요한복음 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 요한복음 (John) · 36절
- 1 Ary nisy Fariseo anankiray atao hoe Nikodemosy, mpanapaka tamin’ ny Jiosy.
- 2 Izy nankao amin’ i Jesosy nony alina ka nanao taminy hoe: Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin’ Andriamanitra Hianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy.
- 3 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’ Andriamanitra.
- 4 Hoy Nikodemosy taminy: Hataon’ ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka?
- 5 Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra izy.
- 6 Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.
- 7 aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray ianareo.
- 8 Ny rivotra mitsoka amin’ izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.
- 9 Nikodemosy namaly ka nanao taminy hoe: Hatao ahoana no hahatonga izany zavatra izany?
- 10 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Hianao va no mpampianatra ny Isiraely ka tsy mahalala izany zavatra izany?
- 11 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay; nefa ny fanambaranay tsy raisinareo.
- 12 Raha ny zavatra etỳ an-tany aza no nolazaiko taminareo ka tsy inoanareo, ahoana no hinoanareo, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho?
- 13 Ary tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’ olona, Izay any an-danitra.
- 14 Ary tahaka ny nanandratan’ i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’ olona,
- 15 mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.
- 16 Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
- 17 Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’ izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.
- 18 Izay mino Azy dia tsy helohina; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran’ ny Zanaka-lahy Tokan’ Andriamanitra izy.
- 19 Ary izao no fanamelohana, fa tonga amin’ izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon’ ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany.
- 20 Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany.
- 21 Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin’ Andriamanitra izany.
- 22 Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin’ ny tany Jodia Jesosy sy ny mpianany; ary niara-nitoetra taminy tao Izy sady nanao batisa.
- 23 Ary Jaona koa nanao batisa tao Ainona, akaikin’ i Saleima, satria nisy loharano maro tao; dia nankany ny olona ka nataony batisa.
- 24 Fa tsy mbola natao tao an-tranomaizina Jaona.
- 25 Ary nisy nifandiran’ ny mpianatr’ i Jaona tamin’ ny Jiosy anankiray ny amin’ ny fanadiovana;
- 26 ary tonga tany amin’ i Jaona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Raby ô, Ilay tany aminao, tany an-dafin’ i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy.
- 27 Jaona namaly ka nanao hoe: Tsy misy olona mahay mandray na inona na inona, raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany.
- 28 Hianareo no vavolombeloko fa hoy izaho: Tsy izaho no Kristy, fa nirahiny hialoha Azy aho.
- 29 Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan’ ny mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly indrindra noho ny feon’ ny mpampakatra; ary efa tanteraka izany fifaliako izany.
- 30 Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.
- 31 Izay avy any ambony dia ambonin’ izy rehetra; ary izay avy amin’ ny tany dia avy amin’ ny tany, ka ny momba ny etỳ an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin’ izy rehetra;
- 32 koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany.
- 33 Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra.
- 34 Fa Izay nirahin’ Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa tsy misy fetra ny fanomezan’ Andriamanitra ny Fanahy.
- 35 Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany.
- 36 Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’ Andriamanitra no mitoetra eo aminy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗