창세기 29장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 창세기 (Genesis) · 35절
- 1 Dia niainga Jakoba ka nankany amin’ ny tanin’ ny zanaky ny atsinanana.
- 2 Dia nijery izy, ka, indro, nisy lavaka fantsakana tany an-tsaha, ary, indro, nisy ondry aman’ osy telo, dia nandry teo anilany; fa teo amin’ izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan’ ny olona ny andian’ ny ondry aman’ osy; ary lehibe ny vato teo am-bavan’ ny fantsakana.
- 3 Ary nangonina teo ny andian’ ny ondry aman’ osy rehetra, dia nakodian’ ny olona ny vato hiala amin’ ny vavan’ ny lavaka fantsakana, ka nampisotroiny ny ondry aman’ osy; ary dia naveriny indray ny Vato ho eo am-bavan’ ny lavaka fantsakana ho amin’ ny fitoerany.
- 4 Ary hoy Jakoba tamin’ ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo? Ary hoy ireo: Avy any Harana izahay.
- 5 Ary hoy izy taminy: Moa mba fantatrareo va Labana, zanakalahin’ i Nahora? Dia hoy izy: Fantatray ihany.
- 6 Ary hoy izy taminy: Tsara ihany va izy? Dia hoy izy: Tsara ihany izy; ary, indro, tamy Rahely zananivavy mitondra ny ondry aman’ osy.
- 7 Ary hoy izy: Indro, mbola antoandrobe ny andro, ka tsy mbola mby amin’ ny fotoana famoriana ny omby aman’ ondry; ampisotroy ny ondry aman’ osy, dia andeha, andraso.
- 8 Dia hoy izy: Tsy azonay hatao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andian’ ny ondry aman’ osy rehetra, ka hakodian’ ny olona ny vato hiala amin’ ny vavan’ ny lavaka fantsakana; dia vao hampisotro ny ondry aman’ osy izahay.
- 9 Raha mbola niteny taminy izy; dia, indro, tamy Rahely nitondra ny ondry aman’ osin-drainy; fa mpiandry ondry izy.
- 10 Ary rehefa hitan’ i Jakoba Rahely, zanakavavin’ i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry aman’ osin’ i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala tamin’ ny vavan’ ny lavaka fantsakana, dia nampisotro ny ondry aman’ osin’ i Labana anadahin-dreniny izy.
- 11 Ary Jakoba nanoroka an-dRahely, dia nanandrata ny feony ka nitomany.
- 12 Dia nambaran’ i Jakoba tamin-dRahely fa havan-drainy sy zana-dRebeka izy; dia nihazakazaka Rahely nanambara izany tamin-drainy.
- 13 Ary rehefa ren’ i Labana ny filazany an’ i Jakoba, zanak’ anabaviny, dia nihazakazaka nitsena azy izy ka namihina azy sy nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Dia nambaran’ i Jakoba tamin’ i Labana izany rehetra izany.
- 14 Ary hoy Labana taminy: Taolako sy nofoko tokoa ianao. Ary rehefa nitoetra tao aminy andro iray volana Jakoba,
- 15 dia hoy Labana taminy: Moa na dia rahalahiko aza ianao, dia hanompo ahy maina va? Lazao amiko izay ho karamanao.
- 16 Ary Labana nanan-janaka roa vavy: Lea no anaran’ ny zokiny, ary Rahely no anaran’ ny zandriny.
- 17 Ary Lea nalemy maso; fa Rahely bikàna sady tsara tarehy.
- 18 Ary Jakoba tia an-dRahely ka nanao hoe: Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy.
- 19 Ary hoy Labana: Aleoko homena anao izy, toy izay homena lehilahy hafa; tomoera eto amiko.
- 20 Dia nanompo an’ i Labana fito taona Jakoba hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny fitiavany azy.
- 21 Ary hoy Jakoba tamin’ i Labana: Aiza ny vadiko, mba hanambadiako azy? fa efa tapitra ny fetr’ androko.
- 22 Ary nampamory ny tompon-tany rehetra Labana ka nanao fanasana.
- 23 Kanjo nony hariva dia naka an’ i Lea zananivavy izy ka nitondra azy ho any amin’ i Jakoba; dia nanambady azy Jakoba.
- 24 Ary nomen’ i Labana an’ i Lea zananivavy Zilpa ankizivaviny hanompo azy.
- 25 Ary nony efa maraina ny andro, indro fa Lea izy; dia hoy Jakoba tamin’ i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Ka nahoana no nofitahinao aho?
- 26 Dia hoy Labana: Tsy fanao atỳ amin’ ny taninay ny mamoaka ny zandriny alohan’ ny zokiny.
- 27 Tanteraho ny herinandron’ ity anankiray ity, dia homenay anao koa ny anankiray noho ny fanompoana izay mbola hanompoanao ahy fito taona indray.
- 28 Dia nataon’ i Jakoba izany, ka notanterahiny ny herinandrony; dia nomen’ i Labana azy koa Rahely zananivavy ho vadiny.
- 29 Ary nomen’ i Labana an-dRahely zananivavy kosa Bila ankizivaviny hanompo azy.
- 30 Dia novadin’ i Jakoba koa Rahely; ary izy no tiany mihoatra noho Lea; dia nanompo an’ i Labana fito taona indray izy.
- 31 Ary rehefa hitan’ i Jehovah fa nankahalaina Lea, dia nampanan’ anaka azy Izy; fa momba kosa Rahely.
- 32 Dia nanan’ anaka Lea ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Robena; fa hoy izy: Efa nitsinjo ny fahoriako Jehovah, fa ankehitriny dia ho tian’ ny vadiko aho.
- 33 Dia nanan’ anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Satria ren’ i Jehovah fa efa nankalahaina aho, dia nomeny ahy koa ity; dia nataony hoe Simeona ny anarany.
- 34 Dia nanan’ anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny izao dia hikambana amiko ny vadiko, fa efa niteraka zazalahy telo ho azy aho; izany no nanaovana ny anarany hoe Levy.
- 35 Dia nanan’ anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny dia hidera an’ i Jehovah aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Joda; dia nitsaha-jaza izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗