요엘 1장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 요엘 (Joel) · 20절
- 1 Ny tenin’ i Jehovah, izay tonga tamin’ i Joela, zanak’ i Petoela.
- 2 Henoy izao, ry anti-panahy! Ary mandrenesa, ianareo mponina rehetra amin’ ny tany! Moa mba efa nisy tamin’ ny andronareo na tamin’ ny andron’ ny razanareo, va izao?
- 3 Lazao amin’ ny zanakareo izao, ary aoka ny zanakareo hilaza amin’ ny zanany kosa, ary ny zanak’ ireo kosa indray amin’ ny taranaka mandimby azy.
- 4 Izay sisan’ ny kijeja dia nohanin’ ny koraika; Ary izay sisan’ ny koraika dia nohanin’ ny valalavao: Ary izay sisan’ ny valalavao dia nohanin’ ny sompanga.
- 5 Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania, eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka, satria tapaka tsy ho amin’ ny vavanareo izany.
- 6 Fa misy firenena mahery sady tsy hita isa miakatra hamely ny taniko; Ny nifiny dia nifin-diona, ary ny vazany dia vazan’ ny liom-bavy.
- 7 Nataony simba tokoa ny voaloboko, ary notapatapahiny ny aviaviko; Nataony nakiky tokoa ireny ka nariany, eny, tonga fotsy ny rantsany.
- 8 Midradradradrà toy ny virijina misikindamba fisaonana noho ny amin’ ny vadin’ ny fahatanorany.
- 9 Efa tapaka tsy ho ao amin’ ny tranon’ i Jehovah ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina; Mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ i Jehovah.
- 10 Mariry ny saha, misaona ny tany fambolena; Fa simba ny vary, ritra ny ranom-boaloboka, mihena ny diloilo.
- 11 Aoka ho menatra ianareo mpiasa tany; midradradradrà, ianareo mpamboatra tanim-boaloboka, noho ny vary tritika sy ny vary hordea; Fa majifa ny vokatry ny saha;
- 12 Maina ny voaloboka, malazo ny aviavy, ary malazo koa ny ampongabendanitra sy ny rofia ary ny poma aza, dia ny hazo rehetra any an-tsaha; Eny, malazo ny fifalian’ ny zanak’ olombelona.
- 13 Misikìna sy mitomania, ianareo mpisorona; midradradradrà, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ ny alitara; Andeha mandry amin’ ny lamba fisaonana mandritra ny alina, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ Andriamanitro, fa tapaka tsy ho ao amin’ ny tranon’ Andriamanitra ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina.
- 14 Manamasìna andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masìna, angòny ny loholona sy ny mponina rehetra amin’ ny tany ho ao an-tranon’ i Jehovah Andriamanitrareo, koa andeha mitaraina amin’ i Jehovah.
- 15 Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny andron’ i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ ny Tsitoha no fihaviny.
- 16 Moa tsy efa tapaka teo imasontsika va ny hanina, eny, ny fifaliana sy ny faharavoravoana tsy ho ao an-tranon’ Andriamanitsika?
- 17 Matimaso ao ambanin’ ny baingan-tany ny vary nafafy, foana ny sompitra, mirodana ny trano fitehirizam-bary; Fa nalazo ny vary.
- 18 Indrisy, ny fitoreon’ ny biby! Very hevitra ny omby andiany, satria tsy misy ahitra ho azy; Eny, na dia ny andian’ ny ondry aman’ osy aza dia mijaly noho ny heloka.
- 19 Jehovah ô, Hianao no itarainako, fa efa levon’ ny afo ny kijana any an-efitra, ary nisy lelafo efa nandoro ny hazo rehetra any an-tsaha.
- 20 Na dia ny biby any an-tsaha aza dia mihanahana miandrandra Anao, satria ritra ny renirano, ary efa levon’ ny afo ny kijana any an-efitra.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗