이사야 12장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 이사야 (Isaiah) · 6절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary hiteny ianao amin’ izany andro izany hoe: Hidera Anao aho, Jehovah ô; Fa na dia tezitra tamiko aza Hianao, dia afaka ny fahatezeranao, ka mampionona ahy Hianao. | And in that day thou shalt say, O Lord, I will praise thee: though thou wast angry with me, thine anger is turned away, and thou comfortedst me. |
| 2 | Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; dia hatoky aho, fa tsy mba hatahotra; Fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy. | Behold, God is my salvation; I will trust, and not be afraid: for the Lord Jehovah is my strength and my song; he also is become my salvation. |
| 3 | Koa amin’ ny fifaliana no hantsakanareo rano amin’ ny loharanom-pamonjena. | Therefore with joy shall ye draw water out of the wells of salvation. |
| 4 | Ary hiteny ianao amin’ izany andro izany ka hanao hoe: Miderà an’ i Jehovah, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin’ ny firenena ny asany. Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany. | And in that day shall ye say, Praise the Lord, call upon his name, declare his doings among the people, make mention that his name is exalted. |
| 5 | Mankalazà an’ i Jehovah, fa asa lehibe no nataony; Ary aoka ho fantatra any amin’ ny tany rehetra izany. | Sing unto the Lord; for he hath done excellent things: this is known in all the earth. |
| 6 | Miantsoa mafy sy mihobia, ry mponina any Ziona; Fa lehibe ao afovoanao ny Iray Masin’ ny Isiraely. | Cry out and shout, thou inhabitant of Zion: for great is the Holy One of Israel in the midst of thee. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL