에스더 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 에스더 (Esther) · 15절
- 1 Rehefa afaka izany zavatra izany, dia nasandratr’ i Ahasoerosy mpanjaka Hamana, zanak’ i Hamedota Agagita, ka nomeny voninahitra, ary ny sezany nataony teo alohan’ ny an’ ny mpanapaka rehetra izay teo aminy.
- 2 Ary ny mpanompon’ ny mpanjaka rehetra izay teo am-bavahadin’ ny mpanjaka dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehan’ i Hamana; fa izany no didin’ ny mpanjaka. Fa Mordekay kosa tsy mba nety nandohalika na niankohoka.
- 3 Dia hoy ny mpanompon’ ny mpanjaka izay teo am-bavahadin’ ny mpanjaka tamin’ i Mordekay: Nahoana ianao no mandika ny didin’ ny mpanjaka?
- 4 Nefa na dia niteny taminy isan’ andro aza ireo, dia tsy mba nihaino azy izy, ka nolazain’ Ireo tamin’ i Hamana, mba hizahany na haharitra amin’ ny teniny ihany Mordekay, na tsia; fa efa nilaza tamin’ ireo izy fa Jiosy.
- 5 Ary rehefa hitan’ i Hamana fa Mordekay tsy mba nety nandohalika na niankohoka teo anatrehany, dia tezitra loatra izy.
- 6 Ary nataon’ i Hamana ho zavatra kely loatra ny haninji-tanana hamely an’ i Mordekay irery ihany (fa efa nambara azy ny firenen’ i Mordekay), ka dia nitady handringana ny Jiosy rehetra eran’ ny fanjakan’ i Ahasoerosy koa izy, dia ny firenen’ i Mordekay.
- 7 Tamin’ ny volana voalohany (volana Nisana izany) tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo nanjakan’ i Ahasoerosy mpanjaka, nisy nanao pora (filokana izany) teo anatrehan’ i Hamana ny amin’ ny isan’ andro isan’ andro sy ny isam-bolana isam-bolana hatramin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo (volana Adara izany)
- 8 Ary hoy Hamana tamin’ i Ahasoerosy mpanjaka: tsisy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin’ ny firenena samy hafa isan-tokony eran’ ny fanjakanao; ary hafa lalàna noho ny firenena rehetra ireny sady tsy mba mankatò ny lalàn’ ny mpanjaka; ary tsy mendrika amin’ ny mpanjaka ny hamela azy ho eny;
- 9 koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hosoratana mba haringana ireny, dia handoa talenta volafotsy iray alina ho eo an-tànan’ ny mpanao raharaha aho ho entina ao an-trano firaketan’ ny mpanjaka.
- 10 Dia nesorin’ ny mpanjaka tamin’ ny tànany ny peratra fanombohany ka nomeny an’ i Hamana, zanak’ i Hamedota Agagita, fahavalon’ ny Jiosy.
- 11 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Hamana: Homena anao ihany ny volafotsy sy ny olona koa hanaovanao azy araka izay sitrakao.
- 12 Dia nantsoina ny mpanoratry ny mpanjaka tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany, ka nosoratana izany araka izay rehetra nandidian’ i Hamana ho an’ ny solo-mpanjaka sy ny governora tamin’ ny isan-tokony ary ny mpanapaka ny firenena rehetra, ho any amin’ ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ho amin’ ny isam-pirenena araka ny fiteniny avy; dia tamin’ ny anaran’ i Ahasoerosy mpanjaka no nanoratany azy ka notombohiny tamin’ ny peratra fanombohan’ ny mpanjaka.
- 13 Ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa ho any amin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakan’ ny mpanjaka mba hampandringana sy hampamono ary hampandripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra hatramin’ ny zaza amim-behivavy aza, amin’ ny indray andro monja, dia tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo (volana Adara izany), ary handroba ny fananany.
- 14 Ny kopen’ ny teny izay natao didy ho amin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakana dia nisokatra mba ho hitan’ ny olona rehetra hampiomana azy ho amin’ izany andro izany.
- 15 Dia nivoaka ny tsimandoa, ka nododonan’ ny tenin’ ny mpanjaka; ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna. Ary ny mpanjaka sy Hamana nipetraka hisotro; fa ny tao an-tanàna Sosana kosa dia very hevitra.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗