창세기 33장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 창세기 (Genesis) · 20절
- 1 Ary Jakoba dia nanopy ny masony ka nahatazana fa indro tamy Esao, mitondra efa-jato lahy. Dia nozarazarainy ny zaza ho amin’ i Lea sy Rahely ary ho amin’ ny ankizivavy roa.
- 2 Ary nataony loha-lalana ny ankizivavy roa sy ny zanany, ary Lea sy ny zanany nanarakaraka, ary Rahely sy Josefa no vodi-lalana.
- 3 Ary Jakoba nandeha teo alohan’ izy rehetra ka niankohoka impito tamin’ ny tany mandra-pahatongany teo akaikin’ ny rahalahiny.
- 4 Dia nihazakazaka hitsena azy Esao, ary nisakambina ny tendany, dia namihina sy nanoroka azy; ary samy nitomany izy mirahalahy.
- 5 Ary Esao nanopy ny masony ka nahita ny zaza amim-behivavy; dia hoy izy: Iza moa ireto miaraka aminao ireto? Ary hoy kosa Jakoba: Ny zaza izay nomen’ Andriamanitra ny mpanomponao noho ny fahasoavany.
- 6 Dia nanatona ny ankizivavy sy ny zanany ka niankohoka.
- 7 Dia nanatona koa Lea sy ny zanany ka niankohoka; ary farany, dia nanatona koa Josefa sy Rahely ka niankohoka.
- 8 Ary hoy Esao: Inona moa no hevitr’ ireny antokony rehetra nifanena tamiko ireny? Ary hoy izy: Mba hahitako fitia eto imason’ itompokolahy.
- 9 Ary dia hoy Esao: Manam-be ihany aho, ry rahalahiko; aoka ihany ho anao ny anao.
- 10 Ary hoy Jakoba: Trarantitra ianao, aza an’ izany; raha mba mahita fitia eto imasonao aho, dia raiso amin’ ny tanako ny zavatra nampanateriko; fa efa nahita ny tavanao aho tahaka ny mahita ny tavan’ Andriamanitra, ary efa sitrakao aho.
- 11 Trarantitra ianao, raiso re ny saotro izay nampanaterina ho anao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka manam-be aho. Dia nanery azy izy, ka dia noraisiny ihany ny zavatra.
- 12 Ary hoy Esao: Aoka hiainga isika, ka handeha hialoha anao aho.
- 13 Fa hoy Jakoba taminy: Fantatr’ itompokolahy fa mbola osa ny zaza, sady ampianahany ny ondry aman’ osy sy ny omby ato amiko; koa raha hokorodonina indray andro aza ireo, dia ho faty avokoa ny ondry aman’ osy rehetra.
- 14 Trarantitra ianao, aoka itompokolahy hialoha ny mpanompony; ary izaho handeha miadana araka izay dian’ ny omby aman’ ondry, izay ho eo alohako, sy ny dian’ ny zaza, mandra-pahatongako any amin’ itompokolahy any Seïra.
- 15 Ary hoy Esao: Masìna ianao, aoka ary mba hamelako hiaraka aminao ny olona izay momba ahy. Fa hoy Jakoba: Ahoana no anaovanao izany? Aoka hahita fitia eto imason’ itompokolahy aho.
- 16 Dia niverina androtrizay Esao tamin’ ny lalany ho any Seïra.
- 17 Ary Jakoba nifindra nankany Sokota ka nanao trano ho azy ary nanao trano rantsan-kazo maromaro ho an’ ny omby aman’ ondriny; izany no nanaovana ny anaran’ io tany io hoe Sokota.
- 18 Ary Jakoba tonga soa aman-tsara tao an-tanàna Sekema, izay eo amin’ ny tany Kanana, rehefa avy tany Mesopotamia izy; dia nitoby tandrifin’ ny tanàna.
- 19 Dia novidiny vola zato tamin’ ny zanak’ i Hamora, rain’ i Sekema, ny tany izay nanorenany ny lainy.
- 20 Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-elohe-Isiraely ny anarany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗