요한계시록 2장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 요한계시록 (Revelation) · 29절
- 1 Soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Efesosy. Izao no lazain’ ilay miharona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan’ ny fanaovan-jiro volamena fito:
- 2 Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary ianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy;
- 3 ary manana faharetana ianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka.
- 4 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin’ ny fitiavanao voalohany ianao.
- 5 Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin’ ny fitoerany, raha tsy mibebaka ianao.
- 6 Kanefa izao no toetranao: halanao ny asan’ ny Nikolaïta, izay halako koa.
- 7 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin’ ny hazon’ aina, izay eo amin’ ny Paradisan’ Andriamanitra.
- 8 Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Smyrna: Izao no lazain’ ny Voalohany sy ny Farany, Izay efa maty, nefa velona indray:
- 9 Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena ianao), ary ny fitenenan-dratsy ataon’ izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan’ i Satana.
- 10 Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin’ ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana.
- 11 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana. Izay maharesy dia tsy hosimban’ ny fahafatesana faharoa.
- 12 Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Pergamosy: Izao no lazain’ ilay manana ny sabatra roa lela maranitra:
- 13 Fantatro izay onenanao, dia ao amin’ ny itoeran’ ny seza fiandrianan’ i Satana; ary mitàna mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin’ ny andron’ i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin’ izay onenan’ i Satana.
- 14 Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran’ i Balama, ilay nanome fo an’ i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan’ ny Zanak’ isiraely, hihinana hena naterina tamin’ ny sampy sy hijangajanga.
- 15 Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran’ ny Nikolaïta tahaka ny an’ ireny.
- 16 Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin’ ny sabatry ny vavako.
- 17 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana. Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin’ ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr’ olona afa-tsy izay mandray azy ihany.
- 18 Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Tyatira: Izao no lazain’ ny Zanak’ Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano:
- 19 Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany.
- 20 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria ianao mandefitra amin’ ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin’ ny sampy.
- 21 Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin’ ny fijangajangany izy.
- 22 Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin’ ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin’ ny asan-dravehivavy izy.
- 23 Ary hovonoiko amin’ ny fahafatesana ny zanany; ary ny fiangonana rehetra hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra.
- 24 Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon’ ireo hoe “sain-dalin’ i Satana”, dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa ianareo;
- 25 kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko.
- 26 Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin’ ny farany dia homeko fahefana amin’ ny jentilisa;
- 27 ary hiandry azy amin’ ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin’ ny Raiko.
- 28 Ary homeko azy ny kintana fitarika andro.
- 29 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗