욥기 36장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 욥기 (Job) · 33절
- 1 Ary mbola nandroso niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
- 2 Mahareta kely amiko, dia hambarako aminao, fa mbola misy teny holazaina hanamarina an’ Andriamanitra.
- 3 Halaiko avy lavitra ny fahalalako, ka hanamarina ny Mpanao ahy aho.
- 4 Fa tsy lainga tsy akory ny teniko; Lehilahy tanteraka amin’ ny fahalalana no eto aminao.
- 5 Indro, lehibe Andriamanitra, kanefa tsy mba mamingavinga, lehibe amin’ ny herin’ ny fahalalana Izy.
- 6 Tsy mitsimbina ny ain’ ny ratsy fanahy Izy, fa manome rariny ho an’ ny ory.
- 7 Tsy mampiala ny masony amin’ ny marina Izy; Eo amin’ ny mpanjaka ambonin’ ny seza fiandrianany no am-pitoerany azy ho mandrakizay, ka dia tafasandratra.
- 8 Ary raha voafatotra amin’ ny gadra izy sy voafehy amin’ ny tadin’ ny fahoriana.
- 9 Dia ambarany azy ny asany sy ny fahotany, fa efa nanandra-tena izy ireny.
- 10 Dia manokatra ny sofiny hihaino fananarana Izy ka mandidy azy hibebaka hiala amin’ ny ratsy.
- 11 Raha mihaino ka manaiky Azy Izy, dia lany amin’ ny fiadanana ny androny, ary ny taonany amin’ ny fahafinaretana
- 12 Fa raha tsy mihaino kosa izy, dia ho voan’ ny fiadiana ka ho faty tsy amim-pahalalana.
- 13 Fa ny mpihatsaravelatsihy dia mirakitra fahatezerana; Tsy mitaraina izy, na dia afatony aza;
- 14 Ka dia maty raha mbola tanora izy, eny, afaka ny ainy eo amin’ ny olom-betaveta,
- 15 Fa ny fahorian’ ny ory kosa no entin’ Andriamanitra mamonjy azy, Ary ny manjo azy no entiny manokatra ny sofiny.
- 16 Ary na dia ianao aza dia ampialainy amin’ ny fahaterena ho amin’ ny malalaka izay tsy misy mahatery; Ary ny matavy indrindra no aroso ho eo ambonin’ ny latabatrao.
- 17 Nefa raha fatra-pikikitra amin’ ny adin’ ny ratsy fanahy ianao, dia hihazona anao ny ady sy ny fanamelohana;
- 18 Aoka tsy hamporisika anao hiteny ratsy ny fahatezerana, ary aoka tsy hampivily hevitra anao ny halehiben’ ny avotra.
- 19 Moa hahatonga anao ho ao amin’ izay tsy misy fahoriana va ny fitarainanao na izay rehetra tratry ny fahatanjahana?
- 20 Aza irinao ny hihavian’ ny alina, izay ampialana ny olona amin’ ny fitoerany.
- 21 Tandremo, aza mivily ho amin’ ny ratsy; Fa saingy ozoim-pahoriana ianao, dia mifidy izany.
- 22 Indro, Andriamanitra miasa amin’ ny heriny mampiseho ny fisandratany; Iza no mba mpampianatra tahaka Azy?
- 23 Iza no efa nandidy Azy ny amin’ izay lalan-kalehany? Ary iza no efa nilaza taminy hoe: Efa nanao ratsy Hianao?
- 24 Tsarovy ny hankalaza ny asany, Izay efa nataon’ ny olona an-kira.
- 25 Fa faly mahita izany ny olona rehetra; Ary jeren’ ny zanak’ olombelona eny lavitra eny izany.
- 26 Indro, lehibe Andriamanitra, ka tsy takatry ny saintsika Izy; Ary tsy hita isa ny taonany.
- 27 Fa mampisavoana ny rano Izy, dia milatsaka ho ranonorana aman-javona izany,
- 28 Izay aidin’ ny rahona ka alatsany amin’ ny olona maro be.
- 29 Ary koa, iza moa no mahalala ny amin’ ny fivelatry ny rahona sy ny fikotrokotroka ao an-dainy?
- 30 Indro, mamelatra ny fahazavany eo amboniny Izy ary manao ny fanambanin’ ny ranomasina ho firakofany.
- 31 Fa ireny zavatra ireny no itsarany ny firenena sady anomezany hanina betsaka.
- 32 Mifono fahazavana ny tànany, ary baikoiny iny mba hahavoa ny fahavalony;
- 33 Ny fikotrokotrony dia manambara Azy, ary ny omby aman’ ondry koa aza milaza ny hihaviany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗