예레미야 30장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 예레미야 (Jeremiah) · 24절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah: | The word that came to Jeremiah from the Lord, saying, |
| 2 | Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Soratinao amin’ ny boky ny teny rehetra izay efa nolazaiko taminao. | Thus speaketh the Lord God of Israel, saying, Write thee all the words that I have spoken unto thee in a book. |
| 3 | Fa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hampodiako ny oloko, dia ny Isiraely sy ny Joda, avy amin’ ny fahababoany, hoy Jehovah; eny, hampody azy ho amin’ ny tany izay efa nomeko ny razany Aho, dia ho azy izany. | For, lo, the days come, saith the Lord, that I will bring again the captivity of my people Israel and Judah, saith the Lord: and I will cause them to return to the land that I gave to their fathers, and they shall possess it. |
| 4 | Ary izao no teny izay nolazain’ i Jehovah ny amin’ ny Isiraely sy ny Joda, | And these are the words that the Lord spake concerning Israel and concerning Judah. |
| 5 | eny, izao no lazain’ i Jehovah: Feo mampangovitra no renay; Misy tahotra, fa tsy fiadanana. | For thus saith the Lord; We have heard a voice of trembling, of fear, and not of peace. |
| 6 | Anontanionareo ka izahao, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza; Koa nahoana no samy hitako manery ny valahany amin’ ny tànany avy ny lehilahy rehetra hoatra ilay efa mihetsi-jaza iny, ary ny tarehy rehetra dia efa tonga hatsatra avokoa? | Ask ye now, and see whether a man doth travail with child? wherefore do I see every man with his hands on his loins, as a woman in travail, and all faces are turned into paleness? |
| 7 | Indrisy! fa lehibe izany andro izany, ka tsy misy tahaka azy; Andro fahoriana ho an’ i Jakoba izany, nefa ho voavonjy ho afaka amin’ izany ihany izy. | Alas! for that day is great, so that none is like it: it is even the time of Jacob’s trouble; but he shall be saved out of it. |
| 8 | Fa amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia hotapahiko ny ziogany ho afaka amin’ ny vozonao sy hotosako ny fatoranao. Ary ny firenena hafa tsy hampanompo anao intsony; | For it shall come to pass in that day, saith the Lord of hosts, that I will break his yoke from off thy neck, and will burst thy bonds, and strangers shall no more serve themselves of him: |
| 9 | Fa ianao hanompo an’ i Jehovah Andriamanitrao sy Davida Mpanjakanao, Izay hatsangako ho anao. | But they shall serve the Lord their God, and David their king, whom I will raise up unto them. |
| 10 | Koa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah; Ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any lavitra ianao ary ny taranakao avy any amin’ ny tany izay nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana sy handry fahizay, ka tsy hisy hanaitaitra azy. | Therefore fear thou not, O my servant Jacob, saith the Lord; neither be dismayed, O Israel: for, lo, I will save thee from afar, and thy seed from the land of their captivity; and Jacob shall return, and shall be in rest, and be quiet, and none shall make him afraid. |
| 11 | Fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah; Koa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nampielezako anao, Hianao tsy mba holevoniko; Nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny. | For I am with thee, saith the Lord, to save thee: though I make a full end of all nations whither I have scattered thee, yet will I not make a full end of thee: but I will correct thee in measure, and will not leave thee altogether unpunished. |
| 12 | Fa izao no lazain’ i Jehovah: Maharary ny faharatranao, ary tsy azo sitranina ny ferinao. | For thus saith the Lord, Thy bruise is incurable, and thy wound is grievous. |
| 13 | Tsy misy handahatra ny teninao; Tsy manana plasitera fanasitranana hapetaka amin’ ny ferinao ianao. | There is none to plead thy cause, that thou mayest be bound up: thou hast no healing medicines. |
| 14 | Ireo tia anao dia efa nanadino anao avokoa, tsy mba notadiaviny ianao; Fa famelin’ ny fahavalo no namelezako anao, dia ny famaizan’ ny lozabe, noho ny habetsahan’ ny helokao sy ny hamaroan’ ny fahotanao. | All thy lovers have forgotten thee; they seek thee not; for I have wounded thee with the wound of an enemy, with the chastisement of a cruel one, for the multitude of thine iniquity; because thy sins were increased. |
| 15 | Nahoana ianao no mitaraina noho ny faharatranao sy noho ny fanaintainanao izay tsy azo atsahatra? Fa noho ny habetsahan’ ny helokao sy ny hamaroan’ ny fahotanao no nanaovako izany taminao. | Why criest thou for thine affliction? thy sorrow is incurable for the multitude of thine iniquity: because thy sins were increased, I have done these things unto thee. |
| 16 | Koa izay rehetra mihinana anao dia mba hohanina, ary izay rehetra mampahory anao dia ho lasan-ko babo, izay mamabo anao dia hobaboina, ary Izay rehetra mandroba anao dia hatolotro horobaina. | Therefore all they that devour thee shall be devoured; and all thine adversaries, every one of them, shall go into captivity; and they that spoil thee shall be a spoil, and all that prey upon thee will I give for a prey. |
| 17 | Fa hotanterahiko ny fanasitranana anao, eny, hositraniko ny faharatranao, hoy Jehovah, noho ny nanaovany anao hoe: Ilay noroahina, sy hoe: Ziona tsy misy mpitady ity. | For I will restore health unto thee, and I will heal thee of thy wounds, saith the Lord; because they called thee an Outcast, saying, This is Zion, whom no man seeketh after. |
| 18 | Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hampodiko avy amin’ ny fahababoana ny lain’ i Jakoba, ary ny fonenany dia hamindrako fo; ka ny tanàna dia haorina ao amin’ ny havoany, ary ny lapan’ andriana hitoetra ao amin’ izay mahamety azy. | Thus saith the Lord; Behold, I will bring again the captivity of Jacob’s tents, and have mercy on his dwellingplaces; and the city shall be builded upon her own heap, and the palace shall remain after the manner thereof. |
| 19 | Ary hisy fisaorana sy feon’ ny mifaly avy ao; Dia hahamaro azy Aho, ka tsy ho vitsy izy, sady hanome voninahitra azy Aho, ka tsy ho ambany izy. | And out of them shall proceed thanksgiving and the voice of them that make merry: and I will multiply them, and they shall not be few; I will also glorify them, and they shall not be small. |
| 20 | Ny zanany koa ho tahaka ny tany aloha, ary ny fiangonany hampitoerina eo anatrehako, dia hovaliako izay rehetra mampahory azy. | Their children also shall be as aforetime, and their congregation shall be established before me, and I will punish all that oppress them. |
| 21 | Ary ilay malazany dia ho avy ao aminy ihany, ary ny mpanapaka azy dia ho avy ao aminy ihany koa; Ary hampanakaiky azy Aho, ka dia hanatona Ahy izy, fa iza no sahy hanao ny ainy ho antoka ka hanatona Ahy? hoy Jehovah. | And their nobles shall be of themselves, and their governor shall proceed from the midst of them; and I will cause him to draw near, and he shall approach unto me: for who is this that engaged his heart to approach unto me? saith the Lord. |
| 22 | Ary ianareo ho oloko, ary Izaho ho Andriamanitrareo. | And ye shall be my people, and I will be your God. |
| 23 | He! ny tadion’ i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin’ ny lohan’ ny ratsy fanahy. | Behold, the whirlwind of the Lord goeth forth with fury, a continuing whirlwind: it shall fall with pain upon the head of the wicked. |
| 24 | Ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany. | The fierce anger of the Lord shall not return, until he have done it, and until he have performed the intents of his heart: in the latter days ye shall consider it. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL