요한일서 4장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 요한일서 (1 John) · 21절
- 1 Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin’ Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’ izao tontolo izao.
- 2 Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’ Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ ny nofo Jesosy Kristy no avy amin’ Andriamanitra;
- 3 ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’ i Jesosy dia tsy mba avy amin’ Andriamanitra; ary izany no fanahin’ ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin’ izao tontolo izao sahady izy.
- 4 Anaka, ianareo dia avy amin’ Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’ izao tontolo izao.
- 5 Isan’ izao tontolo izao ireny, ka dia miteny araka ny an’ izao tontolo izao izy, ary mihaino azy izao tontolo izao.
- 6 Avy amin’ Andriamanitra izahay; izay mahalala an’ Andriamanitra no mihaino anay; Izay tsy avy amin’ Andriamanitra tsy mba mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny fanahin’ ny fahamarinana sy ny fanahin’ ny fampiviliana.
- 7 Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin’ Andriamanitra ny fitiavana, ary Izay rehetra tia no naterak’ Andriamanitra sady mahalala an’ Andriamanitra.
- 8 Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’ Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana.
- 9 Izao no nanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin’ izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ ny alalany.
- 10 Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’ Andriamanitra fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra’ noho ny fahotantsika.
- 11 Ry malala, raha izany no nitiavan’ Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.
- 12 Tsy mbola nisy olona nahita an’ Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany.
- 13 Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny.
- 14 Ary izahay efa nahita ka manambara fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao.
- 15 Na iza na iza manaiky fa Zanak’ Andriamanitra Jesosy, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin’ Andriamanitra.
- 16 Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan’ Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin’ ny fitiavana no mitoetra ao amin’ Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.
- 17 Izany no ahatanterahana ny fitiavana amintsika, mba hananantsika fahasahiana amin’ ny andro fitsarana; fa tahaka Azy isika eo amin’ izao tontolo izao.
- 18 Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin’ ny fitiavana.
- 19 Isika tia, satria Izy efa dia antsika taloha.
- 20 Raha misy manao hoe: Tia an’ Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’ Andriamanitra Izay tsy hitany?
- 21 Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an’ Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗