요한복음 4장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 요한복음 (John) · 54절
- 1 Koa amin’ izany, rehefa fantatry ny Tompo fa ny Fariseo efa nahare fa Jesosy mahazo mpianatra maro sy manao batisa be noho Jaona
- 2 (kanefa tsy Jesosy no nanao batisa, fa ny mpianany),
- 3 dia niala tany Jodia Izy ka nankany Galilia indray.
- 4 Ary tsy maintsy mamaky an’ i Samaria Izy.
- 5 Dia tonga tao an-tanàna anankiray any Samaria Izy, izay atao hoe Sykara, akaikin’ ny tany izay nomen’ i Jakoba ho an’ i Josefa zanany.
- 6 Ary teo ilay fantsakan’ i Jakoba. Ary satria sasatra Jesosy tamin’ ny nalehany dia nipetraka teo am-pantsakana Izy, rehefa tokony ho tamin’ ny ora fahenina.
- 7 Ary nisy vehivavy Samaritana anankiray avy hantsaka rano dia hoy Jesosy taminy: Omeo Aho hosotroiko.
- 8 (Fa ny mpianany efa lasa nankany an-tanàna hividy hanina)
- 9 Fa hoy ravehivavy Samaritana taminy: Nahoana Hianao no Jiosy ka mangataka amiko hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana? (Fa ny Jiosy tsy manan-draharaha amin’ ny Samaritana.)
- 10 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha fantatrao ny fanomezan’ Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona.
- 11 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, tsy manana fanovozana Hianao, sady lalina ny fantsakana; koa avy aiza no ahazoanao izany rano velona izany?
- 12 Hianao va lehibe noho Jakoba razantsika izay nanome anay ity fantsakana ity, sady izy sy ny zanany mbamin’ ny bibiny no nisotro teto?
- 13 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray;
- 14 fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.
- 15 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, omeo izany rano izany aho, mba tsy hangetaheta na hanketo hantsaka intsony.
- 16 Hoy Jesosy taminy: Andeha ary, antsoy ivadinao, ka mankanesa atỳ.
- 17 Ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy manam-bady aho. Hoy Jesosy taminy: Marina ihany izay nolazainao hoe: Tsy manam-bady aho;
- 18 fa efa nanam-bady indimy ianao, sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny; marina izany voalazanao izany.
- 19 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao.
- 20 Ny razantsika nivavaka teto amin’ ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana.
- 21 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin’ ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ ny Ray.
- 22 Hianareo mivavaka amin’ izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin’ izay fantatray, satria avy amin’ ny Jiosy ny famonjena.
- 23 Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ ny Ray amin’ ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.
- 24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ ny fanahy sy ny fahamarinana.
- 25 Hoy ravehivavy taminy: Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra.
- 26 Hoy Jesosy taminy: Izaho Izay miresaka aminao no Izy.
- 27 Ary tamin’ izay dia tonga ny mpianany ka gaga, satria vehivavy no niresahany; nefa tsy nisy nanao hoe: Inona no tadiavinao? na: Nahoana no miresaka aminy Hianao?
- 28 Dia nandao ny sininy ravehivavy ary nankany an-tanàna ka nanao tamin’ ny olona hoe:
- 29 Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroana, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; Izao angaha no Kristy?
- 30 Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona ka nankeo amin’ i Jesosy.
- 31 Ary raha tsy mbola tonga izy ireny, ny mpianany dia nangataka taminy ka nanao hoe: Hano, Raby ô.
- 32 Fa hoy Jesosy taminy: Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo.
- 33 Dia niresaka ny mpianatra ka nanao hoe: Nisy olona nitondra zavatra hohaniny va re?
- 34 Hoy Jesosy taminy: Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’ izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.
- 35 Moa ianareo tsy manao hoe va: Efa-bolana no sisa, dia tonga ny fararano? Indro, lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy.
- 36 Ary izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin’ ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja.
- 37 Ary amin’ izany dia marina ilay teny hoe: Ny iray mamafy, ary ny iray kosa mijinja,
- 38 Izaho naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo; olon-kafa no nisasatra, fa ianareo kosa no niditra teo amin’ izay nisasarany.
- 39 Ary maro ny Samaritana avy tao amin’ izany tanàna izany no nino an’ i Jesosy noho ny filazan-dravehivavy, izay nanambara hoe: Nolazainy tamiko avokoa izay rehetra nataoko.
- 40 Ary rehefa nanatona Azy ny Samaritana, dia nangataka Azy hitoetra tao aminy; ka dia nitoetra tao indroa andro Izy.
- 41 Ary maro koa no nino noho ny teniny
- 42 ka nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao.
- 43 Ary rehefa afaka ny indroa andro, dia niala tao Jesosy ka nankany Galilia.
- 44 Fa ny tenan’ i Jesosy no efa nanambara fa tsy misy mpaminany manan-daza eo amin’ ny taniny.
- 45 Koa rehefa tonga tany Galilia Izy, dia nandray Azy ny Galiliana, satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema tamin’ ny andro firavoravoana; fa izy ireo koa mba niakatra tamin’ ny andro firavoravoana.
- 46 Ary tonga tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany amin’ ilay nampodiany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray izay nanana zanakalahy narary tany Kapernaomy.
- 47 Ary rehefa reny fa Jesosy efa tonga tany Galilia avy tany Jodia, dia nankany aminy izy ka nangataka Azy mba hidina sy hahasitrana ny zanany, satria efa ho faty izy.
- 48 Dia hoy Jesosy taminy: Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy.
- 49 Hoy ilay tandapa taminy: Tompoko, midìna re, dieny tsy mbola maty ny zanako.
- 50 Hoy Jesosy taminy: Andeha mody; velona ny zanakao. Ary ralehilahy nino ny teny izay nolazain’ i Jesosy taminy, ka dia lasa nody.
- 51 Ary nony nidina izy, dia nitsena azy ny mpanompony ka nilaza fa velona ny zanany.
- 52 Ary izy nanontany azy ny ora izay nanaretany. Dia hoy ireo taminy: Omaly tamin’ ny ora fahafito no nialan’ ny tazo taminy.
- 53 Koa fantatry ny rainy fa tamin’ izay indrindra no ora nanaovan’ i Jesosy taminy hoe: Velona ny zanakao. Dia nino izy mbamin’ ny ankohonany rehetra.
- 54 Izany no famantarana faharoa nataon’ i Jesosy, fony Izy tonga tany Galilia avy tany Jodia.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗