창세기 25장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 창세기 (Genesis) · 34절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary Abrahama nampaka-bady indray, Ketora no anarany. | Then again Abraham took a wife, and her name was Keturah. |
| 2 | Dia niteraka an’ i Zimrana sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha tamin’ i Abrahama izy. | And she bare him Zimran, and Jokshan, and Medan, and Midian, and Ishbak, and Shuah. |
| 3 | Ary Joksana niteraka an’ i Sheba sy Dedana. Ary ny zanakalahin’ i Dedana dia Asorima sy Letosima ary Leomima. | And Jokshan begat Sheba, and Dedan. And the sons of Dedan were Asshurim, and Letushim, and Leummim. |
| 4 | Ary ny zanakalahin’ i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanak’ i Ketora. | And the sons of Midian; Ephah, and Epher, and Hanoch, and Abida, and Eldaah. All these were the children of Keturah. |
| 5 | Dia natolotr’ i Abrahama an’ Isaka izay rehetra nananany. | And Abraham gave all that he had unto Isaac. |
| 6 | Fa ny zanak’ ireo vaditsindranony hafa, izay nananan’ i Abrahama, dia samy notolorany avy ka nampandehaniny, dieny mbola velona izy, hiala amin’ Isaka zanany hiantsinanana ho any amin’ ny tany atsinanana. | But unto the sons of the concubines, which Abraham had, Abraham gave gifts, and sent them away from Isaac his son, while he yet lived, eastward, unto the east country. |
| 7 | Ary ny andro niainan’ i Abrahama dia dimy amby fito-polo amby zato taona. | And these are the days of the years of Abraham’s life which he lived, an hundred threescore and fifteen years. |
| 8 | Dia niala aina Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahy antitra ela niainana; dia voangona any amin’ ny razany izy. | Then Abraham gave up the ghost, and died in a good old age, an old man, and full of years; and was gathered to his people. |
| 9 | Ary nalevin’ Isaka sy Isimaela zanany izy tao amin’ ny zohy ao Makpela, tao amin’ ny sahan’ i Efrona, zanak’ i Zohara Hetita, izay tandrifin’ i Mamre, | And his sons Isaac and Ishmael buried him in the cave of Machpelah, in the field of Ephron the son of Zohar the Hittite, which is before Mamre; |
| 10 | dia ilay saha izay novinidin’ i Abrahama tamin’ ny taranak’ i Heta; tao no nandevenana an’ i Abrahama sy Saraha vadiny. | The field which Abraham purchased of the sons of Heth: there was Abraham buried, and Sarah his wife. |
| 11 | Ary rehefa maty Abrahama, dia notahin’ Andriamanitra Isaka zanany; ary Isaka dia nonina teo akaikin’ i Bera-lahai-roy. | And it came to pass after the death of Abraham, that God blessed his son Isaac; and Isaac dwelt by the well Lahai–roi. |
| 12 | Ary izao no taranak’ Isimaela, zanakalahin’ i Abrahama izay naterak’ i Hagara, ilay Egyptiana, andevovavin’ i Saraha, tamin’ i Abrahama: | Now these are the generations of Ishmael, Abraham’s son, whom Hagar the Egyptian, Sarah’s handmaid, bare unto Abraham: |
| 13 | Izao no anaran’ ny zanakalahin’ Isimaela, araka ny anarany sy araka ny taranany: Nebaiota, lahimatoan’ Isimaela, sy Kedara sy Adbela sy Mibsama | And these are the names of the sons of Ishmael, by their names, according to their generations: the firstborn of Ishmael, Nebajoth; and Kedar, and Adbeel, and Mibsam, |
| 14 | sy Misma sy Doma sy Masa | And Mishma, and Dumah, and Massa, |
| 15 | sy Hadada sy Tema sy Jetora sy Nafisy ary Kedema. | Hadar, and Tema, Jetur, Naphish, and Kedemah: |
| 16 | Izy ireo no zanakalahin’ Isimaela, ary ireo no anarany, araka ny vohiny sy ny tobiny, dia andriana roa ambin’ ny folo araka ny fireneny. | These are the sons of Ishmael, and these are their names, by their towns, and by their castles; twelve princes according to their nations. |
| 17 | Ary ny andro niainan’ Isimaela dia fito amby telo-polo amby zato taona; ary niala aina izy ka maty, dia voangona any amin’ ny razany. | And these are the years of the life of Ishmael, an hundred and thirty and seven years: and he gave up the ghost and died; and was gathered unto his people. |
| 18 | Ary ny taranany nonina hatrany Havila ka hatrany Sora, izay tandrifin’ i Egypta amin’ ny lalana mankany Asyria; nifanandrify tamin’ ny rahalahiny rehetra no nitoerany. | And they dwelt from Havilah unto Shur, that is before Egypt, as thou goest toward Assyria: and he died in the presence of all his brethren. |
| 19 | Ary izao no taranak’ Isaka, zanakalahin’ i Abrahama: | And these are the generations of Isaac, Abraham’s son: Abraham begat Isaac: |
| 20 | Abrahama niteraka an’ Isaka; ary efa-polo taona Isaka, raha nampakatra an-dRebeka, zanakavavin’ i Betoela Syriana, avy tany Mesopotamia, sady anabavin’ i Labana Syriana. | And Isaac was forty years old when he took Rebekah to wife, the daughter of Bethuel the Syrian of Padan–aram, the sister to Laban the Syrian. |
| 21 | Ary Isaka nangataka tamin’ i Jehovah ho an’ ny vadiny, satria momba izy; ary nohenoin’ i Jehovah ny fangatahany, dia nanan’ anaka Rebeka vadiny. | And Isaac intreated the Lord for his wife, because she was barren: and the Lord was intreated of him, and Rebekah his wife conceived. |
| 22 | Ary nifanosika ny zaza kambana tao an-kibony; ary hoy Rebeka: Raha izao, nahoana re aho no dia mbola velona? Dia lasa nanontany tamin’ i Jehovah izy. | And the children struggled together within her; and she said, If it be so, why am I thus? And she went to enquire of the Lord. |
| 23 | Ary hoy Jehovah taminy: Firenena roa no ao an-kibonao; ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrao am-bohokanao; ary ny vahoaka iray toko hahery noho ny iray toko. Ka ny zokiny hanompo ny zandriny. | And the Lord said unto her, Two nations are in thy womb, and two manner of people shall be separated from thy bowels; and the one people shall be stronger than the other people; and the elder shall serve the younger. |
| 24 | Ary rehefa tonga ny andro hahaterahany, indreo, nisy zaza kambana tao an-kibony. | And when her days to be delivered were fulfilled, behold, there were twins in her womb. |
| 25 | Dia teraka ny voalohany ka mena, ary tahaka ny kapôty volom-biby ny tenany rehetra; dia nataony hoe Esao ny anarany. | And the first came out red, all over like an hairy garment; and they called his name Esau. |
| 26 | Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, ary ny tànany nihazona ny ombelahin-tongotr’ i Esao, dia nataony hoe Jakoba ny anarany; ary efa enim-polo taona Isaka tamin’ ny niterahana azy mirahalahy. | And after that came his brother out, and his hand took hold on Esau’s heel; and his name was called Jacob: and Isaac was threescore years old when she bare them. |
| 27 | Dia nitombo ireo zaza ireo; ary Esao lehilahy nahay nihaza, dia mpianefitra, fa Jakoba kosa lehilahy tsara fanahy sady mpitoetra an-day. | And the boys grew: and Esau was a cunning hunter, a man of the field; and Jacob was a plain man, dwelling in tents. |
| 28 | Ary Isaka tia an’ i Esao, satria nankafy ny hazany; fa Rebeka kosa tia an’ i Jakoba. | And Isaac loved Esau, because he did eat of his venison: but Rebekah loved Jacob. |
| 29 | Ary nahandro hanina Jakoba; ary sendra avy tany an-tsaha Esao ka reraka. | And Jacob sod pottage: and Esau came from the field, and he was faint: |
| 30 | Dia hoy Esao tamin’ i Jakoba: Mba anomezo ahy hohaniko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho (izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma). | And Esau said to Jacob, Feed me, I pray thee, with that same red pottage; for I am faint: therefore was his name called Edom. |
| 31 | Fa hoy Jakoba: Amidio amiko ary aloha ny fizokianao. | And Jacob said, Sell me this day thy birthright. |
| 32 | Dia hoy kosa Esao: Indro, ho faty ihany aho; ka mahasoa inona izay fizokiana? | And Esau said, Behold, I am at the point to die: and what profit shall this birthright do to me? |
| 33 | Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko aloha. Dia nianiana taminy izy; ka dia namidiny tamin’ i Jakoba ny fizokiany. | And Jacob said, Swear to me this day; and he sware unto him: and he sold his birthright unto Jacob. |
| 34 | Ary Jakoba nanome an’ i Esao mofo sy voanemba masaka; dia nihinana sy nisotro izy, ary niainga ka lasa nandeha. Izany no nanamavoan’ i Esao ny fizokiany. | Then Jacob gave Esau bread and pottage of lentiles; and he did eat and drink, and rose up, and went his way: thus Esau despised his birthright. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL