역대상 24장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 역대상 (1 Chronicles) · 31절
- 1 Ary ny amin’ ny taranak’ i Arona dia izao no nizarana azy ho antokony: Ny zanakalahin’ i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara;
- 2 fa Nadaba sy Abiho dia maty talohan-drainy sady samy tsy nanan-janaka, koa dia Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana.
- 3 Ary Davida sy Zadoka, isan’ ny taranak’ i Eleazara, sy Ahimeleka, isan’ ny taranak’ Itamara, dia nizara azy araka ny antokony sy ny fanompoany avy.
- 4 Ary ny lohany tamin’ ireo, dia tamin’ ny taranak’ i Eleazara, no maromaro kokoa noho ny tamin’ ny taranak’ Itamara, ka dia nozarainy toy izao izy: Tamin’ ny taranak’ i Eleazara dia enina ambin’ ny folo no lohan’ ny fianakaviana; ary tamin’ ny taranak’ Itamara dia valo kosa no lohan’ ny fianakaviana.
- 5 Ary samy nozarazaraina tamin’ ny filokana avokoa izy rehetra; fa samy mpifehy masìna, dia mpifehy ho an’ Andriamanitra avokoa, na ny avy tamin’ ny taranak’ i Eleazara, na ny avy tamin’ ny taranak’ Itamara.
- 6 Ary Semaia, zanak’ i Netanela, mpanoratra anankiray tamin’ ny Levita, no nanoratra azy teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka sy Zadoka mpisorona sy Ahimeleka, zanak’ i Abiatara, sy teo anatrehan’ ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny mpisorona sy ny Levita: fianakaviana iray no nalaina ho an’ i Eleazara, ary iray kosa ho an’ Itamara.
- 7 Ny loka voalohany dia azon’ i Joariba, ny faharoa an’ i Jedaia,
- 8 ny fahatelo an’ i Harima, ny fahefatra an’ i Seorima,
- 9 ny fahadimy an’ i Malkia, ny fahenina an’ i Miamina,
- 10 ny fahafito an’ i Hakoza, ny fahavalo an’ i Abia,
- 11 ny fahasivy an’ i Jesoa, ny fahafolo an’ i Sekania.
- 12 ny fahiraika ambin’ ny folo an’ i Eliasiba, ny faharoa ambin’ ny folo an’ i Jakima,
- 13 ny fahatelo ambin’ ny folo an’ i Hopa, ny fahefatra ambin’ ny folo an’ i Jesebaba,
- 14 ny fahadimy ambin’ ny folo an’ i Bilga, ny fahenina ambin’ ny folo an’ Imera,
- 15 ny fahafito ambin’ ny folo an’ i Hezira, ny fahavalo ambin’ ny folo an’ i Hafizeza,
- 16 ny fahasivy ambin’ ny folo an’ i Petahia, ny faharoa-polo an’ i Jehezekela,
- 17 ny fahiraika amby roa-polo an’ i Jakina, ny faharoa amby roa-polo an’ i Gamola,
- 18 ny fahatelo amby roa-polo an’ i Delaia, ny fahefatra amby roa-polo an’ i Mazia.
- 19 Ireo avy no antokony amin’ ny fanompoany izay idirany ao an-tranon’ i Jehovah araka ny fitsipika voatendrin’ i Arona rainy, araka ny nandidian’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, azy.
- 20 Ary tamin’ ny taranak’ i Levy sisa dia izao; Tamin’ ny taranak’ i Amrama dia Sobaela; tamin’ ny zanak’ i Sobaela dia Jedala.
- 21 Ny amin’ i Rehabia: tamin’ ny taranak’ i Rehabia dia Jisia no voalohany.
- 22 Tamin’ ny Jizarita dia Selomota; tamin’ ny taranak’ i Selomota dia Jahata.
- 23 Ary ny amin’ ny taranak’ i Sebrona dia Jeria no voalohany, Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo, Jekameama no fahefatra.
- 24 Ny zanakalahin’ i Oziela dia Mika; tamin’ ny taranak’ i Mika dia Samira;
- 25 ny rahalahin’ i Mika dia Jisia; tamin’ ny taranak’ i Jisia dia Zakaria.
- 26 Ny zanakalahin’ i Merary dia Maly sy Mosy; ny zanakalahin’ i Jazia dia Beno.
- 27 Ny zanakalahin’ i Merary tamin’ i Jazia dia Beno sy Sohama sy Zakora ary Ibry.
- 28 Avy tamin’ i Maly no nihavian’ i Eleazara, izay tsy nanan-janakalahy.
- 29 Ny amin’ i Kisy, ny zananilahy dia Jeramela.
- 30 Ary ny zanakalahin’ i Mosy dia Maly sy Edera ary Jerimota. Ireo no taranaky ny Levita araka ny fianakaviany avy.
- 31 Ary ireo dia mba niara-niloka tamin’ ny rahalahiny, taranak’ i Arona, teo anatrehan’ i Davida mpanjaka sy Zadota sy Ahimeleka sy ny lohan’ ny fianakavian’ ny mpisorona sy ny Levita: niara-niloka avokoa na ny zokiny na ny zandriny.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗