여호수아 18장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 여호수아 (Joshua) · 28절
- 1 Dia nivory tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka nanangana ny trano-lay fihaonana tao. Ary ny tany dia resy teo anoloany.
- 2 Ary nisy firenena fito tamin’ ny Zanak’ Isiraely tsy mbola nahazo ny lovany.
- 3 Dia hoy Josoa tamin’ ny Zanak’ Isiraely: Mandra-pahoviana no hiahotrahoranareo tsy hiditra handova ny tany, izay omen’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo?
- 4 Mandoava telo lahy avy isam-pirenena, dia haniraka azy aho, ary hiainga izy ka handeha hitety ny tany ka hanoratra azy araka ny ho lovany, dia hiverina atỳ amiko.
- 5 Ary hizafa azy ho fito toko izy; ny Joda hitoetra any amin’ ny taniny ao atsimo, ary ny taranak’ i Josefa hitoetra any amin’ ny taniny ao avaratra.
- 6 Ary soratinareo ny tany ka ataovy fito toko; ary ento atỳ amiko ny soratra, dia hanao filokana ho anareo eto anatrehan’ i Jehovah Andriamanitsika aho.
- 7 Fa tsy mba manana anjara eo aminareo ny Levita; fa ny fisoronana amin’ i Jehovah no lovany; ary Gada sy Robena sy ny antsasaky ny firenen’ i Manase efa nahazo ny lovany any an-dafy atsinanan’ i Jordana, izay nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, azy.
- 8 Dia niainga ireo lehilahy ireo ka nandeha; ary Josoa nandidy izay nandeha hanoratra ny tany ka nanao hoe: Mandehana nitety ny tany, ka soraty izy, dia miverena atỳ amiko, ka eto Silo no hanaovako filokana ho anareo eo anatrehan’ i Jehovah.
- 9 Dia lasa ireo lehilahy ireo ka nandeha nitety ny tany, dia nanoratra azy tamin’ ny taratasy, ka nataony fito toko, araka ny tanàna, ary dia tafaverina tany amin’ i Josoa tao an-toby tao Silo izy.
- 10 Ary Josoa dia nanao filokana ho azy tao Silo teo anatrehan’ i Jehovah; ary tao no nizaran’ i Josoa ny tany ho an’ ny Zanak’ Isiraely araka ny fizarany.
- 11 Dia nahazo ny loka ny firenena taranak’ i Benjamina isam-pokony; ary ny faritry ny tany azony dia teo anelanelan’ ny taranak’ i Joda sy ny taranak’ i Josefa.
- 12 Ary ny fari-taniny amin’ ny lafiny avaratra dia hatrany Jordana ka niakatra hatramin’ ny ilan’ i Jeriko amin’ ny avaratra, dia niakatra niankandrefana nahazo ny tany havoana, ka dia nihatra tamin’ ny efitr’ i Betavena,
- 13 hatreo dia nandroso hatrany Lozy, hatramin’ ny ilany atsimon’ i Lozy (Betela izany), dia nidina hatrany Atarot-adara ao amin’ ny tendrombohitra atsimon’ i Beti-horona ambany,
- 14 dia niolaka tamin’ ny lafiny andrefana ka nianatsimo hatramin’ ny tendrombohitra izay eo anoloan’ i Beti-horona eo atsimo, ka dia nihatra any Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany), tanànan’ ny taranak’ i Joda; izany no lafiny andrefana.
- 15 Ary ny lafiny atsimo dia hatramin’ ny faran’ i Kiriata-jearima; ary ny fari-tany dia nandroso niankandrefana ka nihatra tamin’ ny loharanon’ i Neftoa,
- 16 dia nidina hatramin’ ny faran’ ny tendrombohitra, izay tandrifin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, eo amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta eo avaratra, ka nidina hatramin’ ny lohasahan’ i Hinoma, hatramin’ ny ilany atsimon’ ny Jebosita, ka nidina hatrany En-rogela,
- 17 dia nizotra avy any avaratra ka nandroso hatrany En-semesy sy Gelilota, izay tandrifin’ ny fiakarana Adomima, ka nidina hatramin’ ny vaton’ i Bohana, zanak’ i Robena,
- 18 dia nandroso hatramin’ ny ilany avaratra tandrifin’ ny tani-hay ka nidina hatrany amin’ ny tani-hay.
- 19 dia nandroso hatramin’ ny ilany avaratr’ i Beti-hogla, ka dia nihatra tamin’ ny helo-drano avaratra amin’ ny Ranomasin-tsira, eo amin’ ny farany atsimo amin’ i Jordana; izany no lafiny atsimo.
- 20 Ary Jordana no fari-taniny atsinanana. Izany no lovan’ ny taranak’ i Benjamina amin’ ny fari-taniny manodidina araka ny fokony.
- 21 Ary ny tanànan’ ny firenena taranak’ i Benjamina araka ny fokony dia Jeriko sy Beti-hogla ary ny lohasahan’ i Keziza
- 22 sy Bet-arabà sy Zemaraima sy Betela
- 23 sy Avima sy Para sy Ofra
- 24 sy Kefara-hamony sy Ofny sy Geba: tanàna roa ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;
- 25 sy Gibeona sy Rama sy Berota
- 26 sy Mizpa sy Kefira sy Moza
- 27 sy Rekema sy Iripela sy Tarala
- 28 sy Zela sy Elefa sy ny Jebosita (Jerosalema izany) sy Gibea sy Kiriata: tanàna efatra ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny. Izany no lovan’ ny taranak’ i Benjamina araka ny fokony.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗