요한이서 1장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 요한이서 (2 John) · 13절
- 1 Izaho loholona mamangy an’ itompokovavy voafidy sy ny zanany, izay tiako amin’ ny fahamarinana (ary tsy izaho ihany, fa izay rehetra mahalala ny marina koa)
- 2 noho ny fahamarinana izay mitoetra ato anatintsika sady ho ato amintsika mandrakizay:
- 3 ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, Zanaky ny Ray, amin’ ny fahamarinana sy ny fitiavana.
- 4 Faly indrindra aho, satria misy hitako ny zanakao sasany mandeha amin’ ny fahamarinana araka ny nandraisantsika didy tamin’ ny Ray.
- 5 Ary mangataka aminao aho ankehitriny, tompokovavy, tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ilay nananantsika hatramin’ ny voalohany ihany, dia aoka hifankatia isika.
- 6 Ary izao no fitiavana, dia ny handehanantsika araka ny didiny. Izany no didy, tahaka ny efa renareo hatramin’ ny taloha ihany, dia ny handehananareo aminy.
- 7 Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin’ izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin’ ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy.
- 8 Mitandrema ianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka.
- 9 Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin’ ny fampianaran’ i Kristy, dia tsy manana an Andriamanitra. Izay mitoetra ao amin’ ny fampianarana, dia izy no manana ny Ray sy ny Zanaka.
- 10 Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory;
- 11 fa izay miarahaba azy dia miombona amin’ ny ratsy ataony.
- 12 Manana zavatra maro hosoratana aminareo aho, nefa tsy tiako hatao amin’ ny taratasy sy ny ranomainty izany; fa manantena ho tonga atỳ aminareo aho ka hiteny mifanatrika, mba ho tanteraka ny fifalianareo.
- 13 Ny zanaky ny rahavavinao voafidy manao veloma anao.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗