열왕기하 15장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 열왕기하 (2 Kings) · 38절
- 1 Tamin’ ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan’ i Jeroboama, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Azaria, zanak’ i Amazia, mpanjakan’ ny Joda.
- 2 Enina ambin’ ny folo taona izy, fony vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema.
- 3 Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon’ i Amazia rainy;
- 4 kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo ihany ny olona.
- 5 Ary Jehovah namely ny mpanjaka, ka dia boka mandra-pahafatiny izy ka nitoetra tao an-trano nitokana. Ary Jotama, zanakalahin’ ny mpanjaka, no nanapaka tao an-dapa sy nitsara ny vahoaka.
- 6 Ary ny tantaran’ i Azaria sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
- 7 Ary Azaria dia lasa nodimandry any amin’ ny razany, ka nalevina tao amin’ ny razany tao an-tanànan’ i Davida izy; ary Jotama zanany no nanjaka nandimby azy.
- 8 Tamin’ ny taona fahavalo amby telo-polo nanjakan’ i Azaria, mpanjakan’ ny Joda, no nanjakan’ i Zakaria, zanak’ i Jeroboama, tamin’ ny Isiraely, ary nanjaka enim-bolana tao Samaria izy.
- 9 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah tahaka ny nataon’ ny razany izy, fa tsy niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, Izay nampanotany ny Isiraely.
- 10 Ary Saloma, zanak’ i Jabesy, nikomy taminy, dia namely azy teo anatrehan’ ny olona ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.
- 11 Ary ny tantaran’ i Zakaria sisa, indro fa efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany.
- 12 Izany no ilay tenin’ i Jehovah nolazainy tamin’ i Jeho hoe: Ny taranakao hatramin’ ny zafindohalika dia hipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely. Ka dia tanteraka izany.
- 13 Ary Saloma, zanak’ i Jabesy, dia vao nanjaka tamin’ ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan’ i Ozia, mpanjakan’ ny Joda; ary nanjaka andro iray volana tany Samaria izy.
- 14 Fa Menahema, zanak’ i Gady, niakatra avy tany Tirza ka nankany Samaria, dia namely an’ i Saloma, zanak’ i Jabesy, tany Samaria ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.
- 15 Ary ny tantaran’ i Saloma sisa mbamin’ ny nikomiany, indro fa efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany.
- 16 Tamin’ izany Menahema dia niala tany Tirza ka namely an’ i Tifsa mbamin’ izay rehetra tao hatramin’ ny sisin-taniny; fa tsy namoha vavahady azy Tifsa, ka dia nasiany, ary izay bevohoka rehetra tao notatahany.
- 17 Tamin’ ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan’ i Azaria, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Menahema, zanak’ i Gady, tamin’ ny Isiraely, ary nanjaka folo taona tao Samaria izy.
- 18 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa tamin’ ny androny rehetra dia tsy niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
- 19 Ary Pola, mpanjakan’ i Asyria, dia avy hananika ny tany; ary Menahema nanome an’ i Pola talenta volafotsy arivo mba hampitoetra ny fanjakana eo an-tànan’ i Menahema.
- 20 Ary nampandoavin’ i Menahema io vola io ny mpanankarena rehetra tamin’ ny Isiraely, dia sekely volafotsy dimam-polo avy isan-olona, homeny ny mpanjakan’ i Asyria. Ka dia niverina ny mpanjakan’ i Asyria, fa tsy nitoetra tao amin’ ny tany.
- 21 Ary ny tantaran’ i Menahema sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
- 22 Ary Menahema lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, ary Pekahia zanany no nanjaka nandimby azy.
- 23 Tamin’ ny taona fahadimam-polo nanjakan’ i Azaria, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Pekahia, zanak’ i Menahema, tamin’ ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa taona izy.
- 24 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa tsy niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
- 25 Ary Peka, zanak’ i Remalia, lefiny, dia nikomy taminy ka namely an’ i Pekahia mbamin’ i Argoba sy Aria teo Samaria, tao amin’ ny trano-avo amin’ ny lapa, ary teo amin’ Peka nisy olona dimam-polo lahy tamin’ ny taranak’ i Gileada; koa namono azy izy, dia nanjaka nandimby azy.
- 26 Ary ny tantaran’ i Pekahia sisa mbamin’ izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany.
- 27 Tamin’ ny taona faharoa amby dimam-polo nanjakan’ i Azaria, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Peka, zanak’ i Remalia, tamin’ ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa-polo taona izy.
- 28 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa tsy niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
- 29 Tamin’ ny andron’ i Peka, mpanjakan’ ny Isiraely, dia tonga Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, ka nahafaka an’ Iona sy Abela-beti-maka sy Janoa sy Kadesy sy Hazora sy Gileada ary Galilia, dia ny tanin’ ny Naftaly rehetra, ary nitondra ny olona ho babo tany Asyria izy.
- 30 Ary Hosea, zanak’ i Elaha, nikomy tamin’ i Peta, Zanak’ i Remalia, dia namely azy ho faty ka nanjaka nandimby azy tamin’ ny taona faharoa-polo nanjakan’ i Jotama, zanak’ i Ozia.
- 31 Ary ny tantaran’ i Peka sisa mbamin’ izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany.
- 32 Tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Peka, zanak’ i Remalia, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Jotama, zanak’ i Ozia, mpanjakan’ ny Joda.
- 33 Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary enina ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin’ i Zadoka.
- 34 Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy; tahaka izay rehetra nataon’ i Ozia rainy no nataony.
- 35 Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo ihany ny olona. Izy no nanao ny vavahady ambony amin’ ny tranon’ i Jehovah.
- 36 Ary ny tantaran’ i Jotama sisa mbamin’ Izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
- 37 Tamin’ izany andro Izany no vao nampandehanan’ i Jehovah an’ i Rezina, mpanjakan’ i Syria, sy Peka, zanak’ i Remalia, hanafika an’ i Joda.
- 38 Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida rainy izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗