요한계시록 2장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 요한계시록 (Revelation) · 29절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Efesosy. Izao no lazain’ ilay miharona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan’ ny fanaovan-jiro volamena fito: | Unto the angel of the church of Ephesus write; These things saith he that holdeth the seven stars in his right hand, who walketh in the midst of the seven golden candlesticks; |
| 2 | Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary ianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy; | I know thy works, and thy labour, and thy patience, and how thou canst not bear them which are evil: and thou hast tried them which say they are apostles, and are not, and hast found them liars: |
| 3 | ary manana faharetana ianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka. | And hast borne, and hast patience, and for my name’s sake hast laboured, and hast not fainted. |
| 4 | Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin’ ny fitiavanao voalohany ianao. | Nevertheless I have somewhat against thee, because thou hast left thy first love. |
| 5 | Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin’ ny fitoerany, raha tsy mibebaka ianao. | Remember therefore from whence thou art fallen, and repent, and do the first works; or else I will come unto thee quickly, and will remove thy candlestick out of his place, except thou repent. |
| 6 | Kanefa izao no toetranao: halanao ny asan’ ny Nikolaïta, izay halako koa. | But this thou hast, that thou hatest the deeds of the Nicolaitans, which I also hate. |
| 7 | Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin’ ny hazon’ aina, izay eo amin’ ny Paradisan’ Andriamanitra. | He that hath an ear, let him hear what the Spirit saith unto the churches; To him that overcometh will I give to eat of the tree of life, which is in the midst of the paradise of God. |
| 8 | Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Smyrna: Izao no lazain’ ny Voalohany sy ny Farany, Izay efa maty, nefa velona indray: | And unto the angel of the church in Smyrna write; These things saith the first and the last, which was dead, and is alive; |
| 9 | Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena ianao), ary ny fitenenan-dratsy ataon’ izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan’ i Satana. | I know thy works, and tribulation, and poverty, (but thou art rich) and I know the blasphemy of them which say they are Jews, and are not, but are the synagogue of Satan. |
| 10 | Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin’ ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana. | Fear none of those things which thou shalt suffer: behold, the devil shall cast some of you into prison, that ye may be tried; and ye shall have tribulation ten days: be thou faithful unto death, and I will give thee a crown of life. |
| 11 | Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana. Izay maharesy dia tsy hosimban’ ny fahafatesana faharoa. | He that hath an ear, let him hear what the Spirit saith unto the churches; He that overcometh shall not be hurt of the second death. |
| 12 | Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Pergamosy: Izao no lazain’ ilay manana ny sabatra roa lela maranitra: | And to the angel of the church in Pergamos write; These things saith he which hath the sharp sword with two edges; |
| 13 | Fantatro izay onenanao, dia ao amin’ ny itoeran’ ny seza fiandrianan’ i Satana; ary mitàna mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin’ ny andron’ i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin’ izay onenan’ i Satana. | I know thy works, and where thou dwellest, even where Satan’s seat is: and thou holdest fast my name, and hast not denied my faith, even in those days wherein Antipas was my faithful martyr, who was slain among you, where Satan dwelleth. |
| 14 | Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran’ i Balama, ilay nanome fo an’ i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan’ ny Zanak’ isiraely, hihinana hena naterina tamin’ ny sampy sy hijangajanga. | But I have a few things against thee, because thou hast there them that hold the doctrine of Balaam, who taught Balac to cast a stumblingblock before the children of Israel, to eat things sacrificed unto idols, and to commit fornication. |
| 15 | Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran’ ny Nikolaïta tahaka ny an’ ireny. | So hast thou also them that hold the doctrine of the Nicolaitans, which thing I hate. |
| 16 | Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin’ ny sabatry ny vavako. | Repent; or else I will come unto thee quickly, and will fight against them with the sword of my mouth. |
| 17 | Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana. Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin’ ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr’ olona afa-tsy izay mandray azy ihany. | He that hath an ear, let him hear what the Spirit saith unto the churches; To him that overcometh will I give to eat of the hidden manna, and will give him a white stone, and in the stone a new name written, which no man knoweth saving he that receiveth it. |
| 18 | Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Tyatira: Izao no lazain’ ny Zanak’ Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano: | And unto the angel of the church in Thyatira write; These things saith the Son of God, who hath his eyes like unto a flame of fire, and his feet are like fine brass; |
| 19 | Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany. | I know thy works, and charity, and service, and faith, and thy patience, and thy works; and the last to be more than the first. |
| 20 | Kanefa manan-teny aminao Aho, satria ianao mandefitra amin’ ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin’ ny sampy. | Notwithstanding I have a few things against thee, because thou sufferest that woman Jezebel, which calleth herself a prophetess, to teach and to seduce my servants to commit fornication, and to eat things sacrificed unto idols. |
| 21 | Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin’ ny fijangajangany izy. | And I gave her space to repent of her fornication; and she repented not. |
| 22 | Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin’ ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin’ ny asan-dravehivavy izy. | Behold, I will cast her into a bed, and them that commit adultery with her into great tribulation, except they repent of their deeds. |
| 23 | Ary hovonoiko amin’ ny fahafatesana ny zanany; ary ny fiangonana rehetra hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra. | And I will kill her children with death; and all the churches shall know that I am he which searcheth the reins and hearts: and I will give unto every one of you according to your works. |
| 24 | Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon’ ireo hoe “sain-dalin’ i Satana”, dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa ianareo; | But unto you I say, and unto the rest in Thyatira, as many as have not this doctrine, and which have not known the depths of Satan, as they speak; I will put upon you none other burden. |
| 25 | kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko. | But that which ye have already hold fast till I come. |
| 26 | Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin’ ny farany dia homeko fahefana amin’ ny jentilisa; | And he that overcometh, and keepeth my works unto the end, to him will I give power over the nations: |
| 27 | ary hiandry azy amin’ ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin’ ny Raiko. | And he shall rule them with a rod of iron; as the vessels of a potter shall they be broken to shivers: even as I received of my Father. |
| 28 | Ary homeko azy ny kintana fitarika andro. | And I will give him the morning star. |
| 29 | Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana. | He that hath an ear, let him hear what the Spirit saith unto the churches. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL