요한일서 4장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 요한일서 (1 John) · 21절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin’ Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’ izao tontolo izao. | Beloved, believe not every spirit, but try the spirits whether they are of God: because many false prophets are gone out into the world. |
| 2 | Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’ Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ ny nofo Jesosy Kristy no avy amin’ Andriamanitra; | Hereby know ye the Spirit of God: Every spirit that confesseth that Jesus Christ is come in the flesh is of God: |
| 3 | ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’ i Jesosy dia tsy mba avy amin’ Andriamanitra; ary izany no fanahin’ ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin’ izao tontolo izao sahady izy. | And every spirit that confesseth not that Jesus Christ is come in the flesh is not of God: and this is that spirit of antichrist, whereof ye have heard that it should come; and even now already is it in the world. |
| 4 | Anaka, ianareo dia avy amin’ Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’ izao tontolo izao. | Ye are of God, little children, and have overcome them: because greater is he that is in you, than he that is in the world. |
| 5 | Isan’ izao tontolo izao ireny, ka dia miteny araka ny an’ izao tontolo izao izy, ary mihaino azy izao tontolo izao. | They are of the world: therefore speak they of the world, and the world heareth them. |
| 6 | Avy amin’ Andriamanitra izahay; izay mahalala an’ Andriamanitra no mihaino anay; Izay tsy avy amin’ Andriamanitra tsy mba mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny fanahin’ ny fahamarinana sy ny fanahin’ ny fampiviliana. | We are of God: he that knoweth God heareth us; he that is not of God heareth not us. Hereby know we the spirit of truth, and the spirit of error. |
| 7 | Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin’ Andriamanitra ny fitiavana, ary Izay rehetra tia no naterak’ Andriamanitra sady mahalala an’ Andriamanitra. | Beloved, let us love one another: for love is of God; and every one that loveth is born of God, and knoweth God. |
| 8 | Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’ Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana. | He that loveth not knoweth not God; for God is love. |
| 9 | Izao no nanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin’ izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ ny alalany. | In this was manifested the love of God toward us, because that God sent his only begotten Son into the world, that we might live through him. |
| 10 | Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’ Andriamanitra fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra’ noho ny fahotantsika. | Herein is love, not that we loved God, but that he loved us, and sent his Son to be the propitiation for our sins. |
| 11 | Ry malala, raha izany no nitiavan’ Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika. | Beloved, if God so loved us, we ought also to love one another. |
| 12 | Tsy mbola nisy olona nahita an’ Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany. | No man hath seen God at any time. If we love one another, God dwelleth in us, and his love is perfected in us. |
| 13 | Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny. | Hereby know we that we dwell in him, and he in us, because he hath given us of his Spirit. |
| 14 | Ary izahay efa nahita ka manambara fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao. | And we have seen and do testify that the Father sent the Son to be the Saviour of the world. |
| 15 | Na iza na iza manaiky fa Zanak’ Andriamanitra Jesosy, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin’ Andriamanitra. | Whosoever shall confess that Jesus is the Son of God, God dwelleth in him, and he in God. |
| 16 | Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan’ Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin’ ny fitiavana no mitoetra ao amin’ Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy. | And we have known and believed the love that God hath to us. God is love; and he that dwelleth in love dwelleth in God, and God in him. |
| 17 | Izany no ahatanterahana ny fitiavana amintsika, mba hananantsika fahasahiana amin’ ny andro fitsarana; fa tahaka Azy isika eo amin’ izao tontolo izao. | Herein is our love made perfect, that we may have boldness in the day of judgment: because as he is, so are we in this world. |
| 18 | Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin’ ny fitiavana. | There is no fear in love; but perfect love casteth out fear: because fear hath torment. He that feareth is not made perfect in love. |
| 19 | Isika tia, satria Izy efa dia antsika taloha. | We love him, because he first loved us. |
| 20 | Raha misy manao hoe: Tia an’ Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’ Andriamanitra Izay tsy hitany? | If a man say, I love God, and hateth his brother, he is a liar: for he that loveth not his brother whom he hath seen, how can he love God whom he hath not seen? |
| 21 | Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an’ Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa. | And this commandment have we from him, That he who loveth God love his brother also. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL