열왕기상 13장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 열왕기상 (1 Kings) · 34절
- 1 Ary, indro, nisy lehilahin’ Andriamanitra avy tany Joda tonga tany Betela noho ny tenin’ i Jehovah, raha mbola nitsangana teo anilan’ ny alitara handoro ditin-kazo manitra Jeroboama.
- 2 Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra niantso ny alitara araka ny tenin’ i Jehovah ka nanao hoe: Ry alitara ô, ry alitara ô! izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hisy zaza hateraka ho an’ ny taranak’ i Davida, Josia no ho anarany; ary hovonoiny ka hateriny eo amboninao ny mpisorona amin’ ny fitoerana avo izay mandoro ditin-kazo manitra eo amboninao, ary taolan’ olona no hodorana eo amboninao.
- 3 Ary naneho fahagagana androtrizay izy nanao hoe: Izao no fahagagana izay nolazain’ i Jehovah: Indro, hitresaka ny alitara, ka hikorotsaka ny lavenona izay eo amboniny.
- 4 Ary nony ren’ i Jeroboama mpanjaka ny tenin’ ny lehilahin’ Andriamanitra izay niantso ny alitara tao Betela, dia naninjitra ny tànany niala tamin’ ny alitara izy ka nanao hoe: Hazony ilehio. Dia maty iny tànany nahinjiny nanondro azy iny ka tsy azony noketrahina intsony.
- 5 Dia nitresaka koa ny alitara, ka nikorotsaka ny lavenona teo amboniny, araka ny fahagagana Izay nasehon’ ilay lehilahin’ Andriamanitra noho ny tenin’ i Jehovah.
- 6 Ary ny mpanjaka namaly ilay lehilahin’ Andriamanitra nanao hoe: Mba ifony amin’ i Jehovah Andriamanitrao aho, ka mivavaha ho ahy, mba ho azoko ketrahina indray ny tanako. Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra dia nifona tamin’ i Jehovah, ka dia azon’ ny mpanjaka noketrahina indray ny tànany ka tonga tahaka ny teo.
- 7 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra: Andeha hiaraka amiko ho any an-trano ianao mba hanao ody am-bavafo kely, sady homeko zavatra ianao.
- 8 Fa hoy ilay lehilahin’ Andriamanitra tamin’ ny mpanjaka: Na dia homenao ahy aza ny antsasaky ny ao an-tranonao, tsy hiditra any an-tranonao, na hihinan-kanina, na hisotro rano atỳ aho;
- 9 fa izao no tenin’ i Jehovah nandrara ahy: Aza mihinan-kanina, na misotro rano, na miverina amin’ izay lalana efa nalehanao.
- 10 Dia nandeha tamin’ ny lalana hafa izy, fa tsy niverina tamin’ ilay nalehany ho any Betela.
- 11 Fa nisy mpaminany antitra anankiray tao Betela; ary tonga ny zanany ka nilaza taminy izay rehetra nataon’ ilay lehilahin’ Andriamanitra androtr’ iny tao Betela; ary nolazain’ ireo tamin-drainy koa ny teny izay nolazain-dralehilahy tamin’ ny mpanjaka.
- 12 Ary hoy rainy taminy: Aiza no lalana nalehany? Fa ny zanany efa nahita ny lalana nalehan’ ilay lehilahin’ Andriamanitra izay tonga avy tany Joda.
- 13 Ary hoy izy tamin’ ny zanany: Asio lasely ny boriky hitaingenako. Dia nasiany lasely ny boriky hitaingenany, ka dia nitaingenany.
- 14 Ary dia nanaraka ilay lehilahin’ Andriamanitra izy ka nahita azy nipetraka teo ambanin’ ny hazo terebinta; ka hoy izy taminy: Hianao moa ilay lehilahin’ Andriamanitra avy tany Joda? Ary hoy izy: Eny, izaho no izy.
- 15 Dia hoy izy taminy: Andeha hiaraka amiko ho any an-tranoko mba hihinan-kanina.
- 16 Fa hoy kosa izy: Tsy mahazo miverina hiaraka aminao aho na hiditra any an-tranonao, ary tsy hihinan-kanina na hisotro rano aminao atỳ aho,
- 17 satria tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah hoe: Aza mihinan-kanina, na misotro rano any, ary aza miverina amin’ ny lalana efa nalehanao.
- 18 Fa hoy kosa izy taminy: Izaho koa mba mpaminany tahaka anao ihany; ary nisy anjely nilaza tamiko araka ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: Ento miverina hiaraka aminao ho any an-tranonao izy hihinan-kanina sy hisotro rano. Kanjo laingany izany.
- 19 Dia niverina niaraka taminy izy ka nihinan-kanina sy nisotro rano tao an-tranony.
- 20 Ary raha mbola nipetraka teo amin’ ny latabatra izy roa lahy, dia tonga tamin’ ilay mpaminany nitondra azy niverina ny tenin’ i Jehovah;
- 21 ary izy niteny mafy tamin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra avy tany Joda hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Satria nandà ny tenin’ i Jehovah ianao ka tsy nitandrina ny didy izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao,
- 22 fa niverina nihinan-kanina sy nisotro rano tany amin’ ny tany izay nandraran’ i Jehovah anao hoe: Aza mihinan-kanina na misotro rano, dia tsy ho tonga any am-pasan-drazanao ny fatinao.
- 23 Ary rehefa avy nihinana sy nisotro izy, dia nasiany lasely ny boriky hitaingenan’ ilay mpaminany naveriny.
- 24 Ary nony nandeha izy, dia nisy liona nifanena taminy teny an-dalana ka nahafaty azy; ary ny fatiny dia niampatra teo an-dalana, ary ny boriky nijanona teo anilany, ary ny liona koa nijanona teo anilan’ ny faty.
- 25 Ary, indreo nisy olona nandalo ka nahita ny faty niampatra teo an-dalana sy ny liona nijanona teo anilan’ ny faty, dia lasa nandeha ireo ka nilaza izany tany an-tanàna izay nitoeran’ ilay mpaminany antitra.
- 26 Ary nony nandre izany ilay mpaminany izay namerina azy tany an-dalana, dia hoy izy: Ilay lehilahin’ Andriamanitra nandà ny tenin’ i Jehovah izay; fa natolotr’ i Jehovah ny liona izy ka noviravirainy sy novonoiny araka ny tenin’ i Jehovah, izay efa nolazainy taminy.
- 27 Ary izy niteny tamin’ ny zananilahy hoe: Asio lasely ny boriky hitaingenako. Dia nasiany lasely izy.
- 28 Ary nony nandeha izy, dia nahita ny fatin-dralehilahy niampatra teo an-dalana, ary ny boriky sy ny liona samy nijanona teo anilan’ ny faty; nefa ny liona tsy nihinana ny faty na namiravira ny boriky.
- 29 Ary nobetain’ ilay mpaminany ny fatin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra ka nasampiny tamin’ ny boriky, dia nentiny niverina; ary tonga tao an-tanàna ilay mpaminany antitra mba hisaona sy handevina azy.
- 30 Ary ny fatin-dralehilahy naleviny tao am-pasany, dia nitomanian’ ny olona hoe: Indrisy, ry rahalahiko!
- 31 Ary rehefa voaleviny ralehilahy, dia hoy izy tamin’ ny zanany: Rehefa maty aho, dia mba aleveno ao amin’ ny fasana izay ilevenan’ ilay lehilahin’ Andriamanitra, ka ataovy eo anilan’ ny taolany ny taolako;
- 32 fa tsy maintsy ho tanteraka ilay teny nantsoiny noho ny tenin’ i Jehovah nilaza ny loza ho tonga amin’ ny alitara ao Betela sy amin’ ny trano rehetra eny amin’ ny fitoerana avo izay any an-tanànan’ i Samaria.
- 33 Rehefa afaka izany, Jeroboama dia tsy mbola niala tamin’ ny lalan-dratsiny ihany, fa mbola naka tamin’ ny ankabiazam-bahoaka ho mpisorona amin’ ny fitoerana avo; koa na iza na iza tia izany dia natokany, mba ho tonga mpisorona amin’ ny fitoerana avo.
- 34 Ary dia tonga fahotan’ ny taranak’ i Jeroboama izany ka namongorana sy nandringanana azy tsy ho eo ambonin’ ny tany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗