전도서 7장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 전도서 (Ecclesiastes) · 29절
- 1 Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra; ary ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana.
- 2 Tsara ny mankamin’ ny trano misy fisaonana noho ny mankamin’ ny trano misy fanasana; fa ho amin’ iny no hiafaran’ ny olombelona rehetra, ary ny velona handatsaka am-po izany.
- 3 Tsara ny alahelo noho ny hehy; fa na dia malahelo aza ny tarehy, mety tsara ihany ny fo.
- 4 Ny fon’ ny hendry dia ao amin’ ny trano misy fisaonana; fa ny fon’ ny adala kosa dia ao amin’ ny trano misy fifaliana.
- 5 Tsara ny mihaino ny anatra mafy ataon’ ny hendry noho ny mihaino ny hiran’ ny adala.
- 6 Toy ny firefodrefotry ny tsilo eo ambanin’ ny vilany, dia tahaka izany ny fihomehezan’ ny adala; zava-poana koa izany.
- 7 Fa ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry; ary ny kolikoly mahasimba ny fo.
- 8 Tsara ny iafaran’ ny raharaha noho ny iandohany; tsara ny mahari-po noho ny miavanavom-panahy.
- 9 Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ ny adala.
- 10 Aza manao hoe: Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny? fa tsy avy amin’ ny fahendrena no anontanianao izany.
- 11 Tsara tahaka ny lova ny fahendrena, sady zava-mahasoa ho an’ izay mahita masoandro izany.
- 12 Fa fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain’ ny manana azy ny fahendrena.
- 13 Saino ny asan’ Andriamanitra; fa iza moa no mahahitsy izay nataony ho meloka?
- 14 Amin’ ny andro mahafaly dia mifalia; ary amin’ ny andro mahory mieritrereta; fa nampitanandrifin’ Andriamanitra ireo, mba tsy hahitan’ ny olona akory izay ho avy any aoriany.
- 15 Izao rehetra izao dia efa hitako tamin’ ny androko mandalo foana: misy marina maty amin’ ny hamarinany; ary misy meloka ela velona amin’ ny haratsiany.
- 16 Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana noho simbanao ny tenanao?
- 17 Aza ratsy loatra ianao, ary aza adala; nahoana no ho faty ianao, raha tsy efa tonga ny andronao?
- 18 Tsara raha mitana iroa ianao, nefa aza mampiala ny tananao amin’ itsy; fa izay matahotra an’ Andriamanitra dia ho afaka amin’ izany rehetra izany.
- 19 Ny fahendrena no maharo ny hendry mihoatra noho ny mpanapaka folo ao an-tanàna.
- 20 Fa tsy misy olona marina ambonin’ ny tany izay manao tsara ka tsy manota.
- 21 Aza mihainohaino ny teny rehetra tenenina, fandrao handre ny mpanomponao manozona anao ianao;
- 22 fa fantatry ny fonao fa na dia ny tenanao aza dia mba efa nanozona ny sasany matetika ihany koa.
- 23 Izany rehetra izany dia notsapaiko tamin’ ny fahendrena. Hoy izaho: Ho hendry aho; kanjo lavitra ahy izany.
- 24 Eny, izay rehetra lavitra sady lalina dia lalina, iza no mahatakatra azy?
- 25 Nitodika aho, ka nampiasaiko ny foko hahalala sy handinika ary hitady fahendrena sy izay anton-javatra ary hahafantatra ny faharatsiana ho fahadalana, ary ny fahadalana ho fahaverezan-tsaina;
- 26 ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy, izay fandrika sy harato ny fony, sady famatorana ny tànany; nefa izay ankasitrahan’ Andriamanitra dia ho afa-mandositra azy, fa ny mpanota ihany no ho azony.
- 27 Indro, izany no hitako, hoy Mpitoriteny, raha nandinidinika ny zavatra tsirairay aho mba hahitana izay antony.
- 28 Izay notadiaviko koa, fa tsy hitako, dia izao: lehilahy iray no hitako ho marina tao amin’ ny arivo; fa tao amin’ ny vehivavy arivo dia tsy nisy hitako na dia iray akory aza.
- 29 Indro, izao ihany no hitako: nataon’ Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗