여호수아 16장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 여호수아 (Joshua) · 10절
- 1 Ary ny faritry ny tany azon’ ny taranak’ i Josefa tamin’ ny filokana dia hatrany Jordana tandrifin’ i Jeriko, dia tao amin’ ny ranon’ i Jeriko atsinanana, ka hatramin’ ny efitra izay fiakarana avy any Jeriko, mamaky ny tany havoan’ i Betela,
- 2 dia hatrany Betela ka hatrany Lozy, ka nandroso hatramin’ ny fari-tanin’ ny Arkita hatrany Atarota,
- 3 dia nidina niankandrefana nahazo ny tanin’ ny Jafletita ka hatramin’ ny fari-tanin’ i Bedhorona ambany sy Gazera ka dia nihatra tamin’ ny ranomasina.
- 4 Dia azon’ i Manase sy Efraima, taranak’ i Josefa, ny lovany.
- 5 Ary ny amin’ ny fari-tanin’ ny taranak’ i Efraima araka ny fokony, ny fari-taniny atsinanana amin’ ny lovany dia hatrany Atarot-adara ka hatrany Beti-horona ambony.
- 6 Ary ny fari-taniny dia nandroso niankandrefana hatrany avaratr’ i Mikmeta, dia niolaka niantsinanana hatrany Tanata-silo ka nihoatra eo atsinanany hatrany Janoha,
- 7 dia nidina hatrany Janoha ka hatrany Atarota sy Narata, dia nipaka tamin’ i Jeriko ary dia nihatra tany Jordana.
- 8 Ary hatrany Tapoa dia niankandrefana ny fari-tany hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Kana, ka dia nihatra tamin’ ny ranomasina. Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Efraima araka ny fokony,
- 9 mbamin’ ny tanàna natokana ho an’ ny taranak’ i Efraima teo amin’ ny lovan’ ny taranak’ i Manase koa, dia ny tanàna rehetra mbamin’ ny zana-bohiny.
- 10 Ary tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gazera izy; fa monina eo amin’ i Efraima ny Kananita mandraka androany ka ampanaovina fanompoana.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗