창세기 18장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 창세기 (Genesis) · 33절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary Jehovah niseho tamin’ i Abrahama teo an-kazo terebintan’ i Mamre; ary nipetraka teo am-baravaran’ ny lainy izy, raha nafana ny andro; | And the Lord appeared unto him in the plains of Mamre: and he sat in the tent door in the heat of the day; |
| 2 | dia nanopy ny masony izy ka niery, ary, indreo, nisy telo lahy nijanona teo tandrifiny, ka nony nahita ireo izy, dia niala teo am-baravaran’ ny lainy ka nihazakazaka hitsena azy, dia niankohoka tamin’ ny tany | And he lift up his eyes and looked, and, lo, three men stood by him: and when he saw them, he ran to meet them from the tent door, and bowed himself toward the ground, |
| 3 | ka nanao hoe: Tompo ô, raha mahita fitia eto imasonao aho, masìna ianao, aza dia mandalo ny mpanomponao. | And said, My Lord, if now I have found favour in thy sight, pass not away, I pray thee, from thy servant: |
| 4 | Aoka hangalana rano kely ianareo hanasana ny tongotrareo; ary aoka mba hiala sasatra kely eo am-pototry ny hazo ianareo; | Let a little water, I pray you, be fetched, and wash your feet, and rest yourselves under the tree: |
| 5 | dia haka mofo kely aho hataonareo ody am-bavafo; ary rehefa afaka izany, dia handeha ihany ianareo; fa tonga atỳ amin’ ny mpanomponareo ianareo. Ary hoy izy telo lahy: Ataovy ihany araka izay nolazainao. | And I will fetch a morsel of bread, and comfort ye your hearts; after that ye shall pass on: for therefore are ye come to your servant. And they said, So do, as thou hast said. |
| 6 | Dia nandeha faingana Abrahama nankany an-day tany amin’ i Saraha ka nanao hoe: Faingana, makà koba tsara toto intelon’ ny famarana; dia fetafetao ka ataovy mofo. | And Abraham hastened into the tent unto Sarah, and said, Make ready quickly three measures of fine meal, knead it, and make cakes upon the hearth. |
| 7 | Ary Abrahama kosa nihazakazaka nankany amin’ ny omby, dia naka zanak’ omby tanora sady tsara ka nanolotra azy tamin’ ny ankizilahy, dia lasa faingana izy hamboatra azy. | And Abraham ran unto the herd, and fetcht a calf tender and good, and gave it unto a young man; and he hasted to dress it. |
| 8 | Ary Abrahama naka ronono mandry sy ronono ary ilay zanak’ omby efa namboariny, dia narosony teo anoloan’ izy telo lahy; ary nijanona teo anilany teo ambanin’ ny hazo izy, dia nihinana izy telo lahy. | And he took butter, and milk, and the calf which he had dressed, and set it before them; and he stood by them under the tree, and they did eat. |
| 9 | Ary hoy izy telo lahy tamin’ i Abrahama: Aiza Saraha vadinao? Ary hoy kosa izy: Indro, ao an-day izy. | And they said unto him, Where is Sarah thy wife? And he said, Behold, in the tent. |
| 10 | Ary hoy Izy: Hiverina aminao tokoa Aho raha avy ny taona toy izao; ary, indro hanana zazalahy Saraha vadinao. Ary Saraha nandre izany teo am-baravaran’ ny lay, izay teo ivohon’ Ilay niteny. | And he said, I will certainly return unto thee according to the time of life; and, lo, Sarah thy wife shall have a son. And Sarah heard it in the tent door, which was behind him. |
| 11 | Ary Abrahama sy Saraha dia samy efa zoki-olona ka nandroso fahanterana, ary efa nitsahatra tamin’ ny fombam-behivavy Saraha. | Now Abraham and Sarah were old and well stricken in age; and it ceased to be with Sarah after the manner of women. |
| 12 | Ary Saraha dia nihomehy anakampo ka nanao hoe: Moa mbola hanana hafaliana ihany va aho rehefa tratrantitra toy izao, sady efa antitra koa itompokolahy? | Therefore Sarah laughed within herself, saying, After I am waxed old shall I have pleasure, my lord being old also? |
| 13 | Ary hoy Jehovah tamin’ i Abrahama: Nahoana no nihomehy Saraha ka nanao hoe: Hiteraka tokoa va aho, kanefa izao efa antitra izao? | And the Lord said unto Abraham, Wherefore did Sarah laugh, saying, Shall I of a surety bear a child, which am old? |
| 14 | Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’ i Jehovah va? Amin’ ny fotoan’ andro raha avy ny taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy. | Is any thing too hard for the Lord? At the time appointed I will return unto thee, according to the time of life, and Sarah shall have a son. |
| 15 | Dia nandà Saraha satria natahotra izy, ka nanao hoe: Tsy nihomehy aho tsy akory. Fa hoy Ilay niteny: Tsia; fa nihomehy mihitsy ianao. | Then Sarah denied, saying, I laughed not; for she was afraid. And he said, Nay; but thou didst laugh. |
| 16 | Dia nitsangana ireny lehilahy ireny ka niala teo, dia nitsinjo an’ i Sodoma; ary Abrahama niaraka taminy hanatitra azy. | And the men rose up from thence, and looked toward Sodom: and Abraham went with them to bring them on the way. |
| 17 | Ary Jehovah nanao hoe: Hafeniko amin’ i Abrahama va izay hataoko? | And the Lord said, Shall I hide from Abraham that thing which I do; |
| 18 | Fa Abrahama ho tonga firenena lehibe sy mahery tokoa, ary aminy no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany. | Seeing that Abraham shall surely become a great and mighty nation, and all the nations of the earth shall be blessed in him? |
| 19 | Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman’ ireo ny lalàn’ i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran’ i Jehovah amin’ i Abrahama izay efa nolazainy taminy. | For I know him, that he will command his children and his household after him, and they shall keep the way of the Lord, to do justice and judgment; that the Lord may bring upon Abraham that which he hath spoken of him. |
| 20 | Ary hoy Jehovah: Ny fitarainan’ i Sodoma sy Gomora dia lehibe tokoa, ary ny fahotany dia mavesatra indrindra; | And the Lord said, Because the cry of Sodom and Gomorrah is great, and because their sin is very grievous; |
| 21 | hidina Aho ka hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy araka ny fitarainan’ ny tany, izay efa tonga atỳ amiko, na tsia; ary raha tsy izany, dia ho fantatro. | I will go down now, and see whether they have done altogether according to the cry of it, which is come unto me; and if not, I will know. |
| 22 | Dia nihodina niala teo ireo lehilahy ireo ka nandroso ho any Sodoma; fa Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan’ i Jehovah. | And the men turned their faces from thence, and went toward Sodom: but Abraham stood yet before the Lord. |
| 23 | Dia nanatona Abrahama ka nanao hoe: Haringanao miaraka amin’ ny meloka va ny marina? | And Abraham drew near, and said, Wilt thou also destroy the righteous with the wicked? |
| 24 | Angamba misy olo-marina dimam-polo ao an-tanàna; haringanao koa va, ka tsy hamindranao fo ny tanàna noho ny dimam-polo marina izay ao? | Peradventure there be fifty righteous within the city: wilt thou also destroy and not spare the place for the fifty righteous that are therein? |
| 25 | Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin’ ny meloka, ka ny marina hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra? | That be far from thee to do after this manner, to slay the righteous with the wicked: and that the righteous should be as the wicked, that be far from thee: Shall not the Judge of all the earth do right? |
| 26 | Ary hoy Jehovah: Raha mahita dimam-polo marina ao an-tanàna Sodoma Aho, dia hamindrako fo ny tanàna rehetra noho ireny. | And the Lord said, If I find in Sodom fifty righteous within the city, then I will spare all the place for their sakes. |
| 27 | Dia namaly Abrahama ka nanao hoe: Indro, fa efa sahy niteny tamin’ ny Tompo aho nefa vovoka sy lavenona: | And Abraham answered and said, Behold now, I have taken upon me to speak unto the Lord, which am but dust and ashes: |
| 28 | Angamba ho latsaka dimy ny dimam-polo marina; moa haringanao va ny tanàna rehetra noho ny dimy? Ary hoy Izy: Tsy handringana Aho, raha mahita dimy amby efa-polo ao. | Peradventure there shall lack five of the fifty righteous: wilt thou destroy all the city for lack of five? And he said, If I find there forty and five, I will not destroy it. |
| 29 | Dia, mbola niteny taminy indray izy ka nanao hoe: Angamba efa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho noho ny efa-polo. | And he spake unto him yet again, and said, Peradventure there shall be forty found there. And he said, I will not do it for forty’s sake. |
| 30 | Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra ny Tompo, fa mbola hiteny aho: Angamba telo-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho, raha mahita telo-polo ao. | And he said unto him, Oh let not the Lord be angry, and I will speak: Peradventure there shall thirty be found there. And he said, I will not do it, if I find thirty there. |
| 31 | Ary hoy izy: Indro, fa efa sahy niteny tamin’ ny Tompo aho: Angamba roa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana azy Aho noho ny roa-polo. | And he said, Behold now, I have taken upon me to speak unto the Lord: Peradventure there shall be twenty found there. And he said, I will not destroy it for twenty’s sake. |
| 32 | Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra Hianao, Tompo, fa hiteny izao indray mandeha izao ihany aho: Angamba folo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana Aho noho ny folo. | And he said, Oh let not the Lord be angry, and I will speak yet but this once: Peradventure ten shall be found there. And he said, I will not destroy it for ten’s sake. |
| 33 | Dia lasa nandeha Jehovah, rehefa vita ny teny nataony tamin’ i Abrahama; ary Abrahama niverina ho any amin’ ny fonenany. | And the Lord went his way, as soon as he had left communing with Abraham: and Abraham returned unto his place. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL