여호수아 15장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 여호수아 (Joshua) · 63절
- 1 Ary izao no anjaran’ ny firenena taranak’ i Joda tamin’ ny filokana araka ny fokony: hatramin’ ny fari-tanin’ i Edoma dia ny efitra Zina atsimo, izay faran’ ny faritany atsimo.
- 2 Ary ny fari-taniny atsimo dia hatramin’ ny faran’ ny Ranomasin-tsira, dia hatramin’ ny helo-drano atsimo,
- 3 dia nandroso hatrany atsimon’ ny fiakarana Akrabima, dia nandroso hatrany Zina, dia niakatra any atsimon’ i Kadesi-barnea ka nandroso hatrany Hezrona dia niakatra any Adara ary niolaka hatrany Karka,
- 4 dia nandroso hatrany Azmona ka nahazo ny lohasahan-driak’ i Egypta, ary dia nihatra tamin’ ny ranomasina; izany no ho fari-taninareo atsimo.
- 5 Ary ny fari-tany atsinanana dia ny Ranomasin-tsira hatramin’ ny faran’ i Jordana. Ary ny fari-taniny tamin’ ny lafiny avaratra dia hatramin’ ny helo-drano eo amin’ ny faran’ i Jordana,
- 6 dia niakatra hatrany Beti-hogla ka nandroso any avaratr’ i Bet-araba, dia niakatra hatramin’ ny vaton’ i Bohana, zanak’ i Robena,
- 7 dia niakatra ho any Debira hatramin’ ny lohasaha Akora ary nianavaratra manandrify an’ i Gilgala tandrifin’ ny fiakarana Adomina, izay eo atsimon’ ny lohasahan-driaka, dia nandroso hatramin’ ny rano Ensemesy ary nihatra tany En-rogela,
- 8 dia niakatra teo amin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, ho eo anilany atsimon’ ny Jebosita (Jerosalema izany), dia niakatra hatramin’ ny tampon’ ny tendrombohitra, izay manandrify ny lohasahan’ i Hinoma eo andrefany, amin’ ny farany avaratry ny Lohasahan’ ny Refaïta,
- 9 dia nizotra hatramin’ ny tampon’ ny tendrombohitra ka nihatra tamin’ ny loharano Neftoa, dia nahazo ny tanàna tao an-tendrombohitra Efrona, dia nizotra hatrany Bala (Kiriata-jearima izany),
- 10 dia niolaka hatrany Bala andrefana ka hatramin’ ny tendrombohitra Seïra ka nandroso hatramin’ ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jearima (Kesalona izany), dia nidina hatrany Beti-semesy ka nandroso hatrany Timna.
- 11 dia nihatra tamin’ ny lafiny avaratr’ i Ekrona, dia nizotra hatrany Sikerona ka nandroso hatramin’ ny tendrombohitra Bala, dia nihatra tamin’ i Jabniela, ary dia nihatra tany amin’ ny ranomasina.
- 12 Ary ny fari-tany andrefana dia ny moron’ ny Ranomasina Lehibe. Izany no fari-tany manodidina ny anjaran’ ny taranak’ i Joda araka ny fokony.
- 13 Ary Kaleba, zanak’ i Jefone, dia nomeny anjara teo amin’ ny taranak’ i Joda, araka ny didin’ i Jehovah tamin’ i Josoa, dia ny tanànan’ i Arba, rain’ i Anàka (Hebrona izany).
- 14 Dia noroahin’ i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita, dia Sesay sy Ahimana ary Talmay.
- 15 Dia niakatra avy tao izy hankany amin’ ny mponina any Debira (Kiriata-sefera no anaran’ i Debira taloha).
- 16 Ary hoy Kaleba: Izay mamely an’ i Kiriata-sefera ka mahafaka azy, dia homeko azy Aksa zanako-vavy ho vadiny.
- 17 Ary Otniela, zanak’ i Kenaza, rahalahin’ i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zananivavy ho vadiny.
- 18 Ary rehefa voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy; dia niala faingana tamin’ ny borikiny ravehivavy, ka hoy Kaleba taminy: Inona no ilainao?
- 19 Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tsy tany misy rano no efa nomenao ahy, ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomeny azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
- 20 Izao no lovan’ ny firenena taranak’ i Joda araka ny fokony:
- 21 Ny tanàna farany amin’ ny firenena taranak’ i Joda, eo akaikin’ ny fari-tanin’ i Edoma amin’ ny tany atsimo, dia Kabzela sy Edera sy Jagora
- 22 sy Kina sy Dimona sy Adada
- 23 sy Kadesy sy Hazora sy Itnana
- 24 sy Zifa sy Talema sy Bealota
- 25 sy Hazora-hadata sy Keriota-hezrona (Hazora izany),
- 26 sy Amama sy Sema sy Molada
- 27 sy Hazara-gada sy Hesmona sy Beti-paleta
- 28 sy Hazara-soala sy Beri-sheba sy Biziotia
- 29 sy Bala sy Ie sy Azema
- 30 sy Eltolada sy Kesila sy Horma
- 31 sy Ziklaga sy Madmana sy Sansana
- 32 sy Lebaota sy Silima sy Aina sy Rimona; sivy amby roa-polo ny tanàna rehetra sy ny zana-bohiny.
- 33 Ary teo amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka dia Estaola sy Zora sy Asna
- 34 sy Zanoa sy En-ganima sy Tapoa sy Enama
- 35 sy Jarmota sy Adolama sy Soko sy Azeka
- 36 sy Saraima sy Aditaima sy Gadera sy Gederotaima: tanàna efatra ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;
- 37 ary Zenana sy Hadasa sy Migdala-gada
- 38 sy Dilana sy Mizpa ary Joktela
- 39 sy Lakisy sy Bozkata sy Eglona
- 40 sy Kabona sy Lamasa sy Kitlisa
- 41 sy Gederota sy Beti-dagona sy Nama sy Makeda: tanàna enina ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;
- 42 Libna sy Atera sy Asana
- 43 sy Jifta sy Asna ary Neziba
- 44 sy Keila sy Akziba ary Maresa: tanàna Sivy sy ny zana-bohiny;
- 45 Ekrona sy ny tanànany ary ny zana-bohiny;
- 46 hatrany Ekrona no ho miankandrefana, dia izay rehetra akaiky an’ i Asdoda, sy ny zana-bohitr’ ireo,
- 47 Asdoda sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, Gaza sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta sy ny amoron’ ny Ranomasina Lehibe.
- 48 Ary tany amin’ ny tany havoana dia Samira sy Jatira sy Soko
- 49 sy Dana sy Ririata-sana (Debira izany)
- 50 sy Anaba sy Estemo sy Anima
- 51 sy Gosena sy Holona sy Gilo: tanàna iraika ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;
- 52 Araba sy Doma sy Esana
- 53 sy Janoma sy Beti-tapoa sy Afeka
- 54 sy Honta sy Kiriat-arba (Hebrona izany) ary Ziora: tanàna sivy sy ny zana-bohiny;
- 55 Maona sy Karmela sy Zifa sy Jota
- 56 sy Jezirela sy Jokdeama sy Zanoa
- 57 sy Kaina sy Gibea sy Timna: tanana folo sy ny zana-bohiny;
- 58 sy Halola sy Beti-zora sy Gedora
- 59 sy Marata sy Bet-anota sy Eltekona: tanàna enina sy ny zana-bohiny;
- 60 sy Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany) sy Raba; tanàna roa sy ny zana-bohiny.
- 61 Tany an-efitra dia Bet-araba sy Midìna sy Sekaka
- 62 sy Nibsana sy ilay Tanànantsira ary En-jedy: tanàna enina sy ny zana-bohiny.
- 63 Ary ny amin’ ny Jebosita, mponina any Jerosalema, dia tsy naharoaka azy ny taranak’ i Joda; fa miara-monina amin’ ny taranak’ i Joda any Jerosalema mandraka androany izy ireny.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗