao, ary izao olona rehetra izao koa dia ho tonga soa aman-tsara any amin’ ny taniny.
- 24 Dia neken’ i Mosesy ny tenin’ ny rafozany, ka nataony avokoa izay rehetra efa nolazainy.
- 25 Dia nofidin’ i Mosesy izay lehilahy mahay tamin’ ny Isiraely rehetra ka nataony lohan’ ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo.
- 26 Dia nitsara ny olona mandrakariva ireo; koa ny ady sarotra ihany no nentiny tao amin’ i Mosesy, fa ny ady madinika rehetra kosa dia notsarainy ihany.
- 27 Ary Mosesy namoaka ny rafozany; ka dia lasa nody any amin’ ny taniny izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗