창세기 21장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 창세기 (Genesis) · 34절
- 1 Ary Jehovah namangy an’ i Saraha araka ilay efa nolazainy, ary dia nataon’ i Jehovah tamin’ i Saraha araka ilay efa noteneniny.
- 2 Dia nanan’ anaka Saraha ka niteraka zazalahy tamin’ i Abrahama, rehefa antitra izy, tamin’ ny fotoana izay efa nolazain’ Andriamanitra taminy.
- 3 Ary ny anaran’ ny zanany izay teraka, ilay naterak’ i Saraha taminy dia nataon’ i Abrahama hoe Isaka.
- 4 Dia noforan’ i Abrahama Isaka zanany, rehefa teraka havaloana izy, araka izay efa nandidian’ Andriamanitra azy.
- 5 Ary efa zato taona Abrahama, raha niteraka an’ i Isaka zanany izy.
- 6 Ary hoy Saraha: Efa nampihomehezin’ Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko.
- 7 Ary hoy koa izy: Nampoizin’ iza akory moa no hilaza amin’ i Abrahama fa hampinono zaza Saraha? kanjo efa niteraka zazalahy taminy aho, rehefa antitra izy.
- 8 Ary rehefa lehibe ny zaza, dia notazana; ary Abrahama nanao fanasana lehibe tamin’ ny andro nanotazana an’ Isaka.
- 9 Ary Saraha nahita fa nihomehy ny zanak’ i Hagara Egyptiana, izay efa naterany tamin’ i Abrahama.
- 10 Dia hoy izy tamin’ i Abrahama: Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak’ io andevovavy io tsy hiray lova amin’ ny zanako, dia amin’ Isaka.
- 11 Fa ratsy teo imason’ i Abrahama indrindra izany teny izany noho ny amin’ ny zanany.
- 12 Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Abrahama: Aoka tsy ho ratsy eo imasonao ny amin’ ny zaza sy ny andevovavinao; fa izay rehetra lazain’ i Saraha aminao, dia ekeo ny teniny, fa avy amin’ Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao.
- 13 Nefa ny zanaky ny andevovavy kosa dia hataoko ho firenena, satria terakao ihany izy.
- 14 Dia nifoha maraina koa Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano, ary nomeny an’ i Hagara ka napetrany teo an-tsorony ary natolony azy koa ny zaza, dia nampandehaniny izy mianaka; ary lasa nandeha izy ka nirenireny tany an-efitr’ i Beri-sheba.
- 15 Ary rehefa lany ny rano tao amin’ ny siny hoditra, dia nariany teo am-pototry ny hazo kely anankiray ny zaza.
- 16 Dia lasa izy ka nipetraka terỳ lavidavitra tandrifiny, tokony ho tra-tsipìka; fa hoy izy: Aza mba ho hitako anie izay hahafatesan’ ny zaza. Ary nipetraka tandrifiny izy, dia nanandratra ny feony nitomany.
- 17 Ary ren’ Andriamanitra ny feon’ ny zaza, dia niantso an’ i Hagara Ilay Anjelin’ Andriamanitra tany an-danitra ka nanao taminy hoe: Inona izato manjo anao, ry Hagara? Aza matahotra, fa efa ren’ Andriamanitra ny feon’ ny zaza eo amin’ ny itoerany.
- 18 Mitsangana, areno ny zaza, ka tantano; fa hataoko firenena lehibe izy.
- 19 Dia nampahiratin’ Andriamanitra ny mason’ i Hagara, ka nahita lavaka fantsakana izy; ary lasa izy, dia nameno rano ny siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza.
- 20 Ary nomban’ Andriamanitra ny zaza, dia nitombo izy; ary nonina tany an-efitra izy ka nony efa lehibe dia tonga mpandefa tsipìka.
- 21 Ary nonina tany an-efitra Parana izy ka nakan’ ny reniny vady avy tany amin’ ny tany Egypta izy.
- 22 Ary tamin’ izany andro izany Abimeleka sy Pikola, komandin’ ny miaramilany, dia niteny tamin’ i Abrahama ka nanao hoe: Omban’ Andriamanitra ianao amin’ izay rehetra ataonao;
- 23 koa ankehitriny ianiano amin’ Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako ianao; fa araka ny soa izay efa nataoko taminao no mba ataovy amiko sy amin’ ny tany izay ivahinianao.
- 24 Ary hoy Abrahama: Hianiana ihany aho.
- 25 Ary Abrahama nananatra an’ i Abimeleka noho ny lavaka fantsakana anankiray izay efa nalain’ ny mpanompon’ i Abimeleka an-keriny
- 26 Dia hoy Abimeleka: Tsy fantatro izay nanao izany; fa ianao tsy mbola nanambara tamiko, ary izaho koa tsy mba nahare, raha tsy vao izao.
- 27 Ary Abrahama naka ondry aman’ osy sy omby, ka nomeny an’ i Abimeleka; dia nanao fanekena izy roa lahy.
- 28 Ary Abrahama nanokana ondrivavikely fito navahana tamin’ ny ondry.
- 29 Ary hoy Abimeleka tamin’ i Abrahama: Hatao inona ireo ondrivavy kely fito natokanao ireo?
- 30 Ary hoy izy: Mba horaisinao avy amin’ ny tanako ireo ondrivavy kely fito ireo ho vavolombelona amiko fa izaho nihady io lavaka fantsakana io.
- 31 Izany no nanaovana io tany io hoe Beri-sheba; satria teo no nianianan’ izy roa lahy.
- 32 Dia nanao fanekena tany Beri-sheba izy; ary dia niainga Abimeleka sy Pikola, komandin’ ny miaramilany, ka niverina ho any amin’ ny tanin’ ny Filistina.
- 33 Dia namboly hazo tamariska tany Beri-sheba Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran’ i Jehovah, dia Andriamanitra Mandrakizay.
- 34 Ary Abrahama nivahiny elaela ihany tany amin’ ny tanin’ ny Filistina.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗