예레미야 42장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 예레미야 (Jeremiah) · 22절
- 1 Ary ny mpifehy ny miaramila rehetra sy Johanana, zanak’ i Karea, sy Jazania, zanak’ i Hosaia, mbamin’ ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe, dia nanatona
- 2 ka niteny tamin’ i Jeremia mpaminany hoe: Masìna ianao, aoka hoborahina eto anatrehanao ny fifonanay, ary mba ivavaho amin’ i Jehovah Andriamanitrao re izahay, dia ireto sisa rehetra ireto (fa vitsy izahay no sisa, na dia maro aza fahiny, dia araka izao hitan’ ny masonao izao),
- 3 mba hambaran’ i Jehovah Andriamanitrao anay izay lalana mety halehanay sy izay zavatra tokony hataonay.
- 4 Dia hoy Jeremia mpaminany taminy: Efa reko izany; koa, indro, hivavaka amin’ i Jehovah Andriamanitrareo ary aho araka ny teninareo; ary ny teny rehetra Izay havalin’ i Jehovah anareo dia hambarako anareo, fa tsy hisy hafeniko.
- 5 Dia hoy izy tamin’ i Jeremia: Jehovah no aoka ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika, raha tsy manao araka ny teny rehetra izay anirahan’ i Jehovah Andriamanitrao anao aminay izahay.
- 6 Na ho soa, na ho ratsy, dia hohenoinay ny feon’ i Jehovah Andriamanitray, izay nanirahanay anao, mba hahasoa anay, raha mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitray izahay.
- 7 Ary nony afaka hafoloana, dia tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah.
- 8 Ary izy niantso an’ i Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay teo aminy mbamin’ ny olona rehetra, na kely na lehibe,
- 9 ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa nanirahanareo ahy mba hoborahiko eo anatrehany ny fifonanareo:
- 10 Raha mbola honina amin’ ity tany ity ihany ianareo, dia haoriko ianareo, fa tsy horavako, ary hamboleko ianareo, fa tsy hongotako, fa manenina Aho ny amin’ ny loza namelezako anareo.
- 11 Aza matahotra ny mpanjakan’ i Babylona izay atahoranareo; eny, aza matahotra azy, hoy Jehovah, fa momba anareo Aho hamonjy sy hanafaka anareo amin’ ny tànany.
- 12 Ary hataoko mahita famindram-po ianareo, dia hamindra fo aminareo izy ka hampody anareo ho any amin’ ny taninareo.
- 13 Fa raha hoy kosa ianareo: Tsy honina amin’ ity tany ity izahay, ka tsy hihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo,
- 14 fa manao hoe: Tsia; fa hankany amin’ ny tany Egypta izahay, fa any no tsy hahitanay ady, na handrenesanay ny feon’ ny anjomara na hahitanay mosary, ka dia any no honenanay,
- 15 dia mihainoa ny tenin’ i Jehovah ankehitriny ianareo izay sisa amin’ ny Joda: Izao no lazain’ i Jehovah. Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Raha dia mikiry hankany Egypta ihany ianareo ka mandeha hivahiny any,
- 16 dia hahatratra anareo any amin’ ny tany Egypta ny sabatra izay atahoranareo, ary ny mosary izay ahinareo no hanjohy anareo any amin’ ny tany Egypta, ary any no hahafaty anareo.
- 17 Ary ny olona rehetra izay mikiry hankany Egypta hivahiny any dia ho fatin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana any; ary tsy hisy sisa ho afa-mandositra ny loza izay hataoko mihatra aminy.
- 18 Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Toy ny nanidinana ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin’ ny mponina any Jerosalema, dia toy izany no hanidinana ny fahatezerako aminareo, raha mankany Egypta ianareo; ary ho fianianana sy ho figagana sy ho fanozonana ary ho fandatsa ianareo, sady tsy hahita ity tany ity intsony.
- 19 Jehovah efa nilaza ny aminareo, ry sisa amin’ ny Joda, hoe: Aza mankany Egypta ianareo; aoka ho fantatrareo tokoa fa efa nanariko androany ianareo.
- 20 Kanjo efa nivily ianareo ka nahavoa ny ainareo tamin’ ny nanirahanareo ahy ho amin’ i Jehovah Andriamanitrareo hanao hoe: Mba ivavaho amin’ i Jehovah Andriamanitsika re izahay, ary izay rehetra holazain’ i Jehovah Andriamanitsika dia ambarao aminay, fa hataonay.
- 21 Ary efa nambarako taminareo androany; nefa tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ny amin’ izay zavatra nanirahany ahy ho aminareo.
- 22 Koa aoka ho fantatrareo marimarina fa ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana ianareo any amin’ ny tany izay tianareo hivahiniana.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗