열왕기상 14장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 열왕기상 (1 Kings) · 31절
- 1 Tamin’ izany andro izany dia narary Abia, zanak’ i Jeroboama.
- 2 Ary hoy Jeroboama tamin’ ny vadiny: Masìna ianao, mitsangàna, ka miovà endrika, mba tsy ho fantatr’ olona ho vadin’ i Jeroboama ianao; dia mankanesa any Silo, fa, indro, ao Ahia mpaminany, ilay nilaza tamiko fa ho mpanjakan’ ity firenena ity aho.
- 3 Koa mitondrà mofo folo sy mofo madinika ary tantely iray tavoara, ka mankanesa any aminy; fa izy hanambara aminao izay ho toetry ny zaza.
- 4 Dia nanao araka izany ny vadin’ i Jeroboama ka niainga nankany Silo izy, dia nankao an-tranon’ i Ahia. Ary Ahia tsy nahita, fa efa pahina ny masony noho ny fahantrany.
- 5 Ary Jehovah efa nilaza tamin’ i Ahia hoe: Indro, avy ny vadin’ i Jeroboama hanontany anao ny amin’ ny zanany, fa marary izy; ary izao ka izao no holazainao aminy; nefa raha miditra izy, dia hody vehivavy hafa.
- 6 Ary nony ren’ i Ahia ny fingodongodon’ ny tongony, raha vao niditra teo am-baravarana izy, dia hoy izy: Mandrosoa, ry vadin’ i Jeroboama; nahoana ianao no mody olonkafa? Fa izaho dia nirahina hitondra teny mafy aminao.
- 7 Koa mandehana, ka lazao amin’ i Jeroboama hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Satria nanandratra anao avy tamin’ ny olona Aho ka nanendry anao ho mpanapaka ny Isiraely oloko,
- 8 ary nendahako ny fanjakana ho afaka tamin’ ny taranak’ i Davida ka nomeko anao, nefa kosa ianao tsy mba nanao tahaka an’ i Davida mpanompoko, izay nitandrina ny teniko sy nanaraka Ahy tamin’ ny fony rehetra tsy hanao na inona na inona afa-tsy izay marina eo imasoko ihany;
- 9 fa nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohanao ianao, fa lasa nanao andriamani-kafa sy sarin-javatra an-idina ka nampahatezitra Ahy, fa Izaho efa narianao teo ivohonao:
- 10 koa noho izany dia, indro, hahatonga loza amin’ ny taranak’ i Jeroboama Aho ka handringana izay lehilahy rehetra amin’ ny tamingan’ i Jeroboama, na ny voahazona na ny afaka amin’ ny Isiraely, ary hanaisotra ny sisa amin’ ny taranak’ i Jeroboama Aho, toy ny fanaisotry ny olona ny diky ambara-paha-tsy hisy intsony.
- 11 Koa izay tamingan’ i Jeroboama maty ao an-tanàna dia hohanin’ ny alika; ary izay maty any an-tsaha dia hohanin’ ny voro-manidina; fa Jehovah no efa niteny.
- 12 Koa mitsangàna ianao, ka modia any an-tranonao; fa raha vao mijadona ao an-tanàna ny tongotrao, dia, indro, ho faty ny zaza.
- 13 Ary ny Isiraely rehetra hisaona sy handevina azy; fa amin’ ny tamingan’ i Jeroboama dia izy irery ihany no ho tonga ao am-pasana, satria izy ihany no nahitana fahatsaram-panahy ny amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
- 14 Ary Jehovah hanangana mpanjaka ho an’ ny Isiraely izay handringana ny taranak’ i Jeroboama amin’ izany andro izany; fa rahoviana ange izany? Izao ankehitriny izao ihany.
- 15 Fa Jehovah hamely ny Isiraely toy ny volotara hozongozonina any anaty rano sady hanongotra ny Isiraely amin’ ity tany soa nomeny ny razany ity ary hanely azy ho any an-dafin’ ny Ony, satria nanao ireo Aseraha izy ka nampahatezitra an’ i Jehovah.
- 16 Ary Izy hanolotra ny Isiraely noho ny fahotana izay nataon’ i Jeroboama sady nampanotany ny Isiraely.
- 17 Dia niainga ny vadin’ i Jeroboama ka lasa nandeha ary tonga tany Tirza; koa rehefa mby teo amin’ ny tokonam-baravarana izy, dia maty ny zazalahy;
- 18 dia nandevina azy ny Isiraely rehetra sady nisaona azy, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Ahia mpaminany mpanompony.
- 19 Ary ny tantaran’ i Jeroboama sisa, dia ny niadiany sy ny nanjakany, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany.
- 20 Ary ny andro nanjakan’ i Jeroboama dia roa amby roa-polo taona; dia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany izy; ary Nadaba zanany no nanjaka nandimby azy.
- 21 Ary Rehoboama, zanak’ i Solomona, no nanjaka tamin’ ny Joda. Efa iraika amby efa-polo taona Rehoboama, fony izy vao nanjaka, ary fito ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, tanàna nofidin’ i Jehovah tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra hametrahany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita.
- 22 Ary ny Joda nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ka nampahasaro-piaro Azy tamin’ ny fahotana izay nataony mihoatra noho izay rehetra nataon’ ny razany.
- 23 Fa izy koa nanao fitoerana avo ho azy sy tsangam-baton-tsampy ary Aseraha teny an-tampon’ ny tendrombohitra avo rehetra sy teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra.
- 24 Ary nisy olona nanolo-tena nijangajanga ho fanompoan-tsampy teo amin’ ny tany; ary nanaraka ny fahavetavetana rehetra fanaon’ ny firenena izay noroahin’ i Jehovah teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely izy.
- 25 Ary tamin’ ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan’ i Egypta, hamely an’ i Jerosalema;
- 26 dia nobaboiny ny rakitry ny tranon’ i Jehovah sy ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka ka lasany avokoa; ary nobaboiny koa ny ampinga volamena rehetra nataon’ i Solomona
- 27 Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon’ ireny ka nanolotra azy teo an-tànan’ ny lehiben’ ny mpiambina, izay niambina ny varavaran’ ny tranon’ ny mpanjaka
- 28 Ary na oviana na oviana no nidiran’ ny mpanjaka tao an-tranon’ i Jehovah, dia nentin’ ny mpiambina ireo ka naveriny tao an-trano fiambenana indray.
- 29 Ary ny tantaran-dRehoboama sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
- 30 Ary niady mandrakariva Rehoboama sy Jeroboama.
- 31 Ary Rehoboama lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita. Ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗