이사야 54장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 이사야 (Isaiah) · 17절
- 1 Mihobia, ry momba, ianao izay tsy niteraka, eny, velomy ny hoby, ka manandrata feo, ianao izay tsy mba nihetsi-jaza; fa ny zanaky ny mpitondra tena dia maro noho ny zanaky ny manambady, hoy Jehovah.
- 2 Halalaho ny itoeran’ ny lainao, ary aoka hohenjanina ny ambain-dainao, ka aza avela hisy hiketrona; halavao ny kofehinao, ary aoreno mafy ny tsima-dainao;
- 3 Fa hitatra any amin’ ny ankavanana sy any amin’ ny ankavia ianao, ary ny taranakao hahazo ny jentilisa, ka dia hasiany mponina ny tanàna lao.
- 4 Aza matahotra, fa tsy ho menatra ianao; ary aza mangaihay, fa tsy havela ho afa-baraka ianao; fa ho hadinonao ny henatry ny fahatanoranao, ary tsy ho tsaroanao intsony ny tondromasonao fony mpitondratena.
- 5 Fa ny Mpanao anao no Vadinao, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany; Ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no Mpanavotra anao, Andriamanitry ny tany rehetra no anarany.
- 6 Fa Jehovah efa nampody anao, izay tahaka ny vady efa nafoy ka ory am-panahy, ary tahaka ny vady efa novadina hatry ny fony mbola tanora, fa efa napetraka, hoy Andriamanitrao.
- 7 Indray mipi-maso monja no nahafoizako anao; fa amin’ ny indrafo lehibe kosa no ampodiako anao.
- 8 Tamin’ ny firehetan’ ny fahatezerako no nanafenako ny tavako taminao indray mipi-maso monja, fa amin’ ny famindram-po mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy Jehovah, Mpanavotra anao.
- 9 Fa amiko izany dia tahaka ilay ranon’ i Noa, ka toy ny nianianako fa tsy hanafotra ny tany intsony ilay ranon’ i Noa. Dia toy izany no ianianako fa tsy ho tezitra aminao na hiteny mafy anao intsony Aho.
- 10 Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindram-peko, ary tsy hitsoaka ny faneken’ ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao.
- 11 Hianao, ry ory izay afotofoton’ ny tafiodrivotra sady tsy manana fampiononana, indro, Izaho handatsaka ny vatonao amin’ ny antimony sy hanorina ny fanambaninao amin’ ny safira,
- 12 Hataoko robina ny tilikambo madinikao, sy karbonkolo ny vavahadinao, ary vato soa ny faritaninao manodidina.
- 13 Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’ i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ ny zanakao.
- 14 Amin’ ny fahamarinana no hampiorenana anao; aza manahy ny fampahoriana, fa tsy hatahotra ianao, na ny fampahatahorana, fa tsy hanakaiky anao izany.
- 15 Na dia misy miara-mioko aza, dia tsy avy amiko izany; ary na iza na iza miara-mioko hamely anao dia ho tonga hiandany aminao kosa.
- 16 Indro, Izaho no nahary ny mpanefy izay mifofotra ny afo amin’ ny arina ka mahavita fiasana hanaovany ny asany; Ary Izaho koa no nahary ny mpandringana mba handringana.
- 17 Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ ny mpanompon’ i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗