예레미야 43장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 예레미야 (Jeremiah) · 13절
- 1 Ary rehefa tapitra voalazan’ i Jeremia tamin’ ny vahoaka rehetra izany teny rehetra avy tamin’ i Jehovah Andriamaniny izany, izay nanirahan’ i Jehovah Andriamanitra azy holazaina aminy,
- 2 dia niteny Azaria, zanak’ i Hosaia, sy Johanana, zanak’ i Karea, mbamin’ ny olona mpirehareha rehetra ka niteny tamin’ i Jeremia hoe: Mandainga ianao; fa tsy naniraka anao Jehovah Andriamanitsika hilaza hoe: Aza mandeha hivahiny any Egypta;
- 3 fa Baroka, zanak’ i Neria, no nanome fo anao hamely anay mba hanolotra anay ho eo an-tànan’ ny Kaldeana hahafaty anay sy hahalasa anay ho babo any Babylona.
- 4 Ary Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra ary ny vahoaka rehetra dia tsy nihaino ny feon’ i Jehovah ny amin’ ny honenany ao amin’ ny tanin’ ny Joda.
- 5 Fa Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra dia nitondra ny sisa rehetra tamin’ ny Joda, izay niverina avy tany amin’ ny firenena rehetra nandroahana azy honina ao amin’ ny tanin’ ny Joda,
- 6 dia ny lehilahy sy ny zaza amim-behivavy sy ny vehivavy zanak’ andriana ary ny olona rehetra izay navelan’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, tao amin’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, sy tao amin’ i Jeremia mpaminany sy Baroka, zanak’ i Neria
- 7 ka dia nankany amin’ ny tany Egypta izy ireny, fa tsy nihaino ny feon’ i Jehovah, ary dia tonga hatrany Tapanesa.
- 8 Dia tonga tamin’ i Jeremia tao Tapanesa ny tenin’ i Jehovah hoe:
- 9 Mitondrà vato lehibe eny an-tananao, ka afeno ao amin’ ny feta ao amin’ ny gorodona taila, izay eo akaikin’ ny vavahady amin’ ny tranon’ i Farao ao Tapanesa, eo imason’ ny lehilahy amin’ ny Joda,
- 10 ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro Aho haniraka haka an’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, mpanompoko, ka haoriko amin’ ireto vato nafeniko ireto ny seza fiandrianany; ary hamelatra ny lambany tsara tarehy hatao alokaloka eo amboniny izy.
- 11 Eny, ho avy izy hamely ny tany Egypta, ka izay ho amin’ ny areti-mandringana dia ho amin’ ny areti-mandringana, ary izay ho amin’ ny fahababoana dia ho amin’ ny fahababoana, ary izay ho amin’ ny sabatra dia ho amin’ ny sabatra.
- 12 Ary handrehitra afo ao amin’ ny tranon’ ny andriamanitr’ i Egypta Aho, ka dia hodorany sy hobaboiny ireo, ary hitafy ny tany Egypta izy toy ny fitafin’ ny mpiandry ondry ny lambany; ary hiala any amin’ ny fiadanana izy.
- 13 Ary hotorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy ao Beti-semesy, izay any amin’ ny tany Egypta; ary hodorany amin’ ny afo ny tranon’ ny andriamanitr’ i Egypta.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗