요한복음 12장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 요한복음 (John) · 50절
- 1 Ary rehefa henemana no sisa tsy tonga ny Paska, Jesosy dia tonga tao Betania, izay nitoeran’ i Lazarosy, ilay natsangany tamin’ ny maty.
- 2 Dia nanao fanasana ho an’ i Jesosy tao izy; ary Marta no nanompo; fa Lazarosy no anankiray tamin’ izay niara-nipetraka nihinana taminy.
- 3 Ary Maria, rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no saro-bidy, lanjan’ iray livatra, dia nanosotra ny tongotr’ i Jesosy sy namaoka ny tongony tamin’ ny volondohany; ary feno ny hanitry ny menaka ny trano.
- 4 Ary hoy Jodasy Iskariota, anankiray tamin’ ny mpianany, ilay efa hamadika Azy:
- 5 Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telon-jato ka nomena ny malahelo?
- 6 Ary izy no nilaza izany, tsy noho ny fiahiany ny malahelo, fa satria mpangalatra izy sady nitondra ny kitapo ka naka izay tao anatiny.
- 7 Dia hoy Jesosy: Avelao izy, mba hotehiriziny ho amin’ ny andro hanamboarany Ahy halevina io.
- 8 Fa ny malahelo dia etỳ aminareo mandrakariva; fa Izaho tsy mba ho etỳ aminareo mandrakariva.
- 9 Ary ny vahoaka betsaka tamin’ ny Jiosy nahalala fa teo Izy, dia tonga teo, nefa tsy noho Jesosy ihany, fa mba hahita an’ i Lazarosy koa, ilay natsangany tamin’ ny maty.
- 10 Fa nihendry hahafaty an’ i Lazarosy koa ny lohan’ ny mpisorona,
- 11 satria izy no nialan’ ny maro tamin’ ny Jiosy ka ninoany an’ i Jesosy.
- 12 Ary nony ampitson’ iny ny vahoaka betsaka, izay tonga ho amin’ ny andro firavoravoana, rehefa nahare fa hankany Jerosalema Jesosy,
- 13 dia naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy sady niantso hoe: Hosana! Isaorana anie ny Mpanjakan’ ny Isiraely, Ilay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah.
- 14 Ary Jesosy nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe:
- 15 Aza matahotra, ry Ziona zanakavavy; indro, avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky.
- 16 Izany zavatra izany dia tsy fantatry ny mpianany tamin’ ny voalohany; fa rehefa niditra tamin’ ny voninahiny Jesosy, dia vao nahatsiaro izy fa voasoratra hilaza Azy izany zavatra izany, ary efa nataony taminy izany.
- 17 Ary nanambara Azy ny vahoaka izay teny aminy, fony Izy niantso an’ i Lazarosy hivoaka tamin’ ny fasana ka nanangana azy tamin’ ny maty.
- 18 Ary izany koa no nitsenan’ ny vahoaka Azy, satria efa reny fa nanao izany famantarana izany Izy.
- 19 Ary tamin’ izany ny Fariseo dia nifampilaza hoe: Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona akory ianareo; indro, efa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao.
- 20 Ary nisy Grika sasany tamin’ izay niakatra hivavaka tamin’ ny andro firavoravoana,
- 21 ary izy ireo nankany amin’ i Filipo avy any Betsaida any Galilia, dia nangataka taminy ka nanao hoe: Tompoko, mba ta-hahita an’ i Jesosy izahay.
- 22 Dia lasa Filipo nilaza tamin’ i Andrea; ary Andrea sy Filipo lasa nilaza tamin’ i Jesosy.
- 23 Ary Jesosy namaly azy hoe: Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak’ olona.
- 24 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy latsaka ao amin’ ny tany ny voambary ka maty, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be.
- 25 Izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin’ izao fiainana izao no hiaro izany ho amin’ ny fiainana mandrakizay.
- 26 Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran’ ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray.
- 27 Ankehitriny mangorohoro ny fanahiko; ary ahoana no holazaiko: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ ity ora ity? nefa izao no nihaviako ho amin’ ity ora ity;
- 28 Ray ô, mankalazà ny anaranao. Dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza azy indray.
- 29 Ary ny vahoaka izay nitsangana teo ka nahare dia nanao hoe: Kotrokorana izany. Hoy ny sasany: Anjely no niteny taminy.
- 30 Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy noho Izaho no nahatongavan’ izany feo izany, fa noho ianareo.
- 31 Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny andrianan’ izao tontolo izao no horoahina.
- 32 Ary Izaho, raha asandratra hiala amin’ ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy.
- 33 Izany no nolazainy hanambara izay fahafatesana efa hiaretany.
- 34 Dia namaly Azy ny vahoaka ka nanao hoe: Efa renay tamin’ ny lalàna fa Kristy haharitra mandrakizay; koa ahoana no ilazanao hoe: Tsy maintsy hasandratra ny Zanak’ olona? Iza moa izany Zanak’ olona izany?
- 35 Dia hoy Jesosy taminy: Mbola kely ihany no hitoeran’ ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava ianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha amin’ ny maizina dia tsy mahalala izay alehany.
- 36 Raha mbola manana ny mazava ianareo, dia minoa ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava. Rehefa nilaza izany Jesosy, dia niala Izy ka niery azy.
- 37 Nefa na dia efa nanao izany famantarana betsaka izany teo anatrehany aza Izy, dia tsy mba nino Azy ireo,
- 38 mba hahatanteraka ny teny nataon’ Isaia mpaminany hoe: Tompoko, iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin’ i Jehovah?
- 39 Izany no tsy nahaizany nino, satria hoy koa Isaia:
- 40 Efa nanajamba ny masony sy nanamafy ny fony Izy, Mba tsy hahita ny masony, na hahalala ny fony, Dia tsy hibebaka izy, Ka tsy hahasitrana azy Aho.
- 41 Izany teny izany no nolazain’ Isaia, satria nahita ny voninahiny izy ka nilaza Azy.
- 42 Kanefa maro tamin’ ny mpanapaka aza no nino Azy; nefa noho ny Fariseo dia tsy nanaiky ireo, fandrao havoaka hiala amin’ ny synagoga.
- 43 Fa tia ny voninahitra avy amin’ ny olona izy ireo, fa tsy ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra.
- 44 Ary Jesosy niantso ka nanao hoe: Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa Izay naniraka Ahy.
- 45 Ary izay mahita Ahy dia mahita Izay naniraka Ahy.
- 46 Izaho tonga amin’ izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin’ ny maizina izay rehetra mino Ahy.
- 47 Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao.
- 48 Izay manda Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin’ ny andro farany,
- 49 satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko.
- 50 Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain’ ny Ray tamiko.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗