전도서 7장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 전도서 (Ecclesiastes) · 29절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra; ary ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana. | A good name is better than precious ointment; and the day of death than the day of one’s birth. |
| 2 | Tsara ny mankamin’ ny trano misy fisaonana noho ny mankamin’ ny trano misy fanasana; fa ho amin’ iny no hiafaran’ ny olombelona rehetra, ary ny velona handatsaka am-po izany. | It is better to go to the house of mourning, than to go to the house of feasting: for that is the end of all men; and the living will lay it to his heart. |
| 3 | Tsara ny alahelo noho ny hehy; fa na dia malahelo aza ny tarehy, mety tsara ihany ny fo. | Sorrow is better than laughter: for by the sadness of the countenance the heart is made better. |
| 4 | Ny fon’ ny hendry dia ao amin’ ny trano misy fisaonana; fa ny fon’ ny adala kosa dia ao amin’ ny trano misy fifaliana. | The heart of the wise is in the house of mourning; but the heart of fools is in the house of mirth. |
| 5 | Tsara ny mihaino ny anatra mafy ataon’ ny hendry noho ny mihaino ny hiran’ ny adala. | It is better to hear the rebuke of the wise, than for a man to hear the song of fools. |
| 6 | Toy ny firefodrefotry ny tsilo eo ambanin’ ny vilany, dia tahaka izany ny fihomehezan’ ny adala; zava-poana koa izany. | For as the crackling of thorns under a pot, so is the laughter of the fool: this also is vanity. |
| 7 | Fa ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry; ary ny kolikoly mahasimba ny fo. | Surely oppression maketh a wise man mad; and a gift destroyeth the heart. |
| 8 | Tsara ny iafaran’ ny raharaha noho ny iandohany; tsara ny mahari-po noho ny miavanavom-panahy. | Better is the end of a thing than the beginning thereof: and the patient in spirit is better than the proud in spirit. |
| 9 | Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ ny adala. | Be not hasty in thy spirit to be angry: for anger resteth in the bosom of fools. |
| 10 | Aza manao hoe: Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny? fa tsy avy amin’ ny fahendrena no anontanianao izany. | Say not thou, What is the cause that the former days were better than these? for thou dost not enquire wisely concerning this. |
| 11 | Tsara tahaka ny lova ny fahendrena, sady zava-mahasoa ho an’ izay mahita masoandro izany. | Wisdom is good with an inheritance: and by it there is profit to them that see the sun. |
| 12 | Fa fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain’ ny manana azy ny fahendrena. | For wisdom is a defence, and money is a defence: but the excellency of knowledge is, that wisdom giveth life to them that have it. |
| 13 | Saino ny asan’ Andriamanitra; fa iza moa no mahahitsy izay nataony ho meloka? | Consider the work of God: for who can make that straight, which he hath made crooked? |
| 14 | Amin’ ny andro mahafaly dia mifalia; ary amin’ ny andro mahory mieritrereta; fa nampitanandrifin’ Andriamanitra ireo, mba tsy hahitan’ ny olona akory izay ho avy any aoriany. | In the day of prosperity be joyful, but in the day of adversity consider: God also hath set the one over against the other, to the end that man should find nothing after him. |
| 15 | Izao rehetra izao dia efa hitako tamin’ ny androko mandalo foana: misy marina maty amin’ ny hamarinany; ary misy meloka ela velona amin’ ny haratsiany. | All things have I seen in the days of my vanity: there is a just man that perisheth in his righteousness, and there is a wicked man that prolongeth his life in his wickedness. |
| 16 | Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana noho simbanao ny tenanao? | Be not righteous over much; neither make thyself over wise: why shouldest thou destroy thyself? |
| 17 | Aza ratsy loatra ianao, ary aza adala; nahoana no ho faty ianao, raha tsy efa tonga ny andronao? | Be not over much wicked, neither be thou foolish: why shouldest thou die before thy time? |
| 18 | Tsara raha mitana iroa ianao, nefa aza mampiala ny tananao amin’ itsy; fa izay matahotra an’ Andriamanitra dia ho afaka amin’ izany rehetra izany. | It is good that thou shouldest take hold of this; yea, also from this withdraw not thine hand: for he that feareth God shall come forth of them all. |
| 19 | Ny fahendrena no maharo ny hendry mihoatra noho ny mpanapaka folo ao an-tanàna. | Wisdom strengtheneth the wise more than ten mighty men which are in the city. |
| 20 | Fa tsy misy olona marina ambonin’ ny tany izay manao tsara ka tsy manota. | For there is not a just man upon earth, that doeth good, and sinneth not. |
| 21 | Aza mihainohaino ny teny rehetra tenenina, fandrao handre ny mpanomponao manozona anao ianao; | Also take no heed unto all words that are spoken; lest thou hear thy servant curse thee: |
| 22 | fa fantatry ny fonao fa na dia ny tenanao aza dia mba efa nanozona ny sasany matetika ihany koa. | For oftentimes also thine own heart knoweth that thou thyself likewise hast cursed others. |
| 23 | Izany rehetra izany dia notsapaiko tamin’ ny fahendrena. Hoy izaho: Ho hendry aho; kanjo lavitra ahy izany. | All this have I proved by wisdom: I said, I will be wise; but it was far from me. |
| 24 | Eny, izay rehetra lavitra sady lalina dia lalina, iza no mahatakatra azy? | That which is far off, and exceeding deep, who can find it out? |
| 25 | Nitodika aho, ka nampiasaiko ny foko hahalala sy handinika ary hitady fahendrena sy izay anton-javatra ary hahafantatra ny faharatsiana ho fahadalana, ary ny fahadalana ho fahaverezan-tsaina; | I applied mine heart to know, and to search, and to seek out wisdom, and the reason of things, and to know the wickedness of folly, even of foolishness and madness: |
| 26 | ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy, izay fandrika sy harato ny fony, sady famatorana ny tànany; nefa izay ankasitrahan’ Andriamanitra dia ho afa-mandositra azy, fa ny mpanota ihany no ho azony. | And I find more bitter than death the woman, whose heart is snares and nets, and her hands as bands: whoso pleaseth God shall escape from her; but the sinner shall be taken by her. |
| 27 | Indro, izany no hitako, hoy Mpitoriteny, raha nandinidinika ny zavatra tsirairay aho mba hahitana izay antony. | Behold, this have I found, saith the preacher, counting one by one, to find out the account: |
| 28 | Izay notadiaviko koa, fa tsy hitako, dia izao: lehilahy iray no hitako ho marina tao amin’ ny arivo; fa tao amin’ ny vehivavy arivo dia tsy nisy hitako na dia iray akory aza. | Which yet my soul seeketh, but I find not: one man among a thousand have I found; but a woman among all those have I not found. |
| 29 | Indro, izao ihany no hitako: nataon’ Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy. | Lo, this only have I found, that God hath made man upright; but they have sought out many inventions. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL