로그인

창세기 14장 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 창세기 (Genesis) · 24절

  1. 1 Ary tamin’ ny andron’ i Amrafela, mpanjakan’ i Sinara, sy Arioka, mpanjakan’ i Elasara, sy Kedorlaomera mpanjakan’ i Elama, ary Tidala, mpanjakan’ ny Goïma,
  2. 2 dia nandeha izy ireo ka nanafika an’ i Bera, mpanjakan’ i Sodoma, sy Birsa, mpanjakan’ i Gomora, sy Sinaba, mpanjakan’ i Adma, sy Semebera, mpanjakan’ i Zeboïma, ary ny mpanjakan’ i Bela (dia Zoara izany).
  3. 3 Ary ireo rehetra ireo dia nanao fotoana ka nivory tao an-dohasahan’ i Sidima (dia ny Ranomasin-tsira izany).
  4. 4 Fa efa nanompo an’ i Kedorlaomera roa ambin’ ny folo taona ireo, fa tamin’ ny taona fahatelo ambin’ ny folo kosa dia niodina izy.
  5. 5 Ary tamin’ ny taona fahefatra ambin’ ny folo dia tonga Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy ka namely ny Refaïta tany Astarta-karnaima sy ny Zozima tany Hama ary ny Emima tany Save-kiriataima
  6. 6 ary ny Horita tany an-tendrombohitra Seïra hatrany El-parana, izay eo anilan’ ny efitra.
  7. 7 Dia niverina indray izy ireo ka nankany Ena-mispata (dia Kadesy izany) ka namely ny tany rehetra an’ ny Amalekita sy ny Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara.
  8. 8 Dia nivoaka ny mpanjakan’ i Sodoma sy ny mpanjakan’ i Gomora sy ny mpanjakan’ i Adma sy ny mpanjakan’ i Zeboïma ary ny mpanjakan’ i Bela (dia Zoara izany) ka nilahatra hiady amin’ ireo teo an-dohasahan’ i Sidima,
  9. 9 dia tamin’ Kedorlaomera, mpanjakan’ i Elama, sy Tidala, mpanjakan’ ny Goïma sy Amrafela, mpanjakan’ i Sinara ary Arioka, mpanjakan’ i Elasara; dia mpanjaka efatra no niady tamin’ ny mpanjaka dimy.
  10. 10 Ary ny lohasahan’ i Sidima, dia be lavak’ asfalta, ary nandositra ny mpanjakan’ i Sodoma sy ny mpanjakan’ i Gomora ka latsaka tao; ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra.
  11. 11 Ary izy ireo namabo ny fananana rehetra tao Sodoma sy Gomora ary ny hanina rehetra, dia lasa nandeha.
  12. 12 Ary namabo ny zana-drahalahin’ i Abrama koa izy, dia Lota, mbamin’ ny fananany, dia lasa nandeha; fa nonina tao Sodoma koa Lota.
  13. 13 Ary tonga ny anankiray izay efa nandositra ka nanambara tamin’ i Abrama Hebreo izay nonina teo an-kazo terebintan’ i Mamre Amorita, rahalahin’ i Eskola sy Anera; fa ireo dia olona efa vita fanekena tamin’ i Abrama.
  14. 14 Ary raha nahare Abrama fa lasan-ko babo ny rahalahiny dia nitondra ny ompikeliny valo ambin’ ny folo amby telon-jato izy, izay efa nahay niady, ka nanenjika hatrany Dana.
  15. 15 Dia nitokotoko hamely azy nony alina izy sy ny andevolahiny; dia namely azy izy ka nanenjika azy hatrany Hoba, izay ao avaratr’ i Damaskosy.
  16. 16 Ary nampody ny fananana rehetra izy, ary Lota rahalahiny sy ny fananany dia nampodiny koa mbamin’ ny vehivavy sy ny vahoaka.
  17. 17 Dia nivoaka ny mpanjakan’ i Sodoma hitsena an’ i Abrama teo an-dohasaha Save (Lohasahan’ ny mpanjaka izany), rehefa niverina izy avy nandresy an’ i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy.
  18. 18 Ary Melkizedeka, mpanjakan’ i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron’ Andriamanitra Avo Indrindra.
  19. 19 Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin’ Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany;
  20. 20 Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen’ i Abrama azy ny ampahafolon’ ny zavatra rehetra.
  21. 21 Ary hoy ny mpanjakan’ i Sodoma tamin’ i Abrama: Omeo ahy ny olona, fa ny fananana ento ihany ho anao.
  22. 22 Fa hoy Abrama tamin’ ny mpanjakan’ i Sodoma: Izaho efa nanangan-tanana tamin’ i Jehovah, Andriamanitra Avo Indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany,
  23. 23 fa tsy handray na taretra na fehin-kapa aza amin’ izay rehetra mety ho anao andrao hataonao hoe: Izaho no nampanan-karena an’ i Abrama,
  24. 24 afa-tsy izay efa nohanin’ ny zatovo sy ny anjaran’ ny olona izay niaraka tamiko, dia Anera sy Eskola ary Mamre; aoka horaisin’ ireo ny anjarany.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗