예레미야애가 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 예레미야애가 (Lamentations) · 66절
- 1 Izaho ilay lehilahy nahita fahoriana tamin’ ny tsorakazon’ ny fahatezerany.
- 2 Izaho no notarihiny sy nampandehaniny ho amin’ ny maizina, fa tsy ho amin’ ny mazava.
- 3 Izaho ihany no asian’ ny tànany mandritra ny andro mandrakariva.
- 4 Nataony antitra ny nofoko sy ny hoditro, notapatapahiny ny taolako.
- 5 Manorina izay hamelezany ahy Izy ary manemitra ahy amin’ ny zava-mangidy sy ny fahoriana.
- 6 Ampitoeriny ao amin’ ny maizina toy izay efa maty fahagola aho.
- 7 Nofefeny manodidina aho ka tsy afa-nivoaka, nataony mavesatra ny gadrako.
- 8 Ary na dia mitaraina sy minananana aza aho, dia tampenany ny fivavako.
- 9 Vato voapaika no narafiny natampiny ny lalako, naolikoliny ny alehako.
- 10 Tonga bera manotrika ahy Izy, ary toy ny liona ao amin’ ny fierena;
- 11 Namily ny alehako Izy, ary noviravirainy aho ka nataony mahatsiravina.
- 12 Nanenjana ny tsipìkany Izy ka nanangana ahy ho toy ny marika hokendrena zana-tsipìka.
- 13 Nampitsatoka ny zana-tsipìkany tamin’ ny voako Izy.
- 14 Tonga fihomehezan’ ny fireneko rehetra aho sady ataony an-kira mandritra ny andro.
- 15 Novokisany zava-mangidy aho ary nobobohany zava-mahafaty.
- 16 Ary notorotoroiny tamin’ ny sila-bato ny nifiko, sady natsinkasinkasiny tamin’ ny lavenona aho.
- 17 Ary noroahinao tsy hahita fiadanana ny fanahiko, ka efa hadinoko ny tsara.
- 18 Dia hoy izaho: Levona ny faharetako sy ny fanantenako an’ i Jehovah.
- 19 Tsarovy ny fahoriako sy ny fanjenjenako, dia ny zava-mahafaty sy ny rano mangidy.
- 20 Tsaroan’ ny fanahiko indrindra izany, ka mitanondrika ato anatiko izy.
- 21 Izany no ho eritreretiko ato am-poko, ka dia hanantena aho.
- 22 Ny famindram-pon’ i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany.
- 23 Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao.
- 24 Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho.
- 25 Tsara Jehovah amin’ izay manantena Azy, dia amin’ ny olona izay mitady Azy.
- 26 Tsara ny miandry ny famonjen’ i Jehovah amin’ ny fanginana.
- 27 Tsara amin’ ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy.
- 28 Aoka hanjokaiky irery izy ka hangina, raha ampitondraina izany.
- 29 Aoka hanohoka ny vavany eo amin’ ny vovoka izy, angamba hisy hantenaina.
- 30 Aoka hanolotra ny takolany ho amin’ izay mamely azy izy ka ho feno latsa.
- 31 Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo;
- 32 Eny fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben’ ny famindram-pony.
- 33 Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak’ olombelona.
- 34 Ny fanitsakitsahana ny mpifatotra rehetra ambonin’ ny tany ho eo ambanin’ ny tongotra,
- 35 Ny familiana ny rariny amin’ ny olona eo anatrehan’ ny Avo Indrindra,
- 36 Ny famadihana ny adin’ ny olona, dia samy tsy sitraky ny Tompo.
- 37 Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian’ ny Tompo?
- 38 Tsy avy amin’ ny vavan’ ny Avo Indrindra va no ivoahan’ ny soa sy ny loza?
- 39 Koa ahoana no imonomononan’ ny olona mbola velona, fa no tsy aleo misento noho ny amin’ ny fahotany avy?
- 40 Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin’ i Jehovah.
- 41 Aoka hasandratsika amin’ Andriamanitra any an-danitra ny fontsika sy ny tanantsika.
- 42 Izahay efa nanota sy nanao ditra, ary Hianao kosa tsy namela heloka.
- 43 Nisarona fahatezerana Hianao ka nanenjika anay; eny, novonoinao izahay, fa tsy niantranao.
- 44 Nisarona rahona Hianao, ka dia voasakana ny vavaka.
- 45 Nataonao tahaka ny fakofako sy ny zavatra nariana teo afovoan’ ny firenena izahay.
- 46 Ny fahavalonay rehetra misanasana vava aminay.
- 47 Mahavoa anay ny tahotra sy ny lavaka ary ny fandringanana sy ny fahatorotoroana.
- 48 Rano mandriaka no mijononoka amin’ ny masoko noho ny faharatran’ ny oloko zanakavavy.
- 49 Ny masoko mandrotsa-dranomaso ka tsy mijanona, eny, tsy misy fiatoana,
- 50 Ambara-pitazan’ i Jehovah ka ho tsinjony any an-danitra.
- 51 Ny masoko mampiditra fahoriana ho an’ ny fanahiko noho ny amin’ ny zanakavavin’ ny tanànako rehetra.
- 52 Izay fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana dia nanenjika ahy mafy hoatra ny fanenjika voron-kely.
- 53 Nanjera ahy tao an-davaka famoriandrano izy ka nitady hahafaty ahy sady nitora-bato ahy.
- 54 Mandifotra ny lohako ny rano, ka dia hoy izaho: Maty aho ity!
- 55 Jehovah ô, niantso ny anaranao tany an-davaka lalina indrindra aho.
- 56 Ny feoko dia efa renao, aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho.
- 57 Nanakaiky Hianao tamin’ ny andro niantsoako Anao, ka dia hoy Hianao: Aza matahotra.
- 58 Tompo ô, Hianao nandahatra ny adiko izay nikasika ny aiko, eny, nanavotra ny aiko Hianao.
- 59 Jehovah ô, hitanao ny fitsarana miangatra natao tamiko, ka mba tsarao ny adiko.
- 60 Hitanao ny famalian-dratsy rehetra ataon’ ireo, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy
- 61 Jehovah ô, efa renao ny latsa ataony, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy,
- 62 Dia ny molotr’ izay mitsangana hanohitra ahy sy ny saina ataony mandritra ny andro hamelezana ahy.
- 63 Jereo ny fipetrany sy ny fitsangany, fa ataony an-kira aho.
- 64 Hovalianao araka ny asan’ ny tànany izy, Jehovah ô.
- 65 Eny, hohamaizininao ny fony, hihatra aminy ny ozonao.
- 66 Henjehinao amin’ ny fahatezerana izy ka haringanao tsy ho etỳ ambanin’ ny lanitr’ i Jehovah.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗