창세기 16장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 창세기 (Genesis) · 16절
- 1 Ary Saray, vadin’ i Abrama, tsy mba niteraka; ary izy nanana mpanompovavy Egyptiana, Hagara no anarany.
- 2 Ary hoy Saray tamin’ i Abrama: Indro, efa tsy nanome zanaka ahy Jehovah; masìna ianao, mivadia amin’ ny mpanompovaviko; angamba hahazo zaza aminy aho. Dia neken’ i Abrama ny tenin’ i Saray.
- 3 Ary rehefa nonina folo taona teo amin’ ny tany Kanana Abrama, dia nalain’ i Saray, vadin’ i Abrama, Hagara Egyptiana mpanompovaviny, ka nomeny an’ i Abrama vadiny mba hovadiny.
- 4 Dia nivady tamin’ i Hagara izy, ka nanan’ anaka ravehivavy; ary rehefa hitany fa efa manan’ anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona ny tompovaviny.
- 5 Ary hoy Saray tamin’ i Abrama: Hanody anao anie ny fahoriako; fa efa nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko, ary nony hitany fa efa manan’ anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona aho; Jehovah anie hitsara ahy sy ianao.
- 6 Ary hoy Abrama tamin’ i Saray: Indro, eo an-tananao ihany ny mpanompovavinao; ataovy aminy izay sitraponao. Ary raha nampahorin’ i Saray Hagara, dia nandositra ny tavany izy.
- 7 Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah nahita azy teo anilan’ ny loharano anankiray tany an-efitra, dia teo anilan’ ilay loharano eo amin’ ny lalana mankany Sora.
- 8 Ary hoy Izy: Ry Hagara, andevovavin’ i Saray, avy taiza ianao? Ary hankaiza? Ary hoy izy; Mandositra ny tavan’ i Saray tompovaviko aho.
- 9 Ary hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah taminy: Miverena any amin’ ny tompovavinao ka miareta izay ataony aminao.
- 10 Ary hoy koa Ilay Anjelin’ i Jehovah taminy: Hataoko maro indrindra ny taranakao, ka tsy ho azo isaina izy noho ny hamaroany.
- 11 Ary hoy indray Ilay Anjelin’ i Jehovah taminy: Indro, manan’ anaka ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataonao hoe Isimaela, satria efa nihaino ny fahorianao Jehovah.
- 12 Ary izy ho lehilahy toy ny boriki-dia; ny tànany hamely ny olona rehetra, ary ny tanan’ ny olona rehetra kosa hamely azy; ary honina eo tandrifin’ ny rahalahiny rehetra izy.
- 13 Ary Hagara nanao ny anaran’ i Jehovah, Izay niteny taminy hoe: Hianao no Andriamanitra Izay mahita; fa hoy izy: Tsy teto va no mbola velona aho aorian’ ny fahitana?
- 14 Izany no nanaovana ny lavaka fantsakana hoe: Bera-lahai-roy; indro, eo anelanelan’ i Kadesy sy Bareda izany.
- 15 Ary Hagara dia niteraka zazalahy tamin’ i Abrama; ary ny anaran’ ny zanany izay naterany dia nataon’ i Abrama hoe Isimaela.
- 16 Ary efa enina amby valo-polo taona Abrama, raha Hagara niteraka an’ Isimaela taminy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗