욥기 6장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 30절
- 1 Dia namaly Joba ka nanao hoe:
- 2 Enga anie ka holanjaina tokoa ny fahasosorako, ka hampifandaniaina amin’ ny mizana izy sy ny fahoriako!
- 3 Fa ankehitriny mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina ny fahoriako, koa dia nirediredy aho.
- 4 Fa ny zana-tsipiky ny Tsitoha mitsatoka amiko, ka mifoka ny poizina avy aminy ny fanahiko; Ary ny fampitahorana Andriamanitra milahatra hamely ahy.
- 5 Maneno va ny boriki-dia, raha eo amin’ ny vilona? Na mimàmà va ny omby, raha eo amin’ ny fihinany?
- 6 Azo hanina va ny matsatso, raha tsy asian-tsira? Na mba misy tsirony va ny tafotsin’ atody?
- 7 Ny zavatra izay nolaviko tsy hotendrena, dia ireny no tsy maintsy haniko, na dia maharikoriko ahy aza.
- 8 Enga anie ka ho azoko izay angatahiko, ary homen’ Andriamanitra ahy anie izay iriko!
- 9 Ka ho sitrak’ Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy! Eny, halefany anie ny tànany ka hahamaito ny aiko,
- 10 Dia hahita fiononana amin’ izany aho ka hiravoravo na dia amin’ ny fangirifiriana tsy mifaditrovana aza, satria tsy nandà ny tenin’ ny Iray Masìna aho.
- 11 Inona moa ny heriko, no hanantena aho? Ary hanao ahoana moa ny farako, no hanindry fo aho?
- 12 Herim-bato va ny heriko? Na varahina va ny nofoko?
- 13 Tsy efa foana va ny hery ho entiko mamonjy tena, ary tsy efa nakifika hiala amiko va ny faharetana?
- 14 Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran’ ny sakaizany. Fandrao mahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy.
- 15 Ny rahalahiko mampihambo manana ahy tahaka ny ranotrambo, dia tahaka ny mason-drano any an-dohasahan-driaka, izay malaky ritra,
- 16 Izay mainty azon’ ny ranomandry Sady iafenan’ ny oram-panala;
- 17 Fa raha taninin’ ny hainandro izy, dia levona; raha maina ny andro, dia ritra eo amin’ ny fitoerany izy;
- 18 Mivilivily no fandehany tankina izy ka levona.
- 19 Ny antokon’ i Tema mitazana, ny andian’ i Sheba manantena azy;
- 20 Very hevitra ireo, satria samy nanampo; tonga teo izy, kanjo nangaihay.
- 21 Fa ankehitriny efa tsinontsinona ianareo; Nahita ny fahoriana ianareo ka raiki-tahotra.
- 22 Moa aho va efa nanao hoe: Omeo aho, ka mahafoiza zavatra ho ahy amin’ ny fanananareo,
- 23 Ary vonjeo amin’ ny tanan’ ny fahavalo aho, ka afaho amin’ ny tanan’ ny mpitohatoha?
- 24 Mampianara ahy, dia hangina aho; Ary ampahafantaro izay nahadisoako aho.
- 25 Endrey ny herin’ ny teny marina! Fa mba mahavoa inona kosa moa ny anatra ataonareo?
- 26 Ny amin’ ny teniko ihany va no ananaranareo ahy? Fa ho amin’ ny rivotra ny tenin’ ny olona mamoy fo.
- 27 Eny, fa na dia ny kamboty aza dia ataonareo loka, ary ny sakaizanareo dia ataonareo varotra.
- 28 Fa ankehitriny, masìna ianareo, mba atreho kely aho, dia ho hitanareo fa tsy handainga tsy akory aho.
- 29 Masìna ianareo, diniho indray aho, ary aoka tsy hisy fitsarana tsy marina; eny, diniho indray aho, fa mbola ao ihany ny fahamarinako.
- 30 Moa misy heloka va eo amin’ ny lelako?
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗