이사야 53장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 이사야 (Isaiah) · 12절
- 1 Iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin’ i Jehovah?
- 2 Fa naniry teo anatrehany tahaka ny zana-kazo madinika Izy sy tahaka ny solofon-kazo amin’ ny tany karankaina; tsy nanana endrika na fahatsaran-tarehy Izy; Ary raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy.
- 3 Natao tsinontsinona sy nolavin’ ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, Ary tahaka izay tsy tian’ ny olon-kojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika.
- 4 Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian’ Andriamanitra ary nampahorina.
- 5 Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika.
- 6 Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon’ i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.
- 7 Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak’ ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan’ ny mpanety azy, eny, tsy niloa-bava Izy.
- 8 Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy; ary iza tamin’ ny niara-belona taminy no nihevitra fa nofongorana niala tamin’ ny tanin’ ny velona Izy, ka ny fahadisoan’ ny oloko no nikapohana Azy?
- 9 Ary nokasaina hatao tao amin’ ny olo-meloka ny fasany (Nefa teo amin’ ny mpanankarena Izy, rehefa novonoina), na dia tsy nanao ratsy aza Izy, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany.
- 10 Nefa sitrak’ i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary ny sitrapon’ i Jehovah dia hambinina eo an-tànany.
- 11 Noho ny fisasaran’ ny fanahiny dia hahita izany Izy ka ho afa-po; Ny fahalalana Azy no hanamarinan’ ny Mpanompoko marina ny olona maro, ary Izy no hivesatra ny helok’ ireo.
- 12 Koa dia hanome Azy anjara amin’ ny lehibe Aho, ary hizara babo amin’ ny mahery Izy; Satria naidiny ho amin’ ny fahafatesana ny ainy, Ary natao ho isan’ ny mpanota Izy; Eny, Izy no nitondra ny fahotan’ ny maro sady manao fifonana ho an’ ny mpanota.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗