로그인

역대상 25장 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 역대상 (1 Chronicles) · 31절

  1. 1 Ary ny taranak’ i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan’ i Davida sy ireo komandin’ ny miaramila ho amin’ ny fanompoana mba haminany amin’ ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan’ ny mpanao araka ny fanompoany avy:
  2. 2 Tamin’ ny zanakalahin’ i Asafa dia Zakora sy Josefa sy Netania ary Asarela, zanak’ i Asafa, nofehezin’ i Asafa, izay naminany araka izay nifehezan’ ny mpanjaka azy.
  3. 3 Tamin’ i Jedotona, ny zanany dia Gedalia sy Zery sy Jesaia sy Hasabia ary Matitia, enin-dahy ireo ka nofehezin’ i Jedotona rainy, izay naminany tamin’ ny lokanga hidera sy hisaotra an’ i Jehovah.
  4. 4 Tamin’ i Hemana, ny zanany dia Bokia, Matania, Oziela, Seboela sy Jerimota, Hanania, Hanany, Eliata, Gidalty sy Romamti-ezera sy Josbekasa sy Maloty sy Hotira ary Mahaziota.
  5. 5 Ireo rehetra ireo no zanak’ i Hemana, mpahitan’ ny mpanjaka ny amin’ ny tenin’ Andriamanitra, hanandratra ny tandroka. Ary Hemana dia efa nomen’ Andriamanitra zazalahy efatra ambin’ ny folo sy zazavavy telo.
  6. 6 Ireo rehetra ireo no fehin’ ny rainy tamin’ ny hira natao tao an-tranon’ i Jehovah tamin’ ny kipantsona sy ny valiha sy ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitra; Asafa sy Jedotona ary Hemana dia nofezehin’ ny mpanjaka.
  7. 7 Ary ny isany mbamin’ ny rahalahiny, izay efa nianatra ny hira ho an’ i Jehovah izay rehetra nahay dia valo amby valo-polo amby roan-jato.
  8. 8 Ary nanao filokana ny amin’ ny anjara-raharahany avy izy, na ny kely na ny lehibe, na ny mpampianatra na ny mpianatra.
  9. 9 Ary ny loka voalohany dia azon’ i Josefa avy amin’ ny taranak’ i Asafa; ny faharoa an’ i Gedalia, izy mbamin’ ny rahalahiny sy ny zanany, dia roa ambin’ ny folo;
  10. 10 ny fahatelo an’ i Zakora, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
  11. 11 ny fahefatra an’ i Jizry, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
  12. 12 ny fahadimy an’ i Netania, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
  13. 13 ny fahenina an’ i Bokia, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
  14. 14 ny fahafito an’ i Jesarela, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
  15. 15 ny fahavalo an’ i Jesaia, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
  16. 16 ny fahasivy an’ i Matania, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
  17. 17 ny fahafolo an’ i Simey, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
  18. 18 ny fahiraika ambin’ ny folo an’ i Azarela, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
  19. 19 ny faharoa ambin’ ny folo an’ i Hasabia, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
  20. 20 ny fahatelo ambin’ ny folo an’ i Sobaela, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
  21. 21 ny fahefatra ambin’ ny folo an’ i Matitia, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin’ ny folo;
  22. 22 ny fahadimy ambin’ ny folo an’ i Jeremota, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin’ ny folo;
  23. 23 ny fahenina ambin’ ny folo an’ i Hanania, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
  24. 24 ny fahafito ambin’ ny folo an’ i Josbekasa, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
  25. 25 ny fahavalo ambin’ ny folo an’ i Hanany, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
  26. 26 ny fahasivy ambin’ ny folo an’ i Maloty, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
  27. 27 ny faharoa-polo an’ i Eliata, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
  28. 28 ny fahiraika amby roa-polo an’ i Hotira, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
  29. 29 ny faharoa amby roa-polo an’ i Gidalty, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
  30. 30 ny fahatelo amby roa-polo an’ i Mahaziota, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
  31. 31 ny fahefatra amby roa-polo an’ i Romamti-ezera, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗