요한복음 12장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 요한복음 (John) · 50절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary rehefa henemana no sisa tsy tonga ny Paska, Jesosy dia tonga tao Betania, izay nitoeran’ i Lazarosy, ilay natsangany tamin’ ny maty. | Then Jesus six days before the passover came to Bethany, where Lazarus was which had been dead, whom he raised from the dead. |
| 2 | Dia nanao fanasana ho an’ i Jesosy tao izy; ary Marta no nanompo; fa Lazarosy no anankiray tamin’ izay niara-nipetraka nihinana taminy. | There they made him a supper; and Martha served: but Lazarus was one of them that sat at the table with him. |
| 3 | Ary Maria, rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no saro-bidy, lanjan’ iray livatra, dia nanosotra ny tongotr’ i Jesosy sy namaoka ny tongony tamin’ ny volondohany; ary feno ny hanitry ny menaka ny trano. | Then took Mary a pound of ointment of spikenard, very costly, and anointed the feet of Jesus, and wiped his feet with her hair: and the house was filled with the odour of the ointment. |
| 4 | Ary hoy Jodasy Iskariota, anankiray tamin’ ny mpianany, ilay efa hamadika Azy: | Then saith one of his disciples, Judas Iscariot, Simon’s son, which should betray him, |
| 5 | Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telon-jato ka nomena ny malahelo? | Why was not this ointment sold for three hundred pence, and given to the poor? |
| 6 | Ary izy no nilaza izany, tsy noho ny fiahiany ny malahelo, fa satria mpangalatra izy sady nitondra ny kitapo ka naka izay tao anatiny. | This he said, not that he cared for the poor; but because he was a thief, and had the bag, and bare what was put therein. |
| 7 | Dia hoy Jesosy: Avelao izy, mba hotehiriziny ho amin’ ny andro hanamboarany Ahy halevina io. | Then said Jesus, Let her alone: against the day of my burying hath she kept this. |
| 8 | Fa ny malahelo dia etỳ aminareo mandrakariva; fa Izaho tsy mba ho etỳ aminareo mandrakariva. | For the poor always ye have with you; but me ye have not always. |
| 9 | Ary ny vahoaka betsaka tamin’ ny Jiosy nahalala fa teo Izy, dia tonga teo, nefa tsy noho Jesosy ihany, fa mba hahita an’ i Lazarosy koa, ilay natsangany tamin’ ny maty. | Much people of the Jews therefore knew that he was there: and they came not for Jesus’ sake only, but that they might see Lazarus also, whom he had raised from the dead. |
| 10 | Fa nihendry hahafaty an’ i Lazarosy koa ny lohan’ ny mpisorona, | But the chief priests consulted that they might put Lazarus also to death; |
| 11 | satria izy no nialan’ ny maro tamin’ ny Jiosy ka ninoany an’ i Jesosy. | Because that by reason of him many of the Jews went away, and believed on Jesus. |
| 12 | Ary nony ampitson’ iny ny vahoaka betsaka, izay tonga ho amin’ ny andro firavoravoana, rehefa nahare fa hankany Jerosalema Jesosy, | On the next day much people that were come to the feast, when they heard that Jesus was coming to Jerusalem, |
| 13 | dia naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy sady niantso hoe: Hosana! Isaorana anie ny Mpanjakan’ ny Isiraely, Ilay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah. | Took branches of palm trees, and went forth to meet him, and cried, Hosanna: Blessed is the King of Israel that cometh in the name of the Lord. |
| 14 | Ary Jesosy nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe: | And Jesus, when he had found a young ass, sat thereon; as it is written, |
| 15 | Aza matahotra, ry Ziona zanakavavy; indro, avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky. | Fear not, daughter of Sion: behold, thy King cometh, sitting on an ass’s colt. |
| 16 | Izany zavatra izany dia tsy fantatry ny mpianany tamin’ ny voalohany; fa rehefa niditra tamin’ ny voninahiny Jesosy, dia vao nahatsiaro izy fa voasoratra hilaza Azy izany zavatra izany, ary efa nataony taminy izany. | These things understood not his disciples at the first: but when Jesus was glorified, then remembered they that these things were written of him, and that they had done these things unto him. |
| 17 | Ary nanambara Azy ny vahoaka izay teny aminy, fony Izy niantso an’ i Lazarosy hivoaka tamin’ ny fasana ka nanangana azy tamin’ ny maty. | The people therefore that was with him when he called Lazarus out of his grave, and raised him from the dead, bare record. |
| 18 | Ary izany koa no nitsenan’ ny vahoaka Azy, satria efa reny fa nanao izany famantarana izany Izy. | For this cause the people also met him, for that they heard that he had done this miracle. |
| 19 | Ary tamin’ izany ny Fariseo dia nifampilaza hoe: Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona akory ianareo; indro, efa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao. | The Pharisees therefore said among themselves, Perceive ye how ye prevail nothing? behold, the world is gone after him. |
| 20 | Ary nisy Grika sasany tamin’ izay niakatra hivavaka tamin’ ny andro firavoravoana, | And there were certain Greeks among them that came up to worship at the feast: |
| 21 | ary izy ireo nankany amin’ i Filipo avy any Betsaida any Galilia, dia nangataka taminy ka nanao hoe: Tompoko, mba ta-hahita an’ i Jesosy izahay. | The same came therefore to Philip, which was of Bethsaida of Galilee, and desired him, saying, Sir, we would see Jesus. |
| 22 | Dia lasa Filipo nilaza tamin’ i Andrea; ary Andrea sy Filipo lasa nilaza tamin’ i Jesosy. | Philip cometh and telleth Andrew: and again Andrew and Philip tell Jesus. |
| 23 | Ary Jesosy namaly azy hoe: Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak’ olona. | And Jesus answered them, saying, The hour is come, that the Son of man should be glorified. |
| 24 | Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy latsaka ao amin’ ny tany ny voambary ka maty, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be. | Verily, verily, I say unto you, Except a corn of wheat fall into the ground and die, it abideth alone: but if it die, it bringeth forth much fruit. |
| 25 | Izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin’ izao fiainana izao no hiaro izany ho amin’ ny fiainana mandrakizay. | He that loveth his life shall lose it; and he that hateth his life in this world shall keep it unto life eternal. |
| 26 | Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran’ ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray. | If any man serve me, let him follow me; and where I am, there shall also my servant be: if any man serve me, him will my Father honour. |
| 27 | Ankehitriny mangorohoro ny fanahiko; ary ahoana no holazaiko: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ ity ora ity? nefa izao no nihaviako ho amin’ ity ora ity; | Now is my soul troubled; and what shall I say? Father, save me from this hour: but for this cause came I unto this hour. |
| 28 | Ray ô, mankalazà ny anaranao. Dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza azy indray. | Father, glorify thy name. Then came there a voice from heaven, saying, I have both glorified it, and will glorify it again. |
| 29 | Ary ny vahoaka izay nitsangana teo ka nahare dia nanao hoe: Kotrokorana izany. Hoy ny sasany: Anjely no niteny taminy. | The people therefore, that stood by, and heard it, said that it thundered: others said, An angel spake to him. |
| 30 | Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy noho Izaho no nahatongavan’ izany feo izany, fa noho ianareo. | Jesus answered and said, This voice came not because of me, but for your sakes. |
| 31 | Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny andrianan’ izao tontolo izao no horoahina. | Now is the judgment of this world: now shall the prince of this world be cast out. |
| 32 | Ary Izaho, raha asandratra hiala amin’ ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy. | And I, if I be lifted up from the earth, will draw all men unto me. |
| 33 | Izany no nolazainy hanambara izay fahafatesana efa hiaretany. | This he said, signifying what death he should die. |
| 34 | Dia namaly Azy ny vahoaka ka nanao hoe: Efa renay tamin’ ny lalàna fa Kristy haharitra mandrakizay; koa ahoana no ilazanao hoe: Tsy maintsy hasandratra ny Zanak’ olona? Iza moa izany Zanak’ olona izany? | The people answered him, We have heard out of the law that Christ abideth for ever: and how sayest thou, The Son of man must be lifted up? who is this Son of man? |
| 35 | Dia hoy Jesosy taminy: Mbola kely ihany no hitoeran’ ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava ianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha amin’ ny maizina dia tsy mahalala izay alehany. | Then Jesus said unto them, Yet a little while is the light with you. Walk while ye have the light, lest darkness come upon you: for he that walketh in darkness knoweth not whither he goeth. |
| 36 | Raha mbola manana ny mazava ianareo, dia minoa ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava. Rehefa nilaza izany Jesosy, dia niala Izy ka niery azy. | While ye have light, believe in the light, that ye may be the children of light. These things spake Jesus, and departed, and did hide himself from them. |
| 37 | Nefa na dia efa nanao izany famantarana betsaka izany teo anatrehany aza Izy, dia tsy mba nino Azy ireo, | But though he had done so many miracles before them, yet they believed not on him: |
| 38 | mba hahatanteraka ny teny nataon’ Isaia mpaminany hoe: Tompoko, iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin’ i Jehovah? | That the saying of Esaias the prophet might be fulfilled, which he spake, Lord, who hath believed our report? and to whom hath the arm of the Lord been revealed? |
| 39 | Izany no tsy nahaizany nino, satria hoy koa Isaia: | Therefore they could not believe, because that Esaias said again, |
| 40 | Efa nanajamba ny masony sy nanamafy ny fony Izy, Mba tsy hahita ny masony, na hahalala ny fony, Dia tsy hibebaka izy, Ka tsy hahasitrana azy Aho. | He hath blinded their eyes, and hardened their heart; that they should not see with their eyes, nor understand with their heart, and be converted, and I should heal them. |
| 41 | Izany teny izany no nolazain’ Isaia, satria nahita ny voninahiny izy ka nilaza Azy. | These things said Esaias, when he saw his glory, and spake of him. |
| 42 | Kanefa maro tamin’ ny mpanapaka aza no nino Azy; nefa noho ny Fariseo dia tsy nanaiky ireo, fandrao havoaka hiala amin’ ny synagoga. | Nevertheless among the chief rulers also many believed on him; but because of the Pharisees they did not confess him, lest they should be put out of the synagogue: |
| 43 | Fa tia ny voninahitra avy amin’ ny olona izy ireo, fa tsy ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra. | For they loved the praise of men more than the praise of God. |
| 44 | Ary Jesosy niantso ka nanao hoe: Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa Izay naniraka Ahy. | Jesus cried and said, He that believeth on me, believeth not on me, but on him that sent me. |
| 45 | Ary izay mahita Ahy dia mahita Izay naniraka Ahy. | And he that seeth me seeth him that sent me. |
| 46 | Izaho tonga amin’ izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin’ ny maizina izay rehetra mino Ahy. | I am come a light into the world, that whosoever believeth on me should not abide in darkness. |
| 47 | Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao. | And if any man hear my words, and believe not, I judge him not: for I came not to judge the world, but to save the world. |
| 48 | Izay manda Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin’ ny andro farany, | He that rejecteth me, and receiveth not my words, hath one that judgeth him: the word that I have spoken, the same shall judge him in the last day. |
| 49 | satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko. | For I have not spoken of myself; but the Father which sent me, he gave me a commandment, what I should say, and what I should speak. |
| 50 | Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain’ ny Ray tamiko. | And I know that his commandment is life everlasting: whatsoever I speak therefore, even as the Father said unto me, so I speak. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL