열왕기하 14장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 열왕기하 (2 Kings) · 29절
- 1 Tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Joasy, zanak’ i Joahaza, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Amazia, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Joda.
- 2 Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema.
- 3 Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy, nefa tsy dia tahaka an’ i Davida rainy; fa tahaka izay rehetra nataon’ i Joasy rainy ihany no nataony.
- 4 Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo ihany ny olona.
- 5 Ary nony tafapetraka tsara teo an-tànany ny fanjakany, dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy.
- 6 Fa ny zanak’ ireo namono kosa dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ i Mosesy, izay nandidian’ i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin’ ny ataon’ ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin’ ny ataon’ ny rainy; fa samy hatao maty amin’ ny fahotany avy ny olona.
- 7 Izy no nahafaty ny Edomita iray alina tao amin’ ny Lohasahan-tsira sady nahafaka an’ i Sela tamin’ ny ady ary nanao azy hoe Joktela, izay mbola anarany mandraka androany.
- 8 Tamin’ izany Amazia dia naniraka olona tany amin’ i Joasy, zanak’ i Joahaza, zanak’ i Jeho, mpanjakan’ ny Isiraely, nanao hoe: Avia, aoka isika hihaona.
- 9 Fa Joasy mpanjakan’ ny Isiraely, naniraka tany amin’ i Amazia, mpanjakan’ ny Joda, nanao hoe: Ny tsilo izay tany Libanona naniraka tamin’ ny hazo sedera izay tany Libanona nanao hoe: Omeo ny zanako-lahy ny zanakao-vavy ho vadiny; ary dia namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy ny tsilo.
- 10 Efa namely an’ i Edoma tokoa ianao, ka dia nirehareha ny fonao; aoka hahafa-po anao ary izany voninahitra izany, ka mitoera ao an-tranonao ihany; fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin’ ny Joda koa ianao?
- 11 Fa tsy nanaiky Amazia. Koa dia niakatra Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely; ary izy sy Amazia, mpanjakan’ ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay any Joda.
- 12 Dia resy teo anoloan’ ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin’ ny lainy avy izy.
- 13 Ary Amazia, mpanjakan’ ny Joda, zanak’ i Joasy, zanak’ i Ahazia, nosamborin’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely tany Beti-semesy; ary dia nankany Jerosalema Joasy, ka nandravany efa-jato hakiho ny màndany hatramin’ ny vavahadin’ i Efraima ka hatramin’ ny vavahady an-jorony.
- 14 Ary nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra ary ny fanaka rehetra izay hita tao an-tranon’ i Jehovah sy tamin’ ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka mbamin’ ny olona natao antoka, ka dia niverina ho any Samaria izy.
- 15 Ary ny tantaran’ i Joasy sisa mbamin’ ny heriny sy ny niadiany tamin’ i Amazia, mpanjakan’ ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
- 16 Ary Joasy lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tany Samaria tao amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy; ary Jeroboama zanany no nanjaka nandimby azy.
- 17 Ary ny andro niainan’ i Amazia, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Joda, taorian’ ny nahafatesan’ i Joasy, zanak’ i Joahada, mpanjakan’ ny Isiraely, dia dimy ambin’ ny folo taona.
- 18 Ary ny tantaran’ i Amazia sisa, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
- 19 Ary ny olona niodina taminy tany Jerosalema, dia nandositra nankany Lakisy izy; fa ny olona nampanaraka namono azy tany.
- 20 Ary nasampiny tamin’ ny soavaly ny fatiny, dia nalevina tany Jerosalema tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida izy.
- 21 Ary ny vahoaka rehetra tamin’ ny Joda naka an’ i Azaria, izay vao enina ambin’ ny folo taona tamin’ izay, ka nampanjaka azy handimby an’ i Amazia rainy.
- 22 Izy no hanamboatra an’ i Elota ka nampody azy ho an’ ny Joda, rehefa lasa nodi-mandry any amin’ ny razany ny mpanjaka.
- 23 Tamin’ ny taona fahadimy ambin’ ny folo nanjakan’ i Amazia, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Jeroboama, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, tany Samaria, ary nanjaka iraika amby efa-polo taona izy.
- 24 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa tsy niala tamin’ ny fahotana rehetra izay nataon’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, sady nampanotany ny Isiraely.
- 25 Izy no nampody ny sisin-tanin’ ny Isiraely ka azony hatrany akaikin’ i Hamata ka hatramin’ ny ranomasin’ ny tani-hay, araka ny tenin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izay nampilazainy ny mpanompony, dia Jona, zanak’ i Amitahy, mpaminany tany Gata-hefera.
- 26 Fa efa hitan’ i Jehovah fa nangidy indrindra ny fahorian’ ny Isiraely; ary tsy nisy sisa, na ny voahazona na ny afaka, sady tsy nisy namonjy ny Isiraely akory.
- 27 Fa tsy mba nolazain’ i Jehovah fa hovonoiny tsy ho eo ambanin’ ny lanitra ny anaran’ ny Isiraely; fa ny tànan’ i Jeroboama, zanak’ i Joasy, no nentiny namonjy azy.
- 28 Ary ny tantaran’ i Jeroboama sisa mbamin’ izay nataony sy ny hery izay niadiany ary ny nampodiany an’ i Damaskosy sy Hamata, izay an’ ny Joda fahiny, ho an’ ny Isiraely, tsy efa voasoratra ao amin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
- 29 Ary Jeroboama lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia tao amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely; ary Zakaria zanany no nanjaka nandimby azy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗