예레미야 30장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 예레미야 (Jeremiah) · 24절
- 1 Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah:
- 2 Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Soratinao amin’ ny boky ny teny rehetra izay efa nolazaiko taminao.
- 3 Fa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hampodiako ny oloko, dia ny Isiraely sy ny Joda, avy amin’ ny fahababoany, hoy Jehovah; eny, hampody azy ho amin’ ny tany izay efa nomeko ny razany Aho, dia ho azy izany.
- 4 Ary izao no teny izay nolazain’ i Jehovah ny amin’ ny Isiraely sy ny Joda,
- 5 eny, izao no lazain’ i Jehovah: Feo mampangovitra no renay; Misy tahotra, fa tsy fiadanana.
- 6 Anontanionareo ka izahao, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza; Koa nahoana no samy hitako manery ny valahany amin’ ny tànany avy ny lehilahy rehetra hoatra ilay efa mihetsi-jaza iny, ary ny tarehy rehetra dia efa tonga hatsatra avokoa?
- 7 Indrisy! fa lehibe izany andro izany, ka tsy misy tahaka azy; Andro fahoriana ho an’ i Jakoba izany, nefa ho voavonjy ho afaka amin’ izany ihany izy.
- 8 Fa amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia hotapahiko ny ziogany ho afaka amin’ ny vozonao sy hotosako ny fatoranao. Ary ny firenena hafa tsy hampanompo anao intsony;
- 9 Fa ianao hanompo an’ i Jehovah Andriamanitrao sy Davida Mpanjakanao, Izay hatsangako ho anao.
- 10 Koa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah; Ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any lavitra ianao ary ny taranakao avy any amin’ ny tany izay nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana sy handry fahizay, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
- 11 Fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah; Koa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nampielezako anao, Hianao tsy mba holevoniko; Nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny.
- 12 Fa izao no lazain’ i Jehovah: Maharary ny faharatranao, ary tsy azo sitranina ny ferinao.
- 13 Tsy misy handahatra ny teninao; Tsy manana plasitera fanasitranana hapetaka amin’ ny ferinao ianao.
- 14 Ireo tia anao dia efa nanadino anao avokoa, tsy mba notadiaviny ianao; Fa famelin’ ny fahavalo no namelezako anao, dia ny famaizan’ ny lozabe, noho ny habetsahan’ ny helokao sy ny hamaroan’ ny fahotanao.
- 15 Nahoana ianao no mitaraina noho ny faharatranao sy noho ny fanaintainanao izay tsy azo atsahatra? Fa noho ny habetsahan’ ny helokao sy ny hamaroan’ ny fahotanao no nanaovako izany taminao.
- 16 Koa izay rehetra mihinana anao dia mba hohanina, ary izay rehetra mampahory anao dia ho lasan-ko babo, izay mamabo anao dia hobaboina, ary Izay rehetra mandroba anao dia hatolotro horobaina.
- 17 Fa hotanterahiko ny fanasitranana anao, eny, hositraniko ny faharatranao, hoy Jehovah, noho ny nanaovany anao hoe: Ilay noroahina, sy hoe: Ziona tsy misy mpitady ity.
- 18 Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hampodiko avy amin’ ny fahababoana ny lain’ i Jakoba, ary ny fonenany dia hamindrako fo; ka ny tanàna dia haorina ao amin’ ny havoany, ary ny lapan’ andriana hitoetra ao amin’ izay mahamety azy.
- 19 Ary hisy fisaorana sy feon’ ny mifaly avy ao; Dia hahamaro azy Aho, ka tsy ho vitsy izy, sady hanome voninahitra azy Aho, ka tsy ho ambany izy.
- 20 Ny zanany koa ho tahaka ny tany aloha, ary ny fiangonany hampitoerina eo anatrehako, dia hovaliako izay rehetra mampahory azy.
- 21 Ary ilay malazany dia ho avy ao aminy ihany, ary ny mpanapaka azy dia ho avy ao aminy ihany koa; Ary hampanakaiky azy Aho, ka dia hanatona Ahy izy, fa iza no sahy hanao ny ainy ho antoka ka hanatona Ahy? hoy Jehovah.
- 22 Ary ianareo ho oloko, ary Izaho ho Andriamanitrareo.
- 23 He! ny tadion’ i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin’ ny lohan’ ny ratsy fanahy.
- 24 Ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗