예레미야애가 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 예레미야애가 (Lamentations) · 66절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Izaho ilay lehilahy nahita fahoriana tamin’ ny tsorakazon’ ny fahatezerany. | I am the man that hath seen affliction by the rod of his wrath. |
| 2 | Izaho no notarihiny sy nampandehaniny ho amin’ ny maizina, fa tsy ho amin’ ny mazava. | He hath led me, and brought me into darkness, but not into light. |
| 3 | Izaho ihany no asian’ ny tànany mandritra ny andro mandrakariva. | Surely against me is he turned; he turneth his hand against me all the day. |
| 4 | Nataony antitra ny nofoko sy ny hoditro, notapatapahiny ny taolako. | My flesh and my skin hath he made old; he hath broken my bones. |
| 5 | Manorina izay hamelezany ahy Izy ary manemitra ahy amin’ ny zava-mangidy sy ny fahoriana. | He hath builded against me, and compassed me with gall and travail. |
| 6 | Ampitoeriny ao amin’ ny maizina toy izay efa maty fahagola aho. | He hath set me in dark places, as they that be dead of old. |
| 7 | Nofefeny manodidina aho ka tsy afa-nivoaka, nataony mavesatra ny gadrako. | He hath hedged me about, that I cannot get out: he hath made my chain heavy. |
| 8 | Ary na dia mitaraina sy minananana aza aho, dia tampenany ny fivavako. | Also when I cry and shout, he shutteth out my prayer. |
| 9 | Vato voapaika no narafiny natampiny ny lalako, naolikoliny ny alehako. | He hath inclosed my ways with hewn stone, he hath made my paths crooked. |
| 10 | Tonga bera manotrika ahy Izy, ary toy ny liona ao amin’ ny fierena; | He was unto me as a bear lying in wait, and as a lion in secret places. |
| 11 | Namily ny alehako Izy, ary noviravirainy aho ka nataony mahatsiravina. | He hath turned aside my ways, and pulled me in pieces: he hath made me desolate. |
| 12 | Nanenjana ny tsipìkany Izy ka nanangana ahy ho toy ny marika hokendrena zana-tsipìka. | He hath bent his bow, and set me as a mark for the arrow. |
| 13 | Nampitsatoka ny zana-tsipìkany tamin’ ny voako Izy. | He hath caused the arrows of his quiver to enter into my reins. |
| 14 | Tonga fihomehezan’ ny fireneko rehetra aho sady ataony an-kira mandritra ny andro. | I was a derision to all my people; and their song all the day. |
| 15 | Novokisany zava-mangidy aho ary nobobohany zava-mahafaty. | He hath filled me with bitterness, he hath made me drunken with wormwood. |
| 16 | Ary notorotoroiny tamin’ ny sila-bato ny nifiko, sady natsinkasinkasiny tamin’ ny lavenona aho. | He hath also broken my teeth with gravel stones, he hath covered me with ashes. |
| 17 | Ary noroahinao tsy hahita fiadanana ny fanahiko, ka efa hadinoko ny tsara. | And thou hast removed my soul far off from peace: I forgat prosperity. |
| 18 | Dia hoy izaho: Levona ny faharetako sy ny fanantenako an’ i Jehovah. | And I said, My strength and my hope is perished from the Lord: |
| 19 | Tsarovy ny fahoriako sy ny fanjenjenako, dia ny zava-mahafaty sy ny rano mangidy. | Remembering mine affliction and my misery, the wormwood and the gall. |
| 20 | Tsaroan’ ny fanahiko indrindra izany, ka mitanondrika ato anatiko izy. | My soul hath them still in remembrance, and is humbled in me. |
| 21 | Izany no ho eritreretiko ato am-poko, ka dia hanantena aho. | This I recall to my mind, therefore have I hope. |
| 22 | Ny famindram-pon’ i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany. | It is of the Lord’s mercies that we are not consumed, because his compassions fail not. |
| 23 | Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao. | They are new every morning: great is thy faithfulness. |
| 24 | Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho. | The Lord is my portion, saith my soul; therefore will I hope in him. |
| 25 | Tsara Jehovah amin’ izay manantena Azy, dia amin’ ny olona izay mitady Azy. | The Lord is good unto them that wait for him, to the soul that seeketh him. |
| 26 | Tsara ny miandry ny famonjen’ i Jehovah amin’ ny fanginana. | It is good that a man should both hope and quietly wait for the salvation of the Lord. |
| 27 | Tsara amin’ ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy. | It is good for a man that he bear the yoke in his youth. |
| 28 | Aoka hanjokaiky irery izy ka hangina, raha ampitondraina izany. | He sitteth alone and keepeth silence, because he hath borne it upon him. |
| 29 | Aoka hanohoka ny vavany eo amin’ ny vovoka izy, angamba hisy hantenaina. | He putteth his mouth in the dust; if so be there may be hope. |
| 30 | Aoka hanolotra ny takolany ho amin’ izay mamely azy izy ka ho feno latsa. | He giveth his cheek to him that smiteth him: he is filled full with reproach. |
| 31 | Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo; | For the Lord will not cast off for ever: |
| 32 | Eny fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben’ ny famindram-pony. | But though he cause grief, yet will he have compassion according to the multitude of his mercies. |
| 33 | Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak’ olombelona. | For he doth not afflict willingly nor grieve the children of men. |
| 34 | Ny fanitsakitsahana ny mpifatotra rehetra ambonin’ ny tany ho eo ambanin’ ny tongotra, | To crush under his feet all the prisoners of the earth, |
| 35 | Ny familiana ny rariny amin’ ny olona eo anatrehan’ ny Avo Indrindra, | To turn aside the right of a man before the face of the most High, |
| 36 | Ny famadihana ny adin’ ny olona, dia samy tsy sitraky ny Tompo. | To subvert a man in his cause, the Lord approveth not. |
| 37 | Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian’ ny Tompo? | Who is he that saith, and it cometh to pass, when the Lord commandeth it not? |
| 38 | Tsy avy amin’ ny vavan’ ny Avo Indrindra va no ivoahan’ ny soa sy ny loza? | Out of the mouth of the most High proceedeth not evil and good? |
| 39 | Koa ahoana no imonomononan’ ny olona mbola velona, fa no tsy aleo misento noho ny amin’ ny fahotany avy? | Wherefore doth a living man complain, a man for the punishment of his sins? |
| 40 | Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin’ i Jehovah. | Let us search and try our ways, and turn again to the Lord. |
| 41 | Aoka hasandratsika amin’ Andriamanitra any an-danitra ny fontsika sy ny tanantsika. | Let us lift up our heart with our hands unto God in the heavens. |
| 42 | Izahay efa nanota sy nanao ditra, ary Hianao kosa tsy namela heloka. | We have transgressed and have rebelled: thou hast not pardoned. |
| 43 | Nisarona fahatezerana Hianao ka nanenjika anay; eny, novonoinao izahay, fa tsy niantranao. | Thou hast covered with anger, and persecuted us: thou hast slain, thou hast not pitied. |
| 44 | Nisarona rahona Hianao, ka dia voasakana ny vavaka. | Thou hast covered thyself with a cloud, that our prayer should not pass through. |
| 45 | Nataonao tahaka ny fakofako sy ny zavatra nariana teo afovoan’ ny firenena izahay. | Thou hast made us as the offscouring and refuse in the midst of the people. |
| 46 | Ny fahavalonay rehetra misanasana vava aminay. | All our enemies have opened their mouths against us. |
| 47 | Mahavoa anay ny tahotra sy ny lavaka ary ny fandringanana sy ny fahatorotoroana. | Fear and a snare is come upon us, desolation and destruction. |
| 48 | Rano mandriaka no mijononoka amin’ ny masoko noho ny faharatran’ ny oloko zanakavavy. | Mine eye runneth down with rivers of water for the destruction of the daughter of my people. |
| 49 | Ny masoko mandrotsa-dranomaso ka tsy mijanona, eny, tsy misy fiatoana, | Mine eye trickleth down, and ceaseth not, without any intermission, |
| 50 | Ambara-pitazan’ i Jehovah ka ho tsinjony any an-danitra. | Till the Lord look down, and behold from heaven. |
| 51 | Ny masoko mampiditra fahoriana ho an’ ny fanahiko noho ny amin’ ny zanakavavin’ ny tanànako rehetra. | Mine eye affecteth mine heart because of all the daughters of my city. |
| 52 | Izay fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana dia nanenjika ahy mafy hoatra ny fanenjika voron-kely. | Mine enemies chased me sore, like a bird, without cause. |
| 53 | Nanjera ahy tao an-davaka famoriandrano izy ka nitady hahafaty ahy sady nitora-bato ahy. | They have cut off my life in the dungeon, and cast a stone upon me. |
| 54 | Mandifotra ny lohako ny rano, ka dia hoy izaho: Maty aho ity! | Waters flowed over mine head; then I said, I am cut off. |
| 55 | Jehovah ô, niantso ny anaranao tany an-davaka lalina indrindra aho. | I called upon thy name, O Lord, out of the low dungeon. |
| 56 | Ny feoko dia efa renao, aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho. | Thou hast heard my voice: hide not thine ear at my breathing, at my cry. |
| 57 | Nanakaiky Hianao tamin’ ny andro niantsoako Anao, ka dia hoy Hianao: Aza matahotra. | Thou drewest near in the day that I called upon thee: thou saidst, Fear not. |
| 58 | Tompo ô, Hianao nandahatra ny adiko izay nikasika ny aiko, eny, nanavotra ny aiko Hianao. | O Lord, thou hast pleaded the causes of my soul; thou hast redeemed my life. |
| 59 | Jehovah ô, hitanao ny fitsarana miangatra natao tamiko, ka mba tsarao ny adiko. | O Lord, thou hast seen my wrong: judge thou my cause. |
| 60 | Hitanao ny famalian-dratsy rehetra ataon’ ireo, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy | Thou hast seen all their vengeance and all their imaginations against me. |
| 61 | Jehovah ô, efa renao ny latsa ataony, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy, | Thou hast heard their reproach, O Lord, and all their imaginations against me; |
| 62 | Dia ny molotr’ izay mitsangana hanohitra ahy sy ny saina ataony mandritra ny andro hamelezana ahy. | The lips of those that rose up against me, and their device against me all the day. |
| 63 | Jereo ny fipetrany sy ny fitsangany, fa ataony an-kira aho. | Behold their sitting down, and their rising up; I am their musick. |
| 64 | Hovalianao araka ny asan’ ny tànany izy, Jehovah ô. | Render unto them a recompence, O Lord, according to the work of their hands. |
| 65 | Eny, hohamaizininao ny fony, hihatra aminy ny ozonao. | Give them sorrow of heart, thy curse unto them. |
| 66 | Henjehinao amin’ ny fahatezerana izy ka haringanao tsy ho etỳ ambanin’ ny lanitr’ i Jehovah. | Persecute and destroy them in anger from under the heavens of the Lord. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL