이사야 12장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 이사야 (Isaiah) · 6절
- 1 Ary hiteny ianao amin’ izany andro izany hoe: Hidera Anao aho, Jehovah ô; Fa na dia tezitra tamiko aza Hianao, dia afaka ny fahatezeranao, ka mampionona ahy Hianao.
- 2 Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; dia hatoky aho, fa tsy mba hatahotra; Fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy.
- 3 Koa amin’ ny fifaliana no hantsakanareo rano amin’ ny loharanom-pamonjena.
- 4 Ary hiteny ianao amin’ izany andro izany ka hanao hoe: Miderà an’ i Jehovah, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin’ ny firenena ny asany. Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany.
- 5 Mankalazà an’ i Jehovah, fa asa lehibe no nataony; Ary aoka ho fantatra any amin’ ny tany rehetra izany.
- 6 Miantsoa mafy sy mihobia, ry mponina any Ziona; Fa lehibe ao afovoanao ny Iray Masin’ ny Isiraely.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗