여호수아 19장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 여호수아 (Joshua) · 51절
- 1 Ary ny loka faharoa dia azon’ i Simeona, dia ny firenena taranak’ i Simeona isam-pokony; ary ny lovany dia tao anatin’ ny lovan’ ny taranak’ i Joda.
- 2 Ary izao no azony ho lovany: Beri-sheba, na Seba, sy Molada
- 3 sy Hazara-soala sy Bala sy Azema
- 4 sy Eltolada sy Betola sy Horma
- 5 sy Ziklaga sy Beti-markabota sy Hazara-sosa
- 6 sy Beti-lebaota ary Sarohena: tanàna telo ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;
- 7 sy Aina sy Rimona sy Etera sy Asana: tanàna efatra sy ny zana-bohiny;
- 8 ary ny zana-bohitra rehetra manodidina ireo tanàna ireo hatrany Baleta-bera sy Rama amin’ ny tany atsimo. Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Simeona araka ny fotony.
- 9 Avy tamin’ ny anjaran’ ny taranak’ i Joda no nahazoan’ ny taranak’ i Simeona ny lovany; fa nalalaka loatra taminy ny anjaran’ ny taranak’ i Joda, ka izany no nahazoan’ ny taranak’ i Simeona anjara tao anatin’ ny azy.
- 10 Ary ny loka fahatelo dia azon’ ny taranak’ i Zebolona isam-pokony; ary ny faritanin’ ny lovany dia hatrany Sarida,
- 11 dia niakatra niankandrefana hatrany Marala, dia nahazo an’ i Dabeseta ka nihatra tamin’ ny lohasahan-driaka tandrifin’ i Jokneama,
- 12 dia nitodika niantsinanana hatrany Sarida ka hatramin’ ny fari-tanin’ i Rislota-tabara, dia nandroso hatrany Daberata ka niakatra hatrany Jafia,
- 13 dia nandroso niantsinanana hatrany Gata-hefera sy Ita-kazina ka nandroso hatrany Rimona, izay mipaka an’ i Nea,
- 14 dia niolaka eo avaratr’ iny ka nahazo an’ i Hanatona, dia nihatra tamin’ ny lohasaha Jifta-ela.
- 15 Ary Katata sy Nahalola sy Simrona sy Idala sy Betlehema, dia tanàna roa ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny.
- 16 Izany no lovan’ ny taranak’ i Zebolona araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
- 17 Ary ny loka fahefatra dia azon’ Isakara, dia ny taranak’ Isakara isam-pokony.
- 18 Ary ny fari-taniny dia hatrany Jezirela sy Kesolota sy Sonema
- 19 sy Hafraima sy Siona sy Anaharata
- 20 sy Rabita sy Kisiona sy Abeza
- 21 sy Rameta sy Enganima sy Enhada ary Beti-pazeza.
- 22 Ary ny fari-taniny dia nahazo an’ i Tabara sy Sahazoma sy Beti-semesy, ka dia nihatra tany Jordana: tanàna enina ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny.
- 23 Izany no lovan’ ny firenena taranak’ Isakara araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
- 24 Ary ny loka fahadimy dia azon’ ny firenena taranak’ i Asera isam-pokony.
- 25 Ary ny fari-taniny dia Helkata sy Haly sy Batena sy Aksafa
- 26 sy Alameleka sy Amada sy Misala, dia nihatra any Karmela eo andrefana sy Sihora-libnata,
- 27 dia nitodika niantsinanana ho any Beti-dagona ka nihatra any Zebolona sy ny lohasaha Jifta-ela any avaratra sy Bet-emeka sy Neiela, ka dia nihatra any Kabola eo ankavia
- 28 ary Ebrona sy Rehoba sy Hamona sy Kana ka hatrany Sidona lehibe,
- 29 dia nitodika hatrany Rama sy Tyro, tanàna mimanda, dia nitodika hatrany Hosa, ka dia nihatra tamin’ ny ranomasina teo akaikin’ ny tany Akziba
- 30 ary Oma sy Afeka ary Rehoba: tanàna roa amby roa-polo sy ny zana-bohiny.
- 31 Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Asera araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
- 32 Ary ny loka fahenina dia an’ ny taranak’ i Naftaly isam-pokony.
- 33 Ary ny fari-taniny dia hatrany Halefa ka hatramin’ ny hazo terebinta ao Zananima sy hatrany Adami-hanekeba sy Jabniela ka hatrany Lakoma, ka dia nihatra an’ i Jordana,
- 34 dia nitodika niankandrefana hatrany Aznota-tabara, dia nandroso hatrany Hokoka ary nihatra an’ i Zebolona eo atsimo sy Asera eo andrefana ary Joda amoron’ i Jordana eo atsinanana.
- 35 Ary ny tanàna mimanda dia Zidima Zera sy Hamata sy Rakata sy Kinereta
- 36 sy Adama sy Rama sy Hazora
- 37 sy Kadesy sy Edrehy sy En-hazora
- 38 sy Irona sy Migda ela sy Horema sy Bet-anata ary Beti-semesy: tanàna sivy ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny.
- 39 Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Naftaly araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
- 40 Ary ny loka fahafito dia an’ ny firenena taranak’ i Dana isam-pokony.
- 41 Ary ny fari-tanin’ ny lovany dia Zora sy Estaola sy Ira-semesy
- 42 sy Salabima sy Aialona sy Jitla
- 43 sy Elona sy Timna sy Ekrona
- 44 sy Elteke sy Gibetona sy Baleta
- 45 sy Jehoda sy Bene-beraka sy Gat-rimona
- 46 sy Me-jarkona sy Rakona ary ny tany tandrifin’ i Jopa.
- 47 Ary ny fari-tanin’ ny taranak’ i Dana dia nandroso nihoatra ireo; fa niakatra ny taranak’ i Dana, dia niady tamin’ i Lesema ka nahafaka azy ary namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra ka nahazo azy, dia nitoetra teo; ary ny anaran’ i Lesema nataony hoe Dana araka ny anaran’ i Dana rainy.
- 48 Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Dana araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
- 49 Dia vitany ny nizarana ny tany holovany araka ny fari-taniny, ka dia nomen’ ny Zanak’ Isiraely lova teo aminy koa Josoa, zanak’ i Nona.
- 50 Araka ny tenin’ i Jehovah dia nomeny azy ny tanàna izay nangatahiny, dia Timnata-sera any amin’ ny tany havoan’ i Efraima: dia nanamboatra ny tanàna izy ka nitoetra tao.
- 51 Ireo no lova izay nozarain’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely tao Silo teo anatrehan’ i Jehovah, dia teo am-baravaran’ ny trano-lay fihaonana, araka ny filokana. Dia vitany avokoa ny nizarany ny tany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗